Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana i Jesosy no Tsy Nanao Politika?

Nahoana i Jesosy no Tsy Nanao Politika?

Nahoana i Jesosy no Tsy Nanao Politika?

NISY zavatra niavaka tamin’ny taona 32. Hariva ny andro tamin’izay. Efa nalaza be hoe mahay manasitrana ny marary sy manangana ny maty mihitsy i Jesosy, ilay Mesia nampanantenaina. Talanjona ny vahoaka an’arivony tamin’io andro io, nahita ny fahagagana lehibe nataony sy nandre ny fampianarany momba an’Andriamanitra. Efa noana ny olona, ka nasainy nipetraka nitsitokotoko. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ary nanome sakafo ho azy ireo tamin’ny fomba mahagaga. Nasainy nangonina avy eo ny sisa tsy lany mba tsy ho verivery fotsiny. Inona no nataon’ilay vahoaka, taorian’izay?—Jaona 6:1-13.

Hitan’izy ireo fa ho mpanjaka tena tsara i Jesosy satria mahavita fahagagana sady mahay mandamina sy mitarika vahoaka, ary afaka manome izay ilainy. (Jaona 6:14) Tsy mahagaga izany, satria naniry mafy hanana mpitondra mahay izy ireo. Nampahory azy mantsy ny mpanjana-tany. Notereny hiditra tamin’ny fitondrana ara-politika àry i Jesosy. Inona anefa no nataony?

Hoy ny Jaona 6:15: “Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray izy irery.” Nataon’i Jesosy nazava tsara fa tsy hanao politika mihitsy izy. Tsy nanaiky hiditra tamin’ny fitondrana an’ilay firenena izy. Tsy niova mihitsy ny heviny. Nilaza izy fa tokony ho toy izany koa ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:16) Nahoana izy no tsy niditra tamin’ny politika?

Nahoana i Jesosy no tsy te hanao politika?

Hita ao amin’ny Soratra Masina ny antony tsy nanaovan’i Jesosy politika. Misy roa amin’izany ireto:

“Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpitoriteny 8:9) Izany foana no nitranga rehefa olombelona no nitondra. Tadidio fa efa niaina ela be tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Jaona 17:5) Hitany tsara àry fa na ny olona tsara fikasa aza, dia tsy mahavita manome izay ilain’ny vahoaka an-tapitrisany. Tsy noforonina hanao izany ny olona. (Jeremia 10:23) Fantatr’i Jesosy fa tsy ny fitondran’olombelona mihitsy no hamaha ireo olana eto an-tany.

‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Mahavery hevitra anao ve izany? Misy tokoa aloha olona tena tsara fikasa manao politika, satria te hitondra fanovana sy fiadanana. Na miezaka mafy aza anefa izy ireo, dia manan-kery aminy foana i Satana, ilay nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 14:30) Izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ny mpanao politika iray hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Izy no ho Mpanjakan’ilay fitondran’Andriamanitra any an-danitra. Ho nivadika tamin’io fanjakan’ny Rainy io izy, raha nitsabaka tamin’ny politika.

Te hilaza àry ve i Jesosy hoe tsy manana adidy amin’ny fanjakan’olombelona mihitsy ny mpanara-dia azy? Tsia. Natorony kosa fa ilaina ny mandanjalanja ny adidy amin’Andriamanitra sy amin’ny fitondram-panjakana.

Nanaja ny manam-pahefana i Jesosy

Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy indray mandeha. Te hamandrika azy ny fahavalony ka nanontany hoe mety ve ny mandoa hetra. Raha namaly hoe tsia izy, dia toy ny hoe manongam-panjakana sady mampirisika ny olona hikomy. Naniry mafy ho afaka tamin’ny tsindry hazo lena nataon’ny Romanina mantsy ny Jiosy. Raha nilaza hoe eny indray izy, dia hihevitra ny maro fa nankasitraka ny tsy rariny nisy tamin’izany izy. Tena nahay nandanjalanja anefa i Jesosy ka namaly hoe: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Lioka 20:21-25) Manana adidy amin’Andriamanitra sy Kaisara na ny fitondram-panjakana àry ny mpanara-dia azy.

Mba mampisy filaminana kely ihany ny asan’ny fitondram-panjakana. Asainy mankatò lalàna sy manao ny marina ary mandoa hetra, ohatra, ny olona. Nandoa ‘tamin’i Kaisara izay an’i Kaisara’ ve i Jesosy? Eny. Mpankatò lalàna ny ray aman-dreniny, na dia tsy mora foana aza izany. Nanao dia 150 kilaometatra nankany Betlehema, ohatra, i Josefa sy Maria vadiny izay bevohoka, satria nampanao fanisam-bahoaka ny fitondrana romanina. (Lioka 2:1-5) Nankatò lalàna toa azy ireo i Jesosy, ka nandoa hetra na dia tsy voatery hanao izany aza. (Matio 17:24-27) Nanana fahefana koa izy, nefa tsy niditra tamin’ny raharaha tsy ara-pivavahana. (Lioka 12:13, 14) Hita tokoa fa nanaja ny fitondrana izy, na dia nanda tsy ho anisan’izy io aza. Ary inona indray no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe aloavy ‘amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’?

Nanome ho ‘an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ i Jesosy

Nisy nanontany i Jesosy indray mandeha hoe inona no lehibe indrindra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Namaly izy hoe: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” (Matio 22:37-39) Nampianatra i Jesosy fa ny hoe mandoa ‘amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’, dia midika voalohany indrindra hoe tia azy amin’ny fo manontolo, ary tsy mivadika aminy.

Azo zarazaraina ve izany fitiavana izany? Afaka sady tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fanjakany any an-danitra ve isika, nefa koa tsy mivadika amin’ny fitondran’olombelona? Nanome izao toro lalana izao i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny.” (Matio 6:24) Momba ny harena io tenin’i Jesosy io, nefa nampihariny tamin’ny resaka politika koa. Tsy nanao politika koa ireo mpianany tamin’ny taonjato voalohany.

Asehon’ireo boky tranainy be fa tsy nandray anjara tamin’ny politika mihitsy ireo Kristianina fahiny. Nivavaka tamin’ny fony manontolo tamin’ilay Andriamanitr’i Kristy izy ireo, ka tapa-kevitra ny tsy hiandany tamin’i Roma sy ny mpanjakany. Tsy nety nanao miaramila na nitana toerana teo amin’ny fitondrana ry zareo. Nampijalina tamin’ny fomba maro izy ireo vokatr’izany. Niampanga azy ho fahavalon’ny fiaraha-monina ireo mpanohitra. Marina ve izany fiampangana izany?

Tia olona ny tena Kristianina

Nilaza i Jesosy fa ny didy lehibe indrindra faharoa dia hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Mazava àry fa tsy mankahala ny hafa ny tena mpanara-dia an’i Kristy, noho izany tsy fahavalon’ny fiaraha-monina. Tia olona sy nahafoy tena i Jesosy, ary nanampy azy ireo tamin’ny olana nahazo azy sy izay nilainy andavanandro.—Marka 5:25-34; Jaona 2:1-10.

Ahoana anefa no tena nahafantarana an’i Jesosy? Tsy nantsoina hoe Mpanasitrana izy, na Mpanome Sakafo, na Mpanangana ny Maty, na dia samy nataony aza ireo zavatra miavaka ireo. Mpampianatra kosa no niantsoan’ny olona azy, ary marina tokoa izany. (Jaona 1:38; 13:13) Nilaza izy fa ny hampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra no anisan’ny nahatongavany teto an-tany.—Lioka 4:43.

Mampianatra ny olona ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana koa ny tena Kristianina, satria izany no nataon’i Kristy. Baikon’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy rehetra izany, ary tokony hatao maneran-tany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Hanjaka amin’ny zavaboary rehetra io fitondrana any an-danitra io. Tsy ho rava mihitsy izy io ary hampanjaka ny fitiavana. Hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy io, ka hanafoana ny fijaliana sy ny fahafatesana mihitsy. (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4) Tsy mahagaga raha lazain’ny Baiboly hoe “vaovao tsara” ny hafatra nentin’i Kristy!—Lioka 8:1.

Ahoana àry no hamantaranao an’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ankehitriny? Mandray anjara amin’ny politika ve izy ireo? Sa ny fitoriana sy fampianarana momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tena ifantohany, toy izay nataon’i Jesosy?

Tianao ve ny hahafantatra kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny soa horaisinao dieny izao avy amin’izy io? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na jereo ny tranonkala www.watchtower.org na www.pr418.com, ao amin’ny Internet.

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

Manasoa ny Fiaraha-monina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy miditra amin’ny politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena manampy ny mpiara-belona aminy anefa izy ireo, ary tsy manavaka foko na saranga. Ireto misy ohatra:

◼ Mandany ora 1 500 tapitrisa isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa mahery mba hitoriana. Mampianatra Baiboly ny olona izy ireo, ka manampy azy hiala amin’ny fahazaran-dratsy, hanana fianakaviana sambatra, ary hanatsara ny fiainany. An-tsitrapo tanteraka no anaovan’izy ireo izany.

◼ Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 500 mahery izy ireo, ary mizara izany maimaim-poana. Misy fiteny sasany aza tsy manana boky na gazety hafa ankoatra ny avoakan’izy ireo.

◼ Manana sekoly fianarana miteny ampahibemaso izy ireo, ka an-tapitrisany no lasa mahay maneho hevitra sy miresaka mazava tsara.

◼ Manao fandaharana hampianarana ny olona hamaky teny sy hanoratra izy ireo. An’aliny no mandray soa amin’izany eran-tany.

◼ Nanangana Komitim-paritra Momba ny Fanorenana maherin’ny 400 maneran-tany izy ireo, mba hampiofana mpiasa an-tsitrapo hanorina trano fianarana Baiboly antsoina hoe Efitrano Fanjakana. Trano 20 000 no efa vita, tamin’ireo folo taona lasa.

◼ Mandray anjara koa izy ireo amin’ny fanampiana ny tra-boina eran-tany, na Vavolombelona izany na tsia. Nandritra ny roa taona taorian’ireo rivo-doza nifanesy tany Etazonia, ohatra, dia Efitrano Fanjakana maherin’ny 90 sy tranon’olona 5 500 no naorin’ireo mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona.

[Sary, pejy, 23]

Rehefa noteren’ny olona hanao politika i Jesosy, dia niala ka ‘nankany an-tendrombohitra izy irery’