Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona avy no tombontsoa sy andraikitra nananan’ny lahimatoa fahiny?

Nomena tombontsoa manokana ny lahimatoa, teo amin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Rehefa maty ny rainy, dia izy no lasa loham-pianakaviana. Izy no namelona sy nifehy an’izay rehetra mbola tao an-trano. Izy koa no nisolo tena ny fianakaviany teo anatrehan’Andriamanitra. Nahazo lova avokoa ny zanakalahy rehetra, saingy niavaka ny anjaran’ny lahimatoa. Avo roa heny mantsy ny azy.

Azon’ny lahimatoa nolavina izany zo izany. Namidin’i Esao tamin’ny zandriny lahy, ohatra, ny zony. (Genesisy 25:30-34) Rehefa naloto fitondran-tena koa i Robena, izay lahimatoa, dia nomen’i Jakoba rainy ho an’i Josefa ny zon’ny lahimatoa. (1 Tantara 5:1) Tsy mba toy izany anefa teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, rehefa nisy lehilahy nanambady mihoatra ny iray. Izay zokiny indrindra tamin’ny zanany lahy rehetra mantsy no tsy maintsy nomeny ny zon’ny lahimatoa. Tsy azony natao ny namindra izany ho an’ny lahimatoan’ny vadiny hafa, satria fotsiny hoe tiany kokoa ilay vehivavy.—Deoteronomia 21:15-17.

Nahoana ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo no nanisy “boaty” misy andinin-teny, teo amin’ny handriny na ny sandriny?

Tsy nankasitrahan’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, satria nohalehibeazin’izy ireo “ilay boaty ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy amin’ny Soratra Masina.” (Matio 23:2, 5) Boaty kely maintimainty vita amin’ny hoditra izy io, ary miendrika efamira na mahitsizoro. Nofatoran’izy ireo teo amin’ny handriny ilay izy, na teo amin’ny sandriny, ambanimbanin’ny helika, manakaiky ny fony. Nantsoina hoe filakitera ireny boaty ireny, ary nisy andinin-teny tao anatiny. Nampiharin’ny olona ara-bakiteny mantsy ilay didin’Andriamanitra ho an’ny Israelita hoe: “Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. ... Afatory ho famantarana eo amin’ny tananao izany, ka ataovy fehiloha eo amin’ny handrinao.” (Deoteronomia 6:6-8) Tsy fantatra hoe oviana marina no lasa fanaon’ny olona ny nitondra filakitera. Mety ho tamin’ny taonjato fahatelo na faharoa Talohan’i Kristy (T.K.) izany, hoy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana.

Antony roa no tsy nankasitrahan’i Jesosy an’io fanao io. Voalohany, nohalehibeazin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny filakiterany, satria te hiseho hoe mpivavaka be izy ireo. Faharoa, noheverin’izy ireo ho ody fiarovan-tena ilay izy, nefa finoanoam-poana izany. Avy amin’ilay teny grika hoe fylakteriôn ny hoe filakitera, ary io no fampiasan’ny boky tsy ara-baiboly. Midika ara-bakiteny izy io hoe “tobin’ny mpiambina”, na “manda”, na “fiarovana.”