Nahoana ny Olona no Manao Ratsy?
Nahoana ny Olona no Manao Ratsy?
MISY zavatra iray tsy azontsika lavina. Inona izany? Tsy lavorary isika, ka manao fahadisoana na zavatra anenenantsika. Saika isan’andro anefa isika no mandre na mahita olona manao ratsy. Misy aza mahavita heloka bevava mihitsy. Noho izy tsy lavorary fotsiny ve no mahatonga ny olona hanao izany?
Na tsy lavorary aza isika, dia eken’ny ankamaroantsika fa afaka mifehy tena tsy hanao ratsy ny olombelona, ary fantatsika fa misy zavatra tsy tokony hatao mihitsy. Ekentsika koa fa tsy mitovy ny hoe sendra nahateny zavatra diso sy ny hoe minia mandainga, ary samy hafa ny hoe mandratra olona tsy nahy sy ny hoe manao tetika maty paika mba hamonoana olona. Nahoana àry ny olona no manao ratsy? Misy aza olona tsy ampoizinao hahavita zavatra mahatsiravina, nefa dia nahavita izany. Fa nahoana?
Mamaly izany ny Baiboly. Resahiny ny tena antony mahatonga ny olona hinia hanao ratsy. Ireto ny sasany amin’izany:
▪ “Mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.” —MPITORITENY 7:7.
Mafy loatra ny manjo ny olona, indraindray, ka lasa manaonao foana izy. Misy aza mahavita heloka bevava mihitsy, satria izany no heveriny fa vahaolana amin’ny fahasahiranana sy ny tsy rariny. Hoy ny boky Fampihorohoroana An-tanàn-dehibe (anglisy): “Manao asa fampihorohoroana ny olona sasany, satria hitany hoe tsy voavaha mihitsy ny olana ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-tsosialy.”
▪ ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’ —1 TIMOTY 6:10.
“Tsy maharitra ny mena miraviravy” ny olona sasany na dia mpanao ny marina aza. Mahavita manao zava-dratsy izy rehefa tambazana vola. Misy koa toa tsara fanahy ihany isan’andro, nefa lasa ratsy toetra sy lozabe raha vao mitady ho maty antoka na koa mahita hirika hahazoam-bola. Maro ny olona manao heloka bevava, satria lasa tia vola loatra. Maka olona an-keriny, ohatra, izy, na misoloky, na mampihorohoro, na mamono olona mihitsy aza.
▪ “Koa satria tsy tanterahina haingana ny fanamelohana noho ny ratsy natao, dia mikiry manao ratsy ny fon’ny zanak’olombelona.”—MPITORITENY 8:11.
Manao izay tiany ny olona rehefa tsy misy manara-maso. Misy tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana, mifraody, manodinkodina volam-panjakana, na manao zava-dratsy kokoa noho izany. Na ny olona mpanara-dalàna aza dia sahy manao ny tsy fanao, rehefa fantany fa tsy ho tratra izy, na hitany hoe tsy dia mampihatra lalàna ny fanjakana. Hoy ny gazety Fanaporofoan-kevitra sy Zava-misy (rosianina): “Tsy voasazy mihitsy ny jiolahy, ka izany angamba no mahatonga ny olon-tsotra sasany ho sahy hanao zavatra faran’izay mahatsiravina.”
▪ ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.’—JAKOBA 1:14, 15.
Mora mieritreri-dratsy isika rehetra. Imbetsaka isika, isan’andro, no miatrika fakam-panahy na ampirisihin’ny olona hanao ratsy. Hoy ny Baiboly: “Tsy misy fakam-panahy mihatra aminareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” (1 Korintianina 10:13) Afaka misafidy anefa ny tsirairay. Raha esoriny haingana ao an-tsainy ilay eritreri-dratsy, dia tsy hanaonao foana izy. Raha ‘kolokoloiny’ ao an-tsaina kosa izany, dia hahavita zava-dratsy izy, araka ny tenin’i Jakoba.
▪ “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Mahavita mitarika ny olona hanao ny tsara na hanao ny ratsy ny olona ifaneraserany. Manao zavatra tsy noeritreretiny akory ny olona sasany, satria noteren’ny hafa, na tafaraka tamin’ny naman-dratsy. Mijinja ny vokany izy avy eo. Tsy ny olona vendrambendrana no antsoin’ny Baiboly hoe “tsisy saina”, fa ny olona tsy miraharaha ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mila mifidy tsara ny namantsika sy ny olona ifaneraserantsika isika, na antitra na tanora, ary mila manaraka ny toro lalan’ny Baiboly rehefa manao izany. Tsy “hahita loza” isika amin’izay.
Hazavaina tsara ao amin’ny Baiboly àry hoe nahoana no misy olona mahavita zava-dratsy na zavatra mahatsiravina mihitsy aza, nefa olon-tsotra ny sasany aminy. Tsara aloha ny mahafantatra an’izany, nefa mety hieritreritra isika hoe: ‘Mbola hifarana ve ny faharatsiana indray andro any?’ Hifarana tokoa izy io, araka ny ampanantenain’ny Baiboly. Inona marina no voalaza ao? Tena hitranga ve izay ampanantenainy? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.