Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?

HOY i Mandresy: “Olona maro ao am-piangonanay no toa mahazo fanahy masina ka miteny amin’ny teny tsy fantatra. Ratsy fitondran-tena anefa ny sasany. Izaho kosa mba miezaka ny ho tsara fitondran-tena sady mivavaka foana, nefa tsy mety mahay miteny amin’ny teny tsy fantatra. Tsy azoko mihitsy ka!”

Hoatran’ny ilatsahan’ny fanahy masina daholo koa ny mpiara-mivavaka amin’i Naly, ka miteny amin’ny teny tsy fantatra. Hoy izy: “Tsy tiako mihitsy fa rehefa ilay mivavaka iny aho, dia misy mivazavaza tampoka amin’ny teny tsy fantatra. Na ilay olona aza tsy mahazo izay lazainy. Tsisy mandray soa amin’ilay izy akory. Tsy tokony hahasoa ve anefa ilay izy, raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra?”

Mahaliana ny tenin’i Mandresy sy Naly. Tena avy amin’Andriamanitra ve ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra ankehitriny? Andeha aloha hojerentsika izay nitranga, rehefa lasa nahay fiteny samihafa ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

“Niteny tamin’ny fiteny maro samihafa”

Hitantsika ao amin’ny Baiboly fa nisy lehilahy sy vehivavy lasa nahay fiteny tsy nianarany akory. Tamin’ny Pentekosta taona 33 no nitrangan’izany voalohany, herinandro vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. “Samy feno fanahy masina” ireo mpianatra 120 teo ho eo tao Jerosalema, “ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa.” Nisy olona avy any an-tany hafa teo, ary ‘very hevitra izy ireo, satria samy nandre an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy.’—Asan’ny Apostoly 1:15; 2:1-6.

Milaza ny Baiboly fa nisy mpianatra hafa koa nomena an’io fahaizana mahagaga io. Nahazo herin’ny fanahy masina, ohatra, ny apostoly Paoly, ka lasa nahay fiteny maro. (Asan’ny Apostoly 19:6; 1 Korintianina 12:10, 28; 14:18) Nisy antony tsara anefa matoa Andriamanitra nanome fahaizana mahagaga toa an’io. Inona izany antony izany?

Famantarana avy amin’Andriamanitra

Nisy Kristianina lasa nahay fiteny samihafa tany Korinto. Nanoratra ho azy ireo i Paoly, ary nilaza fa “ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa dia famantarana ho an’ny tsy mpino.” (1 Korintianina 14:22) Io fahaizana mahagaga io sy ny fahaizana hafa àry, dia porofo fa nankasitrahan’Andriamanitra ny fiangonana kristianina, izay vao niorina. Toy ny famantarana manondro lalana izy ireny, mba hahitan’ny olona tia ny fahamarinana hoe iza no tena vahoakan’Andriamanitra.

Tsy milaza ny Baiboly hoe lasa nahay fiteny mbola tsy nianarany ireo mpaminany fahiny, ary na i Jesosy aza. Ireo mpianatr’i Jesosy ihany no nomena an’izany fahaizana mahagaga izany, ary noho ny antony tsara.

Natao mba hitoriana ny vaovao tsara

Ny Jiosy ihany no nasain’i Jesosy nitorian’ny mpianany, tamin’ny voalohany. (Matio 10:6; 15:24) Tsy dia nandeha ivelan’ny faritanin’ny Jiosy àry izy ireo. Niova anefa izany.

Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty tamin’ny taona 33, dia nirahiny ny mpanara-dia azy mba hanao “mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Nilaza koa izy fa ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izy ireo. (Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 1:8) Mba hahavitana izany, dia nila nahay fiteny hafa ankoatra ny teny hebreo izy ireo.

‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ anefa ny ankamaroan’ireo mpianatra. (Asan’ny Apostoly 4:13) Ahoana àry no hitoriany any amin’ny faritra lavitra, nefa ny fiteny any aza tsy hainy na mbola tsy henony mihitsy? Nahazo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina ny sasany tamin’ireo Kristianina be zotom-po ireo, ka afaka nitory tamin’ny fiteny tsy nianarany akory.

Antony lehibe roa àry no nilana ny fitenenana amin’ny teny samihafa. Voalohany, famantarana izy io fa nankasitrahan’Andriamanitra ireo Kristianina. Faharoa, tena nilaina izy io mba hitoriana tamin’ny olona samihafa fiteny. Mahafeno an’ireo fepetra roa ireo ve ny fivavahana miteny amin’ny teny tsy fantatra ankehitriny?

Famantarana avy amin’Andriamanitra ve ny fiteny tsy fantatra ankehitriny?

Aiza no tokony hasiana famantarana manondro lalana, raha tiana ho hitan’ny besinimaro? Ao anaty trano ve? Mazava ho azy fa tsia! Milaza ny Baiboly fa tamin’ny Pentekosta, dia “vahoaka maro be” no nandalo ka nahita an’ireo mpianatra lasa nahay fiteny samihafa. “Niampy olona tokony ho telo arivo” ny Kristianina vokatr’izany! (Asan’ny Apostoly 2:5, 6, 41) Raha misy olona miteny amin’ny teny tsy fantatra, nefa ao am-piangonany ihany, ho famantarana ho an’ny tsy mpino maro ve izany?

Milaza ny Baiboly fa mifanohitra amin’ny fiasan’ny fanahy masina ny fijangajangana sy ny “asan’ny nofo” hafa, ary “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Galatianina 5:17-21) Ahoana àry raha misy olona ratsy fitondran-tena nefa miteny amin’ny teny tsy fantatra? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Andriamanitra ve dia hanome ny fanahy masina ho an’ny olona minia manao zavatra raran’ny Teniny? Tsy hoatran’ny mamitaka ve izany?’ Toy ny famantarana manondro lalana diso izany.

Natao mba hitoriana ve ny fiteny tsy fantatra ankehitriny?

Efa hitantsika fa ny antony faharoa nitenenan’ny Kristianina fahiny tamin’ny fiteny samihafa dia mba hitoriana. Ary ahoana ireo mpivavaka miteny amin’ny teny tsy fantatra ankehitriny? Mampiasa izany mba hitoriana amin’ny olona samihafa fiteny ve izy ireo? Tadidio fa avy any amin’ny tany maro ireo olona tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ary azon’izy ireo tsara ny fiteny samihafa nampiasan’ireo mpianatra nilatsahan’ny fanahy masina. Tsy mba toy izany anefa ankehitriny. Tsy misy heviny sady tsy misy mahazo akory izay lazain’ireo miteny amin’ny teny tsy fantatra.

Tena tsy mitovy amin’ny fiteny samihafa nampiasain’ny mpianatr’i Jesosy nahazo fanahy masina, ny fiteny tsy fantatra ankehitriny. Raha ny marina dia tsy voalaza intsony hoe nisy olona nahazo an’izany fahaizana miavaka izany, rehefa maty ny apostoly. Tsy mahagaga an’ireo mpamaky Baiboly izany. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly fa “hitsahatra” ireo fahaizana mahagaga, toy ny fitenenana amin’ny teny samihafa. (1 Korintianina 13:8) Ahoana àry no hamantarana an’ireo manana ny fanahy masina ankehitriny?

Iza no tena manana ny fanahy masina?

Fantatr’i Jesosy fa hitsahatra ny fahaizana fiteny samihafa, aoriana kelin’ny hiorenan’ny fiangonana kristianina. Famantarana hafa àry no nolazainy talohan’ny nahafatesany, ary izy io foana no ho marika hamantarana ny tena mpianany. Hoy izy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Milaza mihitsy aza ilay andininy, izay miresaka fa hitsahatra ireo fahaizana mahagaga, hoe: “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.”—1 Korintianina 13:8.

Ny fitiavana no voalohany amin’ny “vokatry ny fanahy” sivy. (Galatianina 5:22, 23) Ireo tena mifankatia àry no manana ny fanahy masina sy ankasitrahan’Andriamanitra. Ankoatra izany, dia ny fiadanana no fahatelo amin’ny vokatry ny fanahy. Miezaka mitandro fihavanana àry ireo manana ny fanahy masina, ka tsy mankahala olona na manavakavaka na mahery setra.

Tadidio koa ilay faminanian’i Jesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8. Nilaza izy fa hahazo hery ireo mpianany, ka ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” Nilaza koa izy fa hitohy “mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao” ny asa fitoriana. (Matio 28:20; Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Io asa atao eran-tany io àry no anisan’ny amantarana an’ireo mahazo ny fanahy masina.

Ahoana ny hevitrao? Iza no hitanao hoe manana ny fanahy masina ankehitriny? Iza eran-tany no maneho ny vokatry ny fanahy, indrindra fa ny fitiavana sy ny fiadanana, ka tsy mety mandeha miady na dia enjehin’ny fitondram-panjakana aza? (Isaia 2:4) Iza no miezaka mifady ny asan’ny nofo, toy ny fijangajangana, ka roahiny tsy ho anisan’ny fiangonany mihitsy ireo tsy mety mibebaka? (1 Korintianina 5:11-13) Iza no mitory eran-tany fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no fanantenana ho an’ny olona?—Matio 24:14.

Tsy misalasala ny mpampanonta an’ity gazety ity milaza fa manana ny fanahy masina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manaraka an’ireo lazain’ny Baiboly ireo. Miezaha àry hahafantatra kokoa ny momba azy ireo. Amin’izay dia ho hitanao raha vahoaka ankasitrahan’Andriamanitra tokoa izy ireo!