Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torina any Amin’ireo Nosy Farany Lavitra ny “Vaovao Tsara”

Torina any Amin’ireo Nosy Farany Lavitra ny “Vaovao Tsara”

Torina any Amin’ireo Nosy Farany Lavitra ny “Vaovao Tsara”

“HOTORINA maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” (Matio 24:14) Mankatò an’io baikon’i Jesosy io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary miezaka mitory ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly, na aiza na aiza ahitany olona. (Matio 28:19, 20) Ataony an-tsitrapo io asa io. Mianto-tena koa izy ireo, ary miatrika olana indraindray.

Nanatsotra ny fiainany, ohatra, i Nathan sy Carly, mba hitoriany any amin’ireo nosy any amin’ny Andilan-dranomasin’i Torres. Nasain’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aostralia hifindra tany amin’ny Nosy Thursday izy ireo tamin’ny 2003, mba hiara-miasa amin’ny fiangonana any. Iray amin’ireo nosy tsara tarehy eo amin’ny Oseana Pasifika, eo anelanelan’i Aostralia sy Papouasie-Nouvelle-Guinée, izy io.

Nividy sambo tranainy antsoina hoe Teisan-Y izy ireo, tamin’ny 2007, ary nohavaoziny ilay izy. Nitory tamin’ireo nosy folo farany lavitra izy ireo, taorian’izay, ary avy tao amin’ny Nosy Thursday foana no niainga. Tantaraina eto ambany ny dia sasany nataony.

Janoary 2008: Nitondra lakana nankany Bamaga aho androany, mba haka Vavolombelona enina. Nandeha 80 kilaometatra aho, mandroso sy miverina. Nandeha tamin’ilay sambo Teisan-Y izahay avy eo mba ho any amin’ny Nosy Warraber sy Poruma. Solika 5 500 litatra no nentinay, ary roa dolara ny litatra. Feno tsara ny fitoeran-tsolika. Folo kilaometatra isan’ora monja no vitan’ilay sambo. Tsara anefa ny andro, ary tsy nisy onja firy.

Niantsona lavidavitra ny morontsirak’i Warraber izahay. Nandeha lakana nankao amin’ilay nosy izahay sy ireo namanay nanana havana tao. Niera tamin’ny manam-pahefana iray izahay raha afaka mitory, ka navelany na dia pasitera aza izy. Mbola navela hitory koa izahay tao Poruma. Sariaka ny olona sady may erỳ hamaky ny boky nentinay, ary maro no nianatra Baiboly.

Aprily 2008: Saika ho any amin’ireo nosy telo lavitra indrindra (Dauan sy Saibai ary Boigu), any akaikin’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, izahay. Lasa ratsy be anefa ny andro, ka naleonay nankany amin’ny Nosy Mabuiag. Fitopolo kilaometatra monja avy tao amin’ny Nosy Thursday izy io. Tsy maintsy nandeha 140 kilaometatra anefa izahay, satria voatery nivilivily lalana mba hialana tamin’ny haran-dranomasina.

Napitiky ny onja hiala tamin’ny sambonay ilay lakana. Niverin-dalana àry izahay mba haka an’ilay izy. Nandoa na naloiloy ny ankamaroan’ny mpandeha.

Navelan’ny manam-pahefana hitory izahay tao Mabuiag. Nandray anay tsara ny olona tao, ka vetivety dia tsy naninona intsony izahay. Faly be ny vehivavy iray ka nangataka boky sy gazety fanampiny, mba hapetrany ao amin’ilay tranomboky iasany.

Mey ka hatramin’ny Oktobra 2008: Ratsy ny andro, ka tsy afaka nankany amin’ny nosy hafa izahay. Naleonay nitory teo an-toerana sy niasa ary nanamboatra an’ilay sambo.

Simba be ilay izy, ka nentinay tany amin’ny seranan-tsambon’i Weipa. Nosintonina hamonjy morontsiraka ilay izy tany, ary nentina tamin’ny kamiao mba hamboarina. Raharaha be izany, fa tantaraina ka hoatran’ny hoe mora! Nanolo-tena hanampy anay ny Vavolombelona tany, ka nanamboatra ny fantsona, na nandoko, na nandrafitra. Ny hafa indray nanatitra sakafo. Nisy mihitsy aza nanome vatsy ho an’ny dianay nanaraka. Tena faly izahay nampian’izy ireo.

Desambra 2008: Nankany Dauan, Saibai, ary Boigu izahay. Nampiasa radara sy fitaovana hafa izahay, mba hialana amin’ny rivo-doza sy hahitana lalana teny anelanelan’ireo haran-dranomasina. Afaka adiny 12 izahay vao tonga tao Dauan. Mbola tsy nahita nosy tsara tarehy toa an’io anefa izahay. Feno rahona ireo harambato avo be eo amin’izy io. Nihaino tsara anay ny olona. Naka ny nomeraon-telefaonin’izy ireo izahay, mba hanohizana an’ilay resaka amin’ny manaraka.

Nahazo gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Lettie, vehivavy iray ao Dauan. Nangataka boky hafa tamin’ny sampan’i Aostralia izy, ka nahazo. Niangavian’ny sampana hitsidika azy ny fiangonanay. Nahita an’i Lettie izahay, ary faly fa mba afaka nanampy azy.

Tsy navelan’ny manam-pahefana hitory izahay tao Saibai. Afaka nitsidika havana tao anefa ny namanay sasany. Nasain’ny fanjakana handoko trano tao Saibai aho, ka nahazo vola hividianana ny zavatra sasany nilainay.

Avy any Papouasie, efatra kilaometatra avy eo Saibai, i Tassie, anabavy niaraka taminay. Neken’ny fanjakana aostralianina hivarotra ao Saibai ny mponin’i Papouasie. Nahita olona maro avy any an-tanànany i Tassie, ary tsy ampy hozaraina tamin’izy ireo ny boky tany aminy. Izay izy vao nahita olona iray fiaviana taminy, taorian’ny nahalasa Vavolombelon’i Jehovah azy. Naka boky iray baoritra ho azy tany anaty sambo izahay. Tamin’ny teny tok pisin, fitenim-paritra any Papouasie, ny ankamaroany. Olona 30 mahery no nitorian’i Tassie, ary lany daholo ireo boky. Sambo ihany no ahatongavana ao amin’ny tanànan’izy ireo, ka angamba mbola tsy nisy Vavolombelona nitory tany mihitsy.

Tsy mora ny nankany Boigu, ilay nosy farany nalehanay. Mbola tany amin’ny efatra kilaometatra miala amin’ny morontsiraka izahay, nefa 2,5 metatra sisa ny halalin’ny rano. Efa hikasoka ilay sambo. Nandeha lakana ny roa taminay, mba hitady lalana mankao amin’ilay nosy. Avy be ny orana ary kotsa izahay. Afaka adiny roa izahay vao nahita lalana.

Gaga ny mponina nahita anay. Nolazainy fa diso ny sarintany nentinay, ary na ny mpiambina morontsiraka sy ny tafika an-dranomasina aza tsy tonga any. Tsy navelan’ny manam-pahefana tao Boigu hitory tamin’ny mponina izahay, fa tamin’ny havana ihany. Nekenay ny teniny. Nomenay an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * ny lehilahy iray. Namaky azy io avy hatrany izy, ary nanoratra fanontaniana tao amin’ny pejy farany amin’ny Baiboliny. Nihaona tany amin’ny Nosy Thursday izahay tatỳ aoriana, ka nifampiresaka indray.

Janoary 2009: Niverina nitsidika an’ireo olona nitorianay tao amin’ny Nosy Moa sy Mabuiag izahay. Nandray anay tsara ny olona. Maro tamin’ny mponin’i Saint-Paul, ao Moa, no nilaza taminay mba hiverina haingana. Nilaza ny manam-pahefana fa afaka mitory ao foana izahay.

Nosy 17 ao amin’ny Andilan-dranomasin’i Torres no misy mponina. Tsy fantatray raha ho afaka hitory amin’ny olona rehetra ao amin’izy ireny izahay na tsia. Manao izay azonay atao anefa izahay atỳ amin’ny nosy farany lavitra atỳ Aostralia, mba hiderana an’i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe. Tena faly izahay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

AOSTRALIA

Weipa

Bamaga

NOSY EO AMIN’NY ANDILAN-DRANOMASIN’I TORRES

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

[Sary nahazoan-dalana]

Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sarintany, pejy 24, 25]

Bamaga

Nosy Thursday

Nosy Moa

Nosy Warraber

Nosy Poruma

Nosy Mabuiag

Nosy Saibai

Nosy Dauan

Nosy Boigu

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

[Sary nahazoan-dalana]

Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 24]

Tonga eo amin’ny Nosy Thursday

[Sary, pejy 24]

Hitory ao amin’ny Nosy Saibai

[Sary, pejy 25]

Mitory ny vaovao tsara amin’ny teny tok pisin