Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana?

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana?

Manontany ny Mpamaky

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana?

▪ Milaza ny rakipahalalana iray fa misy “fivavahana 10 000” eo ho eo “eran-tany.” Niady foana ny samy fivavahana, ary niteraka fahoriana be izany. Maro àry no mihevitra fa hiadana sy hiray saina ny olona raha manao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, na dia misara-bazana aza izao tontolo izao.

Mampirisika ny olona hiray saina ny Baiboly. Milaza ny apostoly Paoly fa toy ny vatana ny fiangonana kristianina, ary “tafakambana mirindra tsara sady natao hiara-miasa” ny rantsambatana rehetra. (Efesianina 4:16) Hoy koa ny apostoly Petera: “Miraisa saina ianareo rehetra.”—1 Petera 3:8.

Maro ny kolontsaina sy fivavahana tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany. Tsy namela ny Kristianina hifangaroharo tamin’ny fivavahana hafa anefa i Paoly. Hoy izy: “Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino?” Hoy izy avy eo: “Mivoaha eo aminy.” (2 Korintianina 6:15, 17) Tsy mety àry ny mamonjy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, araka ny tenin’i Paoly.

Nanazava i Paoly fa tsy afaka ny hiray zioga mihitsy ny tena Kristianina sy ny tsy tena izy, izany hoe tsy afaka ny hiara-mivavaka. (2 Korintianina 6:14) Ho simba mantsy ny finoan’ilay tena Kristianina. Toy ny raim-pianakaviana manahy ny amin-janany i Paoly. Hitan’ilay lehilahy hoe maditra ny ankizy eo an-tanàna, ka tsy avelany hiara-milalao amin’izy ireny ny zanany. Mety tsy ho tian’ny olona izany fanapahan-keviny izany. Ho hendry foana anefa ny zanak’ilay lehilahy, rehefa tsy mifanerasera amin’izy ireo. Rehefa tsy mifanerasera amin’ny fivavahana hafa koa ny tena Kristianina, dia tsy hanahaka ny fanao ratsiny.

Nanahaka an’i Jesosy i Paoly. Nanao izay hampiray saina ny olona i Jesosy, ary tena nampiavaka azy izany. Tsy nanao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana anefa izy. Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba ‘hitandrina amin’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.’ (Matio 16:12) Anisan’ny fivavahana nisy tamin’ny androny ireo, ary niray hina hanohitra azy sy hamono azy mihitsy aza.

Mbola mihatra amin’izao ve ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe tsy mety ny manao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana? Eny. Tsy afaka mifangaro ny fampianaran’ny fivavahana samy hafa, toy ny rano sy menaka tsy hety hifangaro mihitsy. Rehefa miara-mivavaka mba hisian’ny fiadanana, ohatra, ny fivavahana maro, iza no andriamanitra antsoiny? Ny Andriamanitra telo izay irain’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ve? Sa i Brahma, andriamanitry ny Hindoa? Sa i Bouddha? Sa hafa?

Nilaza i Mika mpaminany fa “any am-parany”, dia hiteny ny firenena rehetra hoe: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah sy ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.” (Mika 4:1-4) Hihavana sy hiray saina ny olona eran-tany amin’izay. Tsy noho izy ireo manao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana anefa, fa noho izy ireo manaraka fivavahana tokana sy marina.

[Sary, pejy 27]

Mpitondra fivavahana niara-nanao fivoriana iraisam-pinoana, 2008

[Sary nahazoan-dalana]

REUTERS/Andreas Manolis