Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niova ve ny Fiheverantsika ny Ota?

Niova ve ny Fiheverantsika ny Ota?

Niova ve ny Fiheverantsika ny Ota?

VAO tsy ela izay, dia mahazatra ny mpiangona ny mandre mpitoriteny mafana fo miresaka momba ny “fahotana mahafaty fito”, dia ny filan-dratsy, hatendan-kanina, fierenana, hakamoana, hatezerana, fitsiriritana, ary fireharehana. Lazainy ny sazy vokatry ny ota ary ampirisihiny hibebaka ny mpiangona. Hoy anefa ny mpanoratra iray: “Mifantoka amin’izay ‘mahafinaritra’ ny mpihaino izao ny toriteny, fa tsy amin’ny tena zava-misy momba ny ota, izay tsy tena be mpitia.”

Voamariky ny mpanoratra an-gazety koa izany fiovana izany. Mariho, ohatra, izay nolazain’ny sasany:

▪ “Tsy be mpitia intsony ireo fanazavana fahiny momba ny ota sy ny fibebahana ary ny fanavotana, fa nosoloana teny manambitamby mahatonga ny olona hihevi-tena ho ambony sy ho tia tena.”—Kintana Fanilo (anglisy), Ashtabula, Ohio.

▪ “Hoatran’ny tsy mampaninona ny olona intsony ny hoe manota.”—Herinandrom-baovao (anglisy).

▪ “Tsy manontany intsony isika hoe: ‘Inona no takin’Andriamanitra amiko?’, fa lasa hoe: ‘Inona no azon’Andriamanitra omena ahy?’ ”—Fotoan’ny Masoandro any Chicago (anglisy).

Samy manana ny heviny sy milefitra loatra ny olona, ary tsy dia sahy mamaritra izay tsara sy ratsy. Tsy fahalalam-pomba, hono, izany. Toa ny mitsara ny hafa indray no tena fahotana. Lasa toy izao ny fisainan’ny olona: ‘Mety hety aminao izay inoanao, nefa aza terena hitovy saina aminao ny hafa. Samy mandamina ny fiainany arakaraka izay heveriny fa tsara ny olona ankehitriny. Samy afaka mamaritra izay tsara sy ratsy aminy ny tsirairay, ary samy mety izay ataony.’

Izany fomba fisaina izany no nanova ny fiheveran’ny olona ny fahotana. Tsy tena manan-danja intsony ny hoe “ota”, ary lasa ampiasain’ny maro ho fampihomehezana. Tsy heverina ho fahotana lehibe intsony ny fanaovana tokantranomaso sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.

Hita àry fa niova ny zavatra eken’ny olona ho “ara-dalàna” sy izay heveriny ho “fahotana.” Inona no nahatonga izany? Ahoana izao no fiheveran’ny olona ny ota? Mety foana ve izay heverinao momba ny ota?