Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kintana sy ny Fanandroana

Ny Kintana sy ny Fanandroana

Ny Kintana sy ny Fanandroana

TOY ny lamba volory mainty ny lanitra amin’ny alina tsy semban-drahona, ary toy ny diamondra kely maro be mamirapiratra ny kintana. Goavam-be anefa ny kintana, ary mifanalavitra be amin’ny tany. Vao 350 taona teo ho eo izay ny olombelona vao nahalala an’izany, ary izao vao manomboka fantatra ireo hery lehibe miasa manerana izao rehetra izao.

Efa hatry ny ela ny olona no nahita fa tsy misy diso ny fihetsehan’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, amin’ny alina. Hitan’izy ireo koa fa miovaova araka ny fizaran-taona ny toerana misy azy ireny. (Genesisy 1:14) Maro no mitovy fihetseham-po amin’i Davida, mpanjakan’ny Israely, izay nilaza toy izao 3 000 taona lasa izay: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?”—Salamo 8:3, 4.

Misy vokany eo amin’ny fiainantsika anefa ireny zavatra eny amin’ny lanitra ireny sy ny fihetsehany, na tsapantsika izany na tsia. Eritrereto ny masoandro izay ihodinkodinan’ny tany. Izy io no mamaritra ny halavan’ny andro sy ny taona, izay tena fampiasantsika rehefa manisa fotoana. Ny volana indray natao hamaritana fizaran-taona. Ary ahoana ny kintana? Azo antoka ny fipetraky ny kintana, ka manampy ny tantsambo sy mpanamory fiaramanidina ary mpitondra sambon-danitra hahita ny lalany. Misy mihevitra àry fa tsy natao hahafantarana fotoana sy fizaran-taona fotsiny ny kintana, na natao mba hahatonga antsika hitolagaga amin’ny zavaboary nataon’Andriamanitra. Mihevitra izy ireo fa manampy antsika hahafantatra ny hoavy koa ny kintana, na mampitandrina amin’ny loza. Marina tokoa ve izany?

Ny niandohan’ny fanandroana

Efa ela ny olona no nandinika ny lanitra, mba hahitana fambara hanampy azy hitondra ny fiainany. Tany Mezopotamia no niandohan’izany, angamba tamin’ny taona 3000 T.K. tany ho any. Nandinika tsara ny lanitra ireo mpanandro voalohany. Nanao sary mampiseho ny fivezivezen’ireo zavatra eny amin’ny lanitra izy ireo, nanoratra ny toeran’ny kintana, namorona kalandrie, ary naminavina ny fotoana hisian’ny fanakona-masoandro. Avy amin’izany no niandohan’ny siansa atao hoe astronomia, izay mandinika ny any ambony tsy taka-maso any. Tsy ny herin’ny masoandro sy ny volana eo amin’ny tontolo iainana ihany anefa no dinihin’ny mpanandro. Manizingizina izy ireo hoe misy heriny amin’ny zava-dehibe mitranga etỳ an-tany ny toerana sy ny filaharan’ny masoandro, volana, planeta, kintana, ary antokon-kintana. Misy vokany amin’ny fiainan’ny olona tsirairay koa, hono, izany. Ahoana izany?

Mandinika ny zavatra eny amin’ny lanitra ny mpanandro sasany, mba hamantarana ny hoavy na ny loza mety hitranga. Afaka manao zavatra mifanaraka amin’izany avy eo izay olona voakasika. Misy koa mino hoe manampy ny olona ny fanandroana hahafantatra hoe inona no zavatra efa voalahatra hataony, na rahoviana ny fotoana tsara hanaovana zavatra iray. Ireto avy no dinihiny amin’izany: Ny filaharan’ny zavatra eny amin’ny lanitra, ny fifandraisana misy eo amin’izy ireny, ary ny herin’izy ireo amin’ny tany. Miankina amin’ny toeran’izy ireny amin’ny andro ahaterahan’ny olona iray, hono, ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainan’ilay olona.

Nihevitra ny mpanandro voalohany hoe eo afovoan’izao rehetra izao ny tany. Misy faribolana maro sosona mihodidina azy io, ka voahidy eo anelanelan’ireny ny planeta sy ny kintana. Nihevitra koa izy ireo hoe mandeha manavatsava ny kintana sy antokon-kintana ny masoandro isan-taona, ary efa misy lalana arahiny. Nozarain’izy ireo 12 io lalana io, ary izay anaran’ny antokon-kintana ao amin’ny fizarana tsirairay no nataony anaran’ilay fizarana. Lasa nisy àry ny hoe antokon-kintana 12 fijerena tononandro. Noheverina ho fonenan’ny andriamanitra iray avy ny fizarana tsirairay, ary nantsoina hoe “trano eny amin’ny lanitra.” Tsy nekena ho siansa intsony ny fanandroana tatỳ aoriana, satria voaporofon’ny mpahay siansa fa tsy ny masoandro no mihodidina ny tany, fa ny tany no mihodidina ny masoandro.

Avy any Mezopotamia ny fanandroana no niely. Saika nahitana azy io àry ny firenena lehibe rehetra, fa amin’ny endriny samy hafa fotsiny. Niely tany Ejipta sy Gresy ary Inde ny fanandroana, taorian’ny nandresen’ny Persianina an’i Babylona. Nisy misionera bodista avy any Inde nampiely ny fanandroana tany Azia Afovoany, Chine, Tibet, Japon, ary Azia Atsimoatsinanana. Tsy fantatra hoe ahoana no nahatongavan’izy io tany amin’ireo Maya, fa ny fantatra dia hoe be mpanandro tany, ary toy ny an’ny Babylonianina ny fomba fanandroany. Ary avy aiza ny fomba fanandroana ankehitriny? Toa tany Ejipta no niandohan’izy io, tamin’ny fotoana nanjakan’ny kolontsaina grika. Nisy heriny lehibe tamin’ny fomba fisainan’ny olona sasany tao amin’ny fivavahana jiosy sy silamo ary kristianina izany.

Na ny firenen’Israely aza voataona hanao izany. Efa nisy mpanandro teo amin’izy ireo, talohan’ny naha babo azy ireo tany Babylona tamin’ny taona 607 T.K. Milaza ny Baiboly fa niezaka i Josia, mpanjaka tsy nivadika, mba hanafoana ny fanaovana sorona ‘ho an’ny masoandro, volana, antokon-kintana fijerena tononandro, ary izay rehetra eny amin’ny lanitra.’—2 Mpanjaka 23:5.

Iza no tena nahatonga ny fanandroana?

Ratsy fototra ny fanandroana. Tsy marina ny hevitr’ireo mpanandro voalohany momba ny firafitr’izao rehetra izao sy ny fomba fiasany. Tsy avy amin’Andriamanitra àry ny fanandroana. Avy amin’ny hevi-diso izy io, ka tsy afaka hilaza ny marina momba ny hoavy. Mampiseho izany ireto ohatra ireto.

Nanonofy i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, indray mandeha. Tsy hain’ireo mpisorona sy mpanandro anefa ny hevitr’ilay nofy. Nahoana? Hoy i Daniela, mpaminanin’ilay tena Andriamanitra: “Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy misy olona mahalaza azy, na ny olon-kendry, na ny mpila hevitra amin’ny maty, na ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina na ny mpanandro. Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, izay Mpampiharihary zava-miafina. Izy no mampahafantatra amin’i Nebokadnezara Mpanjaka ny zavatra hitranga any am-parany.” (Daniela 2:27, 28) Nilaza ny tena hevitr’ilay nofy i Daniela. Tsy nandinika ny masoandro, na ny volana, na ny kintana anefa izy, fa niantehitra tamin’i Jehovah, izay “Mpampiharihary zava-miafina.”—Daniela 2:36-45.

Niantehitra tamin’ny fanandroana koa ny Maya, ary nanao kajy hentitra tsara tamin’izany. Tsy niaro azy ireo anefa izany. Tsy nisy intsony ny firenena maya nanomboka tamin’ny taona 800 tany ho any. Hita amin’ireo ohatra ireo fa fitaka fotsiny ny fanandroana. Tsy afaka milaza ny marina momba ny hoavy izy io. Hitantsika koa ny tena kendren’izy io: Rehefa miantehitra amin’ny fanandroana ny olona, dia tsy hitodika any amin’Andriamanitra mba hahafantarana ny marina momba ny hoavy.

Koa satria avy amin’ny hevi-diso ny fanandroana, dia tsy sarotra ny mamantatra hoe iza no ao ambadik’izy io. Hoy i Jesosy momba an’i Satana Devoly: ‘Tsy nifikitra tamin’ny marina izy, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.’ (Jaona 8:44) Miseho ho toy ny “anjelin’ny mazava” i Satana, ary miseho ho toy ny “mpanompon’ny fahamarinana” ny demonia. Mpamitaka anefa izy ireo, ary ny hahavoafandrika ny olona no tena tadiaviny. (2 Korintianina 11:14, 15) Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa anisan’ny “asan’i Satana” ny “fahagagana” sy “famantarana” ary “fambara mandainga.”—2 Tesalonianina 2:9.

Nahoana izy io no tokony hohalavirina?

Hevi-diso no niandohan’ny fanandroana, ka halan’i Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana, izy io. (Salamo 31:5) Asehon’ny Baiboly àry fa tena ratsy ny fanandroana. Mampitandrina ny olona koa izy io mba tsy hitsabatsabaka amin’izany mihitsy. Hoy Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 18:10-12: ‘Aoka tsy hisy olona mitady fambara eo aminao, na mpilalao ody, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’

Mety ho lasa eo ambany fahefan’ny mpivarotra rongony ny olona iray, raha manandranandrana rongony. Mety ho lasa eo ambany fahefan’i Satana sy ny demonia koa ny olona mitsabatsabaka amin’ny fanandroana. Izy ireo mantsy no hery ao ambadiky ny fanandroana, ary tena mahay mamitaka i Satana. Tokony hanalavitra tanteraka ny fanandroana àry ny olona tia an’Andriamanitra sy tia ny fahamarinana, ary hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.”—Amosa 5:15.

Be mpitia ny fanandroana, satria te hahalala ny hoavy ny olona. Kanefa, afaka hahalala ny hoavy ve isika? Milaza ny Baiboly fa tsy afaka mahalala izay hitranga amintsika rahampitso, na afaka iray volana, na herintaona isika. (Jakoba 4:14) Voalaza ao amin’ny ambangovangony kosa anefa izay hitranga tsy ho ela amin’ny olombelona. Voalaza ao koa fa kely sisa dia ho tonga ilay Fanjakana angatahintsika ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) Milaza koa ny Baiboly fa tsy ho ela dia hifarana ny fijaliana. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4) Tsy mandahatra ny fiainan’ny olona Andriamanitra. Manasa ny olona any amin’ny firenena rehetra kosa izy mba hianatra momba azy sy izay hataony mba hahasoa antsika. Milaza ny Baiboly fa sitrapon’Andriamanitra “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:4.

Tsy natao hifehy ny fiainantsika ny lanitra mahatalanjona sy ny zava-drehetra eo aminy. Mampiseho ny herin’i Jehovah sy ny maha Andriamanitra azy izy ireny. (Romanina 1:20) Manampy antsika izany mba tsy hino hevi-diso, fa hitodika amin’Andriamanitra sy ny Teniny mba hahazoana tari-dalana azo antoka hahombiazana eo amin’ny fiainana. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Niantehitra be tamin’ny fanandroana ny Maya

[Teny notsongaina, pejy 20]

‘Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, izay Mpampiharihary zava-miafina. Izy no mampahafantatra ny zavatra hitranga any am-parany’

[Teny notsongaina, pejy 20]

Tsy niaro ny firenena maya tsy hanjavona ny fanaovana kajy hentitra tsara tamin’ny fanandroana

[Sary, pejy 19]

El caracol, trano fandinihana ny any ambony tsy taka-maso, any chichén itzá, meksika, taona 750-900

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Pejy 18 sy 19, avy any ankavia miankavanana: Kintana: NASA, ESA, and A. Nota (STScI); kalandrien’ny Maya: © Lynx/Iconotec com/age fotostock; Maya iray, manam-pahaizana momba ny kintana: © Albert J. Copley/age fotostock; Trano fandinihana ny any ambony tsy taka-maso an’ny Maya: El Caracol (The Great Conch) (photo), Mayan/Chichen Itza, Yucatan, Mexico/Giraudon/The Bridgeman Art Library