Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nampiova ny Fiheverantsika ny Ota?

Ahoana no Nampiova ny Fiheverantsika ny Ota?

Ahoana no Nampiova ny Fiheverantsika ny Ota?

“TSY eken’ny sain’ny olona ankehitriny ny hoe nandova ota tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany isika. Ny hoe ota mihitsy koa anefa no tsy eken’ny sainy. ... Ry Adolf Hitler sy Josef Stalin no azo lazaina hoe nanota, fa isika kosa tsy afa-manoatra noho ny zava-misy.”—Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy).

Asehon’izany fa tsy mahazo tsara ny atao hoe ota ny olona. Nahoana? Inona no niova? Inona momba ny ota no tena tsy eken’ny sain’ny olona ankehitriny?

Handinika lafin-javatra roa momba ny ota isika, dia ny ota nolovana, izay efa ao anatintsika na tiantsika na tsia, sy ny ota ataontsika tsirairay.

Nandova ota ve isika?

Milaza ny Baiboly fa nanota ny ray aman-drenintsika voalohany, ary namindra ota tamin’ny olombelona rehetra. Vao teraka àry isika rehetra dia efa tsy lavorary. Hoy ny Baiboly: “Ota daholo ny tsy fahamarinana rehetra.”—1 Jaona 5:17.

Tsy azon’ny mpiangona maro anefa sady tsy ekeny ilay hoe nisy nandika lalàna tany aloha be tany, ka ny olona rehetra no lasa tsy lavorary raha vao teraka, nefa tsy nandika lalàna na tompon’andraikitra tamin’izany akory. Milaza i Edward Oakes, mpampianatra teolojia, fa “sanganehana, na mandà an-kitsirano” ny olona rehefa resahina momba ny ota, “na koa mody manaiky fotsiny, izany hoe tsy tena laviny ilay foto-pinoana nefa tsy azony hoe nahoana no mpanota koa ny mpivavaka be.”

Anisan’ny mahatonga ny ota tany am-boalohany ho sarotra ekena ny zavatra ampianarin’ny eglizy momba azy io. Tapaka tamin’ny Konsilin’i Trente (1545-1563), ohatra, fa meloka izay rehetra tsy manaiky hoe mila atao batemy ny zazakely mba hanesorana ny fahotany. Nilaza ny teolojianina fa hanakana an’ilay zaza tsy ho any an-danitra ny fahotany, raha maty izy nefa tsy vita batemy. I Calvin aza nampianatra hoe ‘mbola any an-kibon-dreniny ilay zaza dia efa meloka, sady halan’Andriamanitra sy maharikoriko azy.’

Mino ny ankamaroan’ny olona fa tsy manan-tsiny ny zaza menavava. Tsy ekeny àry ny hoe tokony hijaly izy ireny satria nandova ota. Tsy mahagaga raha lasa tsy mino ny ota tany am-boalohany ny olona, noho ny fampianaran’ny eglizy. Ny mpitondra fivavahana sasany aza tsy sahy manameloka zazakely tsy vita batemy ho any amin’ny afobe. Mbola tsy hain’izy ireo mihitsy hoe mankaiza marina ireny zaza ireny. Efa nandritra ny taonjato maro ny Katolika no nampianatra fa mankany amin’ny Limby ny fanahin’ireo tsy manan-tsiny tsy vita batemy, na dia tsy anisan’ny foto-pinoan’izy ireo mihitsy aza izany. *

Tsy mino ny ota tany am-boalohany koa ny olona, satria nanomboka nitsikera ny tantara ao amin’ny Baiboly ireo filozofa sy mpahay siansa ary teolojianina tamin’ny taonjato faha-19, ka nilaza fa tsy tena nitranga izy ireny. Lasa noheverin’ny olona maro ho angano ny tantaran’i Adama sy Eva, noho ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona (na fiovana miandalana). Maro àry no lasa mihevitra fa tsy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, fa vokatry ny fisainan’ny mpanoratra sy ny lovantsofina fotsiny.

Inona no vokatr’izany teo amin’ny foto-pinoana momba ny ota tany am-boalohany? Mazava ho azy fa hihevitra ny mpiangona hoe tsy nisy mihitsy ny ota tany am-boalohany, raha resy lahatra izy ireo hoe tsy tena nisy i Adama sy Eva. Misy kosa vonona hanaiky hoe tsy lavorary ny olombelona, nefa mihevitra fa natao hanazavana an’izany fotsiny ilay hoe ota tany am-boalohany.

Ahoana kosa ilay hoe mampahatezitra an’Andriamanitra ny ota ataon’ny tsirairay?

Tena fahotana tokoa ve?

Ahoana hoy ny olona rehefa anontaniana ny dikan’ny hoe fahotana? Maro no mieritreritra momba ny Didy Folo izay mandrara ny famonoana olona, fanitsakitsaham-bady, filan-dratsy, firaisana alohan’ny fanambadiana, halatra, sy ny sisa. Ampianarin’ny eglizy fa hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe izay manao fahotana toy ireo, nefa tsy mibebaka. *

Ampianarin’ny Eglizy Katolika fa tsy maintsy mikonfesy amin’ny pretra izay tsy te ho any amin’ny afobe. Afaka mamela heloka mantsy, hono, ny pretra. Tsy mikonfesy sy mitady famelana ary manao fivalozana intsony anefa ny ankamaroan’ny Katolika. Asehon’ny fanadihadiana vao haingana fa tsy mikonfesy intsony ny antsasa-manilan’ny Katolika any Italia.

Hita fa tsy nahasakana ny olona tsy ho zatra manota ny fampianaran’ny eglizy momba ny ota sy ny vokany. Mpiangona maro no tsy mino intsony hoe ratsy ny manota. Misy mihevitra, ohatra, fa tsy mampaninona ny manao firaisana raha efa mifanaiky ny andaniny sy ny ankilany sady tsy misy voka-dratsiny amin’ny hafa izany.

Tsy tena resy lahatra ny amin’izay nampianarina azy momba ny ota angamba ny olona sasany, matoa mihevitra toy izany. Sarotra amin’ny olona maro tokoa ny hino hoe Andriamanitra fitiavana ve dia hampijaly mandrakizay ny mpanota, any amin’ny afobe. Anisan’ny mahatonga ny olona hanamaivana ny “ota” angamba izany fisalasalana izany. Misy antony hafa koa anefa.

Tsy noraharahaina intsony ireo fitsipika nahazatra

Nampiova be ny olona sy ny fisainany ny zava-nitranga tato anatin’ny taonjato faramparany. Teo ny ady lehibe roa sy ireo ady maro be ary ny fandripahana foko. Lasa misalasala àry ny olona maro raha mbola tokony harahina ireo fitsipika nahazatra hatramin’izay. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Mbola azo ampiharina amin’izao andro maoderina be izao ve ny fitsipika napetraka taloha ela be, sady izay indray tsy mifandray amin’ny zavatra iainantsika ankehitriny mihitsy?’ Maro ny mpitady fanazavana azon’ny saina ekena sy mpananatranatra milaza fa tsy azo ampiharina izany. Mino izy ireo fa ilaina ny miala amin’ny finoanoam-poana sy ny fitsipika mangeja sasany, ary mianatra mafy mba hahay.

Tsy niraharaha an’Andriamanitra intsony àry ny olona ka nihavitsy ny mpiangona, any amin’ny tany eoropeanina maro. Mihamaro ny olona tsy manana zavatra inoana manokana, ary maro no manohitra an-karihary ny fitsipiky ny eglizy, izay heveriny ho hadalana. Mihevitra izy ireo fa tsy tokony hisy fitsipika mamaritra ny tsara sy ny ratsy, raha niova miandalana isika fa tsy noforonin’Andriamanitra.

Lasa nigoragora be ny fitsipika narahin’ny Tandrefana tamin’ny taonjato faha-20, ka niova be ny fitondran-tenan’izy ireo. Tsy noraharahaina intsony izay nekena hoe mety na tsy mety hatramin’izay, noho ny fikomian’ny mpianatra sy ny hetsika fanoherana ny fitsipika mahazatra, ary ny fielezan’ny fanafody fanabeazana aizana. Tsy ela dia natao tsinontsinona ny fitsipiky ny Baiboly. Nanaraka fitsipika vaovao ny olona tatỳ aoriana, ary niova koa ny fiheverany ny ota. “Ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy sisa no nanjaka” nanomboka teo, hoy ny mpanoratra iray, ka lasa nekena hatraiza hatraiza ny firaisana tsy ara-dalàna.

Manao izay mahafinaritra ny olona ny fivavahana

Hoy ny gazety Herinandrom-baovao momba ny zava-misy any Etazonia: “Mifaninana hahazo mpiangona betsaka ny mpitondra fivavahana maro ka manaraka ny fanaon’ny hafa fotsiny.” Matahotra izy ireo sao ho lasa ny mpiangona raha asaina mitandrina fitsipika hentitra. Tsy tian’ny olona ny mandre hoe tokony hanetry tena sy hifehy tena ary ho tsara toetra izy, na hoe tokony hihaino ny feon’ny fieritreretany izy ary hibebaka amin’ny fahotany. Maro àry ny fivavahana “tsy miraharaha ny Filazantsara fa mitory zavatra mampilamin-tsaina sy tiam-bahoaka fotsiny, ary mampirisika ho tia tena mihitsy aza”, hoy ny Fotoan’ny Masoandro any Chicago.

Inona no vokatr’izany fomba fisaina izany? Lazalazain’ny fivavahana araka izay itiavany azy fotsiny Andriamanitra ary tsy mifantoka amin’Andriamanitra sy izay takiny intsony izy ireo, fa amin’ny olona sy izay hampisy vidiny ny tenany. Izay tadiavin’ny mpiangona fotsiny no ataony. Lasa tsy manana foto-pinoana àry ny fivavahana. Hoy Ny Gazetin’i Wall Street: “Inona no nisolo an’ireo fitsipika kristianina momba ny fitondran-tena hatramin’izay? Fitsipika momba ny hatsaram-panahy, izay manala tsiny an’izay rehetra ataon’ny olona iray, raha mbola tsara toetra koa izy.”

Misy mihevitra àry fa tsara daholo ny fivavahana raha mbola mahafinaritra. Amin’izy ireo, dia “mety daholo izay fivavahana tsy mametraka fitsipika momba ny fitondran-tena, ary tsy mitsaratsara fa mampionona”, araka Ny Gazetin’i Wall Street. Ny fivavahana kosa tsy mametraka fitsipika momba ny fitondran-tena, fa vonona handray ny olona, “na manao ahoana izy na manao ahoana.”

Mety hahatsiaro an’ity faminanian’ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany ity àry ny mpamaky Baiboly: “Ho avy ... ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy.”—2 Timoty 4:3, 4.

Tena mampidi-kizo ny mpiangona ny mpitondra fivavahana rehefa manala tsiny ny fahotana sy mandà ny fisian’izany ary mitory zavatra “mahafinaritra” ny sofin’ny mpiangona, izany hoe izay tian’izy ireo ho re fa tsy izay lazain’ny Baiboly. Tsy mety izany sady mampidi-doza, satria manolana ny iray amin’ireo fampianarana fototry ny Kristianina. Ampahany lehibe amin’ny vaovao tsara nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny ny momba ny fahotana sy ny famelan-keloka. Izany no hazavain’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nesorin’ny Katolika tao amin’ny katesiziny farany ilay fampianarana tsy ara-baiboly momba ny Limby, angamba satria mampikorontan-tsaina. Jereo ilay efajoro hoe “Niova Tanteraka Ilay Fampianarana”, ao amin’ny pejy 10.

^ Tsy mampianatra momba ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra ny Baiboly. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny toko 6 hoe “Aiza no Misy ny Maty?”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Ratsy ny vokany raha manao izay mahafinaritra ny olona ny fivavahana

[Efajoro, pejy 6]

“Tsy Mampaninona Intsony” Izao ny Manota

▪ “Izany izao no tena manahirana ny fivavahana. Tsy mihevi-tena ho ‘mpanota’ mila famelana intsony isika. Taloha angamba no olana ny manota, saingy tsy mampaninona intsony izany izao. Mahita vahaolana amin’izy io ny fivavahana. Tsy olana kosa izany amin’ny ankamaroan’ny Amerikanina, na tsy olana lehibe, fara faharatsiny.”—John Studebaker, mpanoratra momba ny fivavahana.

▪ “Milaza ny olona hoe: ‘Tiako raha tsara fitondran-tena izaho sy ny hafa. Olombelona ihany anefa isika, ka rehefa miezaka dia efa ampy.’ Tadiavintsika izay fitsipi-pitondran-tena mety, izany hoe fitsipika antonintoniny ahafahantsika mieritreritra hoe mety ny ataontsika. ... Tsy raharahaintsika anefa ny momba ny ota, izay lehibe kokoa.”—Albert Mohler, prezidàn’ny Sekoly Fiofanana ho Pasitera Batista.

▪ “Lasa hindrahindraina ny zavatra nahamenatra taloha [toy ny fahotana mahafaty fito]: Mampirisika [ny ankizy] hirehareha ny ray aman-dreny satria hoe ilaina izany mba hahatsapana ho misy vidiny. Nangataka tamin’i Vatikana ny mpahandro frantsay maromaro mba tsy hanao ny hatendan-kanina ho fahotana. Ny fitsiriritana no mahatonga ny olona haniry hahazo an’izay ananan’ireo olo-malaza. Ampiasain’ny mpanao dokam-barotra ny filan-dratsy. Ara-drariny ny hatezerana raha misy mahasosotra. Mba te hanampatra ny hakamoako aho indraindray.”—Nancy Gibbs, tao amin’ny gazety Fotoana (anglisy).

[Sary, pejy 5]

Olona maro ankehitriny no mihevitra fa angano ny tantaran’i Adama sy Eva