Mpiaro ny Finoana Kristianina Tokoa ve Izy Ireo sa Filozofa?
Mpiaro ny Finoana Kristianina Tokoa ve Izy Ireo sa Filozofa?
NENJEHINA mafy ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa, satria nampangaina ho miray amin’olom-pady, mamono zaza, mihinana olona, sy ny toy izany. Voatosika hiaro ny finoany àry ireo mpanoratra mitonona ho Kristianina, izay nantsoina hoe mpiaro ny finoana, tatỳ aoriana. Te hahazo sitraka tamin’ny fitondrana romanina sy ny vahoaka izy ireo, ka niezaka nanaporofo fa tsy mampidi-doza ny fivavahany. Nampidi-doza ny fanaovana izany, satria matetika ny fanjakana sy ny vahoaka no tsy nilefitra mihitsy raha tsy arahina ny sitrapony. Tena natahorana koa hoe hampitombo fanenjehana izany na hahatonga an’ireo mpiaro ny finoana hampandefitra ny finoana kristianina. Ahoana àry no niarovan’izy ireo ny finoany? Inona no porofo narosony? Inona no vokatry ny ezaka nataony?
Ireo mpiaro ny finoana sy ny Fanjakana Romanina
Lehilahy avara-pianarana tamin’ny taonjato faharoa sy taoriana kelin’izay ireo mpiaro ny finoana. Anisan’ireo nalaza indrindra i Justin Maritiora sy Clément avy any Aleksandria ary Tertullien. * Natao hanazavana ny finoana kristianina tamin’ny mpanompo sampy sy ny manam-pahefana romanina ny asa soratr’izy ireo, ary misy andininy ara-baiboly maro. Vitan’izy ireo ny niaritra fanenjehana, nanda ny fiampangana azy, ary nampiseho fa olona tsara ny Kristianina.
Anisan’ny nimasoan’ireo mpiaro ny finoana ny hampiaiky ny mpanao politika hoe tsy fahavalon’ny mpanjaka sy ny Fanjakana Romanina ny Kristianina. Nilaza i Tertullien fa “notendren’Andriamanitra” ny mpanjaka. Lasa nanao politika koa i Athénagore satria nanamafy fa fianakaviana iray ihany no tokony hifandimby hitondra. Tsy niraharaha an’izao tenin’i Jesosy Kristy izao izy ireo: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.”—Jaona 18:36.
Nandroso hevitra koa izy ireo fa tokony hifandray Matio 6:9, 10.
i Roma sy ny Fivavahana Kristianina. Miara-miasa izy ireo, hoy i Méliton, ary manampy ny fanjakana ny fivavahana. Nilaza ny mpanoratra Ny Epistilin’i Diognète (anglisy) fa tena ilaina mba ‘hampiray an’izao tontolo izao’ ny Kristianina. Nanoratra koa i Tertullien fa nangata-pitahiana ho an’ny fanjakana ny Kristianina ary nivavaka mba hihemoran’ny faran’izao tontolo izao. Toa tsy tena nilaina àry ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Lasa filozofia ny “Fivavahana Kristianina”
Nesoin’i Celse filozofa ny Kristianina ka nolazainy fa ‘mpiasa, mpanao kiraro, mpamboly sy mpiompy, ary olona tena tsy mahay sy vendrana.’ Tsy zakan’ireo mpiaro ny finoana intsony izany, ka nanova paikady izy ireo mba ho tian’ny olona. Nampiasainy hiarovana ny “Fivavahana Kristianina” ny fahendren’izao tontolo izao, izay nolavin’izy ireo taloha. Nihevitra ny filozofia ho “tena teolojia”, ohatra, i Clément avy any Aleksandria. Nanda ny filozofian’ny mpanompo sampy i Justin taloha, nefa izy no voalohany nampiasa voambolana sy hevitra fampiasa amin’ny filozofia, rehefa niresaka momba ny finoana “kristianina.” Nihevitra izy fa “tsy mampidi-doza sady mahasoa” ny filozofia.
Izao indray ny tetikady nanomboka teo: Tsy notoherina intsony ny filozofia fa natao izay hiheverana ny finoana kristianina ho filozofia ambony kokoa noho ny an’ny mpanompo sampy. Hoy i Justin: “Mitovy amin’ny an’ny poety sy filozofa hajainareo ihany ny zavatra ampianarinay, saingy ampy sy masina kokoa.” Noravahana filozofia àry ny fampianarana “kristianina”, ka nolazaina fa tokony hekena sy hohajaina noho ny fahelany. Nilaza ireo mpiaro ny finoana fa tranainy kokoa noho ny bokin’ny Grika ny bokin’ny Kristianina, ary niaina talohan’ireo filozofa grika ny mpaminanin’ny Baiboly. Nisy aza nilaza fa naka tahaka an’ireo mpaminany ny filozofa, ary nolazaina fa mpianatr’i Mosesy i Platon.
Novana ny fampianarana kristianina
Lasa nifangaro àry ny Fivavahana Kristianina sy ny filozofian’ny mpanompo sampy. Nampitovina ny andriamanitra grika sy ny olona ao amin’ny Baiboly, ka i Jesosy nolazaina fa i Persée, ary toy ny niforonan’i Jesosy tao an-kibon’i Maria no niforonan’i Persée tao an-kibon’i Danaé reniny, izay virjiny koa, hono.
Jaona 1:1-3, 14-18; Apokalypsy 19:11-13) Azo adika hoe “teny” na “fisainana” ilay teny grika hoe logos. Nanahaka an’ireo filozofa i Justin, ka nampiasa an’ireo hevi-teny ireo, mba hanovana an’ilay fampianarana. Efa nandray an’i Kristy mihitsy, hono, ny Kristianina. Ny olon-drehetra kosa, anisan’izany ny mpanompo sampy, no manana fisainana na logos. Nilaza àry izy fa Kristianina daholo izay mampiasa ny sainy, na dia ireo nilaza na noheverina ho tsy mino an’Andriamanitra aza, toa an-dry Socrate.
Niova be ny fampianarana sasany. Indro misy ohatra: Antsoina hoe “Logos”, izay midika hoe “Teny” na Mpitondra Tenin’Andriamanitra, i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. (Mifamatotra ny hevitra momba an’Andriamanitra sy ny logos, amin’ny filozofia grika. Niezaka mafy ireo mpiaro ny finoana, toa an-dry Tertullien, mba hanazava fa misy ifandraisany i Jesosy sy io logos io. Izany no niandohan’ny finoana ny Andriamanitra telo izay iray. *
Navadik’ireo mpiaro ny finoana koa ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10) Nampifandraisiny tamin’izao fampianaran’i Platon izao io fampianarana io: Misy fanahy manohy miaina aorian’ny fahafatesana. Nanizingizina aza i Minucius Félix fa ny fampianaran’i Pythagore momba ny fifindran’ny fanahy ho ao amin’ny vatana hafa no niandohan’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty. Tena nahatonga an’ireo mpiaro ny finoana hiala tanteraka tamin’ny fampianaran’ny Baiboly ny filozofia grika!
Tsy nety ilay safidy
Nisy mpiaro ny finoana efa nahafantapantatra fa mety hosimban’ny filozofia ny finoana kristianina. Nanakiana ny filozofa izy ireo, nefa tia ny fomba fanazavan’izy ireo hevitra. Nolazain’i Tatien, ohatra, fa tsy misy zavatra tsara vitan’ny filozofa, nefa nantsoiny hoe “filozofianay” ny Fivavahana Kristianina ary nanao filozofia izy. Nisy vokany teo amin’ny finoana kristianina ny filozofian’ny mpanompo sampy, ary nanakiana mafy an’izany i Tertullien. Nilaza anefa izy fa te hanara-dia an’i “Justin, filozofa sady maritiora, sy Miltiade, filozofan’ny fiangonana”, ary ny hafa. Nilaza koa i Athénagore fa “filozofa kristianin’i Atena” izy. Voalaza koa fa nihevitra i Clément hoe “azon’ny Kristianina hikatsahana fahendrena sy hiarovana ny finoana ny filozofia.”
Na nahavita niaro ny finoany izy ireny na tsia, dia nanao fahadisoana goavana. Nahoana? Nampahatsiahy an’ireo Kristianina ny apostoly Paoly fa “ny tenin’Andriamanitra” no fitaovam-piadiana ara-panahy matanjaka indrindra ananantsika, noho izy io “velona sy mahery.” Nilaza i Paoly fa afaka “mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra” isika, noho izy io.—Hebreo 4:12; 2 Korintianina 10:4, 5; Efesianina 6:17.
Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, ny alina talohan’ny namonoana azy: “Mahereza! Izaho Jaona 16:33) Tsy nahavita nanozongozona ny finoany sy ny tsy fivadihany tamin’ny Rainy ny fitsapana sy fahoriana niaretany teo amin’izao tontolo izao. Hoy koa i Jaona, ilay apostoly velona farany: “Izao no fandresena efa naharesy an’izao tontolo izao, dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:4) Te hiaro ny finoana kristianina ireo mpiaro ny finoana. Tsy nety anefa ny fomba nanaovany izany, satria lasa nampiasa ny hevitra sy filozofian’ity tontolo ity izy ireo ka voatarik’izany. Nanaiky ho resin’izao tontolo izao àry izy ireo, ary tsy hita intsony ny maha Kristianina azy. Tsy nahavita nanohana sy niaro ny tena finoana kristianina ireo mpiaro ny finoana tao amin’ireo fiangonana tany am-boalohany. Nety ho tsy tandrintandriny akory fa efa nahafandrika azy ireo i Satana, izay “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.”—2 Korintianina 11:14.
efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Tena manahaka azy ireo ny mpitondra fivavahana sy teolojianina ankehitriny. Tsy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hiarovana ny tena fampianarana kristianina izy ireo, fa mampandefitra ny Baiboly, ka mampiasa ny filozofian’ity tontolo ity, mba ho tian’ny vahoaka sy ny manam-pahefana. Tsy mampitandrina izy ireo hoe mampidi-doza ireo fanao tsy ara-baiboly fahita eo amin’izao tontolo izao. Miezaka kosa izy ireo hampianatra zavatra ‘mahafinaritra ny sofin’ny olona’, mba hahazoana mpiangona. (2 Timoty 4:3) Mampalahelo fa nanahaka an’ireo mpiaro ny finoana taloha izy ireo, ka tsy niraharaha an’ity fampitandreman’ny apostoly ity: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” Ampahatsiahivina koa isika fa “araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.”—Kolosianina 2:8; 2 Korintianina 11:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Teo koa ry Quadratus, Aristide, Tatien, Apollinaris, Athénagore, Théophile, Méliton, Minucius Félix, sy ny mpanoratra hafa tsy dia malaza. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2003, pejy 27-29, sy 15 Martsa 1996, pejy 28-30.
^ Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002, pejy 29-31, raha mila fanazavana fanampiny.
[Teny notsongaina, pejy 31]
“Mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra” isika. —2 KORINTIANINA 10:5
[Sary, pejy 28]
“Tsy mampidi-doza sady mahasoa” ny filozofia, hoy i Justin
[Sary, pejy 29]
Nihevitra ny filozofia ho “tena teolojia” i Clément
[Sary, pejy 29]
Anisan’ny nahatonga ny foto-pinoana momba ny Andriamanitra telo izay iray ny filozofian’i Tertullien
[Sary, pejy 29]
Nantsoin’i Tatien hoe “filozofianay” ny Fivavahana Kristianina
[Sary, pejy 30]
Nanahaka an’ireo mpiaro ny finoana ny mpitondra fivavahana sy teolojianina ankehitriny
[Sary, pejy 31]
Nampitandrina momba ny filozofia sy ny famitahan’ny olombelona ny apostoly Paoly
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Clément: Historical Pictures Service; Tertullien: © Bibliothèque nationale de France