Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Manao ny Marina ve Aho?

Tena Manao ny Marina ve Aho?

Tena Manao ny Marina ve Aho?

“Ovao kely fotsiny ny filazalazana momba an’ilay loza e!”

“Tsy voatery ho fantatry ny mpitaky hetra ny zava-drehetra.”

“Atao fotsiny izay tsy hahatratrarana anao.”

“Tsy voatery handoa vola ange vao mahazo e!”

METY hiteny toy izany ny olona rehefa misy resa-bola. Toa mahita “hevitra” foana ny olona sasany. Tena manao ny marina ve anefa izy ireny?

Tena betsaka ankehitriny ny olona tsy manao ny marina, ka matetika no tsy mampaninona ny olona ny mandainga sy mifraody ary mangalatra, mba tsy hahavoasazy azy na hahazoany vola na hahombiazany. Matetika no tsy manao ny marina ny olona ambony. Tafakatra 85 isan-jato mahery, ohatra, ny raharaha nahitana hosoka sy fanodikodinam-bola, tamin’ny 2005 sy 2006, tany amin’ny tany iray any Eoropa. Mbola tsy tafiditra amin’izany aza ny fanaovana ny tsy marina madinidinika izay antsoin’ny sasany hoe “fahotana madinika.” Tsy tena mahagaga àry raha misy mpandraharaha sy mpanao politika any amin’io tany io, voarohirohy amin’ny fampiasana diplaoma sandoka satria te hahazo asa tsara kokoa.

Miely patrana ny tsy fanaovana ny marina, nefa olona maro no te hanao ny marina. Mety ho anisan’izany ianao. Te hanao ny tsara eo imason’Andriamanitra angamba ianao satria tia azy. (1 Jaona 5:3) Mety haniry hanahaka ny apostoly Paoly ianao. Hoy izy: ‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.’ (Hebreo 13:18) Asainay àry ianao handinika toe-javatra sasany mety hahatonga ny olona iray tsy “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.” Handinika toro lalan’ny Baiboly afaka manampy amin’izany isika.

Iza no tokony hiantoka ny simba rehefa misy loza?

Nifandona tamin’ny fiara iray ny fiara nentin’i Liza, * tovovavy iray, ary izy no diso. Tsy nisy ny naratra, saingy samy simba ireo fiara. Mandoa vola be any amin’ny trano fiantohana ny mpamily tanora kokoa, any amin-dry zareo. Miakatra izany isaky ny manao lozam-piarakodia izy. Niaraka tamin’i Liza i Gregor, zokiny lahy, tamin’io fotoana io. Nampirisihin’ny namany àry izy ireo mba hanoratra ao amin’ny tatitra hoe i Gregor no nitondra ny fiara. Tsy handoa vola be i Liza amin’izay. Hoatran’ny mety ilay hevitra, nefa inona no tokony hataon’i Liza?

Ny vola aloan’ny mpanjifa any amin’ny trano fiantohana ihany no hanonerana ny simba, rehefa misy loza. Ahoana àry raha manaraka ny tenin’ilay namany i Liza? Manao tatitra tsy marina izy sady mangalatra amin’ny hafa, satria manery ny mpanjifa hafa handoa vola bebe kokoa mba hanonerana ny simba amin’ny fiarany. Mitovy amin’izany koa ny fanaovana tatitra tsy marina mba hampitomboana ny vola fanonerana avy amin’ny fiantohana.

Misy olona tsy sahy manao ny tsy marina satria matahotra mafy ny ho voasazy. Resahin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny antony lehibe kokoa hanaovana ny marina. Hoy ny iray amin’ny Didy Folo: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15) Namerina an’io didy io ny apostoly Paoly, ka nilaza tamin’ny Kristianina hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony.” (Efesianina 4:28) Tsy hanao zavatra melohin’Andriamanitra ianao raha mankatò ny Teniny, anisan’izany ny eo amin’ny resaka fiantohana. Asehonao koa fa tia sady manaja ny lalàn’Andriamanitra sy ny mpiara-monina ianao.—Salamo 119:97.

“Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara”

Mpandraharaha i Peter. Afaka mangataka fampihenan-ketra izy raha mividy kojakojan’ordinatera lafo be, ary ara-dalàna raha mividy an’izany izy, noho ilay asany. Tsy nividy anefa izy, saingy nampirisika azy hanao an’ilay fangatahana ihany ny mpitana kaontiny. Mety tsy hanadihady an’i Peter ny fanjakana, ary hihena be ny hetra haloany, raha manao izany izy. Inona no tokony hataony? Inona no hanampy azy hanapa-kevitra?

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina tamin’ny androny: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ... Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba.” (Romanina 13:1, 7) Mandoa ny hetra rehetra takin’ny manam-pahefana ny olona te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Tsy misy maharatsy ny mangataka fampihenan-ketra anefa, raha mamela ny hanaovana izany ny lalàna ao amin’ny tany iray ary mahafeno ny fepetra amin’izany ilay olona.

Diniho indray izao: Mpandrafitra ao amin’ny orinasa iray i David. Nasain’ny namany sy ny iray tanàna aminy handrafitra fitoeran’entana sy fanaka izy, ary nataony taorian’ny ora fiasany izany. Nilaza izy ireo fa hataony lafo kokoa ny karaman’i David, ary tsy hangataka faktiora izy ireo. Tsy fantatry ny fanjakana àry izany ka tsy voatery handoa hetra amin’izany i David. Olona maro no tonga dia hanaiky raha teo amin’ny toerany. Te hampifaly an’Andriamanitra anefa izy. Ahoana àry no tokony ho fiheverany ny asa tsy ampahafantarina ny fanjakana?

Tsy mandoa ny hetra tokony haloany amin’ny fanjakana ny olona manao toy izany, na dia mety tsy ho tratra aza. Nandidy i Jesosy hoe: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:17-21) Nilaza izany izy mba hanitsiana ny fiheveran’ny mpihaino azy momba ny fandoavan-ketra. Mihevitra ny mpitondra fanjakana, izay nantsoin’i Jesosy hoe Kaisara, fa zony ny mitaky hetra. Eken’ny mpanara-dia an’i Kristy àry hoe takin’ny Soratra Masina ny handoavana ny hetra rehetra.

Mifraody

Miomana hanala ny fanadinana farany eny amin’ny lise i Marta. Nandany ora maro hianarana izy, satria te hahazo naoty tsara, mba hahazoana asa tsara. Nanomana fanadinana koa ny iray kilasy taminy sasany, saingy tamin’ny fomba hafa. Hifraody izy ireo ka hampiasa finday sy fitaovana elektronika hafa. Tokony hanao toy ny “besinimaro” ve i Marta, mba hahazoana naoty tsara?

Fanao mahazatra ny mifraody ka tsy mampaninona ny maro. Mieritreritra izy ireo hoe: “Atao fotsiny izay tsy hahatratrarana anao.” Tsy mety amin’ny tena Kristianina anefa izany fomba fihevitra izany. Misy mahita ireo mifraody, na dia mety tsy ho hitan’ny mpampianatra aza. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra izay ataontsika ary mbola hataony ampamoaka isika. Hoy i Paoly: “Tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Mahaliana an’i Jehovah ny mijery antsika manao ny marina. Tsy mandrisika antsika hanao ny marina ve izany rehefa manala fanadinana isika?

Inona no hataonao?

Tsy nanamaivana ny zavatra nitranga taminy i Liza, Gregor, Peter, David, ary Marta. Nanapa-kevitra ny hanao ny marina izy ireo, ka nadio foana ny eritreriny ary tsy niala tamin’ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo. Inona no hataonao raha sendra toe-javatra toy ny azy ireo?

Tsy mampaninona an’ireo mpiara-miasa na mpiara-mianatra na mpiray tanàna aminao angamba ny mandainga na mifraody na mangalatra. Mety hotereny an-kolaka hanao ny tsy marina toa azy ianao ka hesoiny. Inona àry no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

Tadidio fa hadio ny eritreritsika ary hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, raha manao ny sitrapony. Hoy i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô, iza no hivahiny ao an-tranolainao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny sy manao ny marina ary milaza ny marina ao am-pony. ... Tsy hangozohozo mihitsy izay manao izany rehetra izany.” (Salamo 15:1-5) Aleo lavitra eritreritra madio sy fifandraisana tsara amin’ilay Andriamanitra any an-danitra, toy izay tombony azo avy amin’ny fanaovana ny tsy marina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony.”

Handrisika antsika hanao ny marina eo amin’ny resaka fiantohana, ny fanajana ny lalàn’Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-monina

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra.”

Mandoa ny hetra rehetra takin’ny lalàna isika, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra

[Teny notsongaina, pejy 13]

‘Ny zavatra rehetra dia miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.’

Te hanao ny marina eo imason’Andriamanitra isika, na dia mety tsy ho tratra aza rehefa mifraody

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Halatra “Tsy Misy Mahita”

Nividy programan’ordinatera nivoaka farany ny namanao, ary te hanana azy io ianao. Hanaovany kopia, hono, ianao mba tsy ho lany vola. Fanaovana ny tsy marina ve izany?

Manaiky ny fifanarahana momba ny programa iray ny olona mividy programan’ordinatera. Mety ho voalazan’ilay fifanarahana fa ordinatera iray ihany no azo ampidirana sy ampiasana an’ilay programa. Tsy manaja an’ilay fifanarahana àry sady tsy manara-dalàna izay manao kopia an’ilay programa mba ho an’olon-kafa. (Romanina 13:4) Halatra koa izany, satria tsy mahazo ny vola tokony ho azony ny mpamorona an’ilay programa.—Efesianina 4:28.

Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Tsy hisy hahalala ange ilay izy e!’ Tokony hitadidy an’ity tenin’i Jesosy ity anefa isika: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tiantsika hanaja ny zavatra novokarintsika ny hafa sady hanome ny valin-kasasarana mendrika antsika. Izany koa no tokony hataontsika amin’ny hafa. Manaja ny zon’ny mpamorona isika, ka tsy mangalatra na mandika zavatra tsy nahazoan-dalana, na dia “tsy misy mahita” aza. (Eksodosy 22:7-9) Anisan’izany ny mozika, boky, programan’ordinatera, na vita pirinty izany na ao amin’ny fitaovana elektronika. Eo koa ny marika famantarana, ny zo hanamboatra na hivarotra zavatra, ny tsiambaratelo momba ny asa.