Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Nanoratra ny Tantaran’i Jesosy

Olona Nanoratra ny Tantaran’i Jesosy

Ampianaro ny Zanakao

Olona Nanoratra ny Tantaran’i Jesosy

TIANAO ve ny mamaky ny tantaran’i Jesosy?... * Gaga ny olona sasany satria tsy misy boky nosoratany mihitsy ao amin’ny Baiboly. Hita ao anefa ny tantarany sy ny zavatra nampianariny. Olona valo no nanoratra izany, ary velona tamin’ny andron’i Jesosy izy ireo. Fantatrao ve ry zareo?... I Matio, Marka, Lioka, Jaona, Petera, Jakoba, Joda, ary Paoly. Inona no fantatrao momba azy ireo?...

Mpanoratra telo aloha no horesahintsika. Anisan’ny apostolin’i Jesosy 12 izy ireo. Fantatrao ve ny anarany?... I Petera sy Jaona ary Matio. Nanoratra taratasy roa ho an’ny Kristianina i Petera. Noresahiny tao ny zavatra sasany nataon’i Jesosy sy nolazainy. Jereo, ohatra, ny 2 Petera 1:16-18. Tantarain’i Petera ao fa nandre an’i Jehovah Andriamanitra niresaka tamin’i Jesosy izy.—Matio 17:5.

Nanoratra boky dimy ny apostoly Jaona. Rehefa niara-nisakafo farany tamin’ny mpianatra i Jesosy, dia teo akaikiny izy. Nahita ny nahafatesan’i Jesosy koa izy. (Jaona 13:23-26; 19:26) Anisan’ny nanoratra ny Filazantsara, izay boky mitantara ny fiainan’i Jesosy, i Jaona. Izy koa no nanoratra ireo taratasy telo mitondra ny anarany, sy ny Apokalypsy, izay miresaka ny zavatra nampahafantarin’i Jesosy azy. (Apokalypsy 1:1) I Matio ilay mpanoratra fahatelo. Mpamory hetra izy tamin’ny mbola tsy apostoly.

Tsy mitovy amin’ireo rehetra ireo kosa ny mpanoratra roa hafa, satria iray tam-po amin’i Jesosy. (Matio 13:55) Tsy mpianatr’i Jesosy izy ireo tamin’ny voalohany. Nihevitra mihitsy aza ry zareo fa adaladala i Jesosy satria nazoto nitory. (Marka 3:21) Iza avy izy ireo?... I Jakoba ny iray. Izy no nanoratra ny bokin’i Jakoba. I Jodasy kosa ny iray, izay antsoina koa hoe Joda. Izy no nanoratra ny bokin’i Joda.—Joda 1.

Nanoratra momba an’i Jesosy koa i Marka sy Lioka. Nanana trano malalaka tany Jerosalema i Maria renin’i Marka. Tao no nivory ny Kristianina voalohany, anisan’izany ny apostoly Petera. (Asan’ny Apostoly 12:11, 12) Toa nanaraka an’i Jesosy sy ny apostoliny tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Marka, taona maro talohan’io. Vao avy niara-nankalaza farany ny Paska ry Jesosy tamin’izay. Nosamborin’ny miaramila i Marka tao Getsemane, saingy afa-nandositra ary navelany ny akanjony.—Marka 14:51, 52.

Dokotera nahay i Lioka. Efa maty angamba i Jesosy vao lasa mpianany izy. Nanadihady ny fiainan’i Jesosy izy, ary nanoratra izany. Nazava sy marina tsara ny fitantarany. Nanao dia lavitra niaraka tamin’i Paoly koa izy, ary nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.—Lioka 1:1-3; Asan’ny Apostoly 1:1.

I Paoly no olona fahavalo nanoratra ny tantaran’i Jesosy. Mpianatr’ilay mpahay lalàna malaza atao hoe Gamaliela izy, ary nantsoina hoe Saoly. Mpianatry ny Fariseo koa izy, ka nankahala ny mpianatr’i Jesosy ary nampamono azy ireo. (Asan’ny Apostoly 7:58–8:3; 22:1-5; 26:4, 5) Fantatrao ve hoe ahoana no nahalalany ny marina momba an’i Jesosy?...

Ho any Damaskosy izy, indray andro, mba hisambotra ny mpianatr’i Jesosy. Teny an-dalana anefa, dia nisy hazavana be tampoka avy tany an-danitra, ka lasa tsy nahita izy. Injay nisy feo nanao hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?” Feon’i Jesosy ilay izy. Nirahiny ho any Damaskosy i Paoly, ary nasainy notsidihin’i Ananiasy. Lasa mpianatr’i Jesosy i Paoly avy eo. (Asan’ny Apostoly 9:1-18) Nanoratra boky 14 izy, manomboka eo amin’ny Romanina ka hatramin’ny Hebreo.

Efa mamaky ny tantaran’i Jesosy ao amin’ny Baiboly ve ianao, sa misy olona mamaky izany ho anao?... Raha manao izany ianao dieny izao mbola kely izao, dia ho tsapanao rehefa lehibe fa anisan’ny zavatra tsara indrindra nataonao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.

FANONTANIANA:

▪ Iza avy ireo apostoly nanoratra Baiboly?

▪ Iza ireo mpanoratra Baiboly iray tam-po amin’i Jesosy?

▪ Nahafantatra an’i Jesosy angamba i Marka, fa i Lioka kosa toa tsy nahalala azy. Nahoana?

▪ Ahoana no nahatonga an’i Paoly ho mpianatr’i Jesosy?

[Sary, pejy 25]

Joda

Marka

Petera

Matio

Paoly

Jakoba

Lioka

Jaona