Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nisy havan’i Jesosy ve tamin’ireo apostoly 12?

Tsy milaza an’izany mivantana ny Soratra Masina. Rehefa jerena anefa ny porofo sy izay nolazain’ny olona, dia nisy havan’i Jesosy tamin’ireo apostoly 12.

Nolazain’ireo mpanoratra Filazantsara ny anaran’ireo vehivavy nanatrika ny nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny efatra amin’izy ireo no tononin’ny Jaona 19:25: “[I Maria] reniny, sy ny rahavavin-dreniny, sy Maria vadin’i Klopa ary Maria Magdalena.” Raha ampitahaina amin’ny tenin’i Matio sy Marka izany, dia afaka milaza isika fa i Salome io rahavavin-drenin’i Jesosy io. Ary io Salome io angamba ilay renin’ny zanak’i Zebedio. (Matio 27:55, 56; Marka 15:40) Zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy àry i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio. Nantsoin’i Jesosy izy ireo tamin’ny mbola mpanarato, mba ho lasa mpianany.—Matio 4:21, 22.

Misy milaza fa i Klopa vadin’ilay vehivavy voalazan’ny Jaona 19:25 ihany no Alfeo rain’i Jakoba apostoly. Rahalahin’izy io, hono, i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy. Raha marina izany, dia zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy koa i Jakoba zanak’i Alfeo.—Matio 10:3.

Mpifaninona i Jesosy sy Jaona Mpanao Batisa?

Misy mino fa zanak’olo-mpiray tam-po izy ireo. Tsy mazava tsara mantsy ny fomba nandikan’ny olona sasany ny Lioka 1:36. Resahin’ny Fandikan-teny Katolika, ohatra, fa mpirahavavy i Elizabeta renin’i Jaona, sy Maria renin’i Jesosy.

Tsy tena mivantana anefa ny teny grika nampiasaina tamin’io andininy io. Lazaina fotsiny fa mpihavana izy roa vavy, fa tsy voatery hoe iray tam-po na zanak’olo-mpiray tam-po. Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny (anglisy): “Tsy tena mazava ilay teny, ka tsy azo amaritana ny tena fifandraisan’izy ireo.” Avy aiza àry ilay hevitra hoe zanak’olo-mpiray tam-po i Jesosy sy Jaona? Milaza Ny Rakipahalalana Katolika (anglisy) fa boky tsy mifandray amin’ny Soratra Masina no nakany fanazavana momba ny ray aman-drenin’i Maria.

Mpihavana lavitra àry i Jesosy sy Jaona, fa tsy voatery hoe zanak’olo-mpiray tam-po.