Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Raiso ny Zanakao”

“Raiso ny Zanakao”

Manatòna An’Andriamanitra

“Raiso ny Zanakao”

2 MPANJAKA 4:8-37

ANISAN’NY fahoriana mangidy indrindra ny hoe maty zanaka. Afaka manangana ny havan-tiantsika anefa i Jehovah Andriamanitra. Tamin’ny andron’ny Baiboly mantsy, dia nisy lehilahy vitsivitsy nomeny hery, ka afaka nanangana ny maty. Anisan’izany i Elisa mpaminany, izay nanangana zazalahy iray, araka ny 2 Mpanjaka 4:8-37.

Tany Sonema no nitranga ilay tantara. Tsara fanahy tamin’i Elisa ny vehivavy iray momba sy ny vadiny, ka nampiantrano sy nanome sakafo azy foana. Nankasitrahan’i Elisa izany ka hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Amin’ny fotoana voatondro, amin’ny herintaona toy izao, dia hitrotro zanakalahy ianao.” Tsy nanantena ny hanan-janaka mihitsy izy, nefa nitera-dahy tokoa! Indrisy fa tsy naharitra ny fifaliany. Afaka taona vitsivitsy, dia narary andoha be ilay zaza, ka nentin’ny olona nody avy tany an-tsaha. Maty “teo ampofoan-dreniny” izy avy eo. (Andininy 16, 19, 20) Ory erỳ ny fon’ny reniny. Nampandriny moramora teo amin’ny fandrianan’ilay mpaminany ilay zanany.

Niera tamin’ny vadiny izy, ka lasa haingana nankany amin’i Elisa, tany amin’ny Tendrombohitra Karmela, tokotokony ho 30 kilaometatra niala teo. Rehefa nahita an’ilay mpaminany anefa izy dia tsy nigogogogo na nitaraina mafy, toy ny fanaon’ny olona rehefa maneho alahelo. Tsy fantatsika ny antony. Mety ho henony hoe nanangana ny zanakalahin’ny mpitondratena iray i Elia, ilay nodimbiasan’i Elisa. (1 Mpanjaka 17:17-23) Angamba nino izy hoe afaka manangana ny zanany koa i Elisa. Asa aloha fa tsy nety nody mihitsy izy raha tsy niaraka taminy i Elisa.

Rehefa tonga tany Sonema izy ireo, dia niditra tao amin’ilay efitra fatoriany i Elisa, ary nahita an’ilay zazalahy efa tsy nisy aina intsony “teo am-pandrianany.” (Andininy 32) Nitalaho mafy tamin’i Jehovah àry izy. Nofihininy ilay zaza avy eo, ka ‘nafana tsikelikely ny nofony’, ary nitepo indray ny fony! Nantsoin’i Elisa ny reniny ka hoy izy: “Raiso ny zanakao.” (Andininy 34, 36) Hafaliana tsy omby tratra no nisolo ilay fahoriana teo!

Tena mampionona sy manome fanantenana iny tantara iny! Tsapan’i Jehovah ny alahelon’ireo ray aman-dreny namoy zanaka, ary tsy andriny ny hamerina indray ilay sombin’ny ain’izy ireo. (Joba 14:14, 15) Manome antoka antsika ny fananganana amin’ny maty nataon’i Elisa sy ny olon-kafa, voatantara ao amin’ny Baiboly. Hanao zavatra mihoatra lavitra noho izany mantsy i Jehovah ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. *

Marina fa malahelo foana isika na dia mino aza hoe mbola hitsangana ny havantsika nodimandry. Hoy ny lehilahy kristianina iray, namoy ny zanany tokana: “Tsy ho sitrana tanteraka ny ratram-poko raha tsy velona indray ny zanako lahy ka fihiniko.” Alao sary an-tsaina hoe mihaona indray amin’ny havan-tianao efa nodimandry ianao! Ho maivana kokoa ny alahelonao rehefa mieritreritra ianao hoe hamihina azy indray. Tsy irinao ve ny hianatra bebe kokoa momba an’ilay Andriamanitra nanome izany fanantenana sarobidy izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa momba ny fananganana ny maty ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.