Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy

“Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

“Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy

MAIN-TANY tamin’izay, satria volana Mey na Jona amin’ny kalandrientsika, ary efa masaka hojinjaina ny vary teny an-tsaha. Novorin’i Samoela tao Gilgala ny Israely. Efa am-polony taona izy no mpaminany sy mpitsara teo amin’izy ireo. Nibanjina ny vahoaka i Samoela sady nieritreritra hoe ahoana no hanohinana ny fon’izy ireo. Nangina izy rehetra!

Tsy tsapan’izy ireo hoe tena tsy nety ny nataony. Nangataka mpanjaka olombelona mantsy izy ireo. Tena tsy fanajana an’i Jehovah Andriamaniny sy ny mpaminany anefa izany. Raha ny marina, dia nolaviny tsy ho Mpanjakany i Jehovah! Ahoana no hanampian’i Samoela azy ireo mba hibebaka?

Hoy izy tamin’ilay vahoaka: ‘Izaho efa antitra sy fotsy volo.’ Nampisy lanja an’izay holazainy mantsy izany. Hoy izy avy eo: “Izaho efa nanompo an’Andriamanitra sy nitarika anareo, hatramin’ny fahazazako ka mandraka androany.” (1 Samoela 11:14, 15; 12:2) Efa antitra i Samoela, nefa tsy hadinony ny fahazazany, fa mbola tena velona tao an-tsainy. Ny safidy nataony tamin’izy mbola kely no nahatonga azy haneho finoana sy hahafoy tena ho an’i Jehovah Andriamaniny, nandritra ny androm-piainany.

Nanatanjaka ny finoany foana i Samoela, na dia tsy nanam-pinoana sy nivadika aza ny olona nanodidina azy. Sarotra koa ankehitriny ny manana finoana matanjaka, satria miharatsy sy tsy manam-pinoana ny olona. Andeha àry hodinihintsika ny modely nomen’i Samoela, hatramin’ny fahazazany.

‘Nanompo teo anatrehan’i Jehovah i Samoela zaza’

Tsy toy ny ankizy rehetra i Samoela. Vao nisara-nono mantsy izy, teo amin’ny efa-taona teo, dia efa nanompo tao amin’ny tranolain’i Jehovah. Tany Silo izy io, 30 kilaometatra mahery avy tao Rama, tanàna niaviany. Nanokana azy ho an’i Jehovah i Elkana sy Hana, ray aman-dreniny, ka lasa Nazirita * nandritra ny androm-piainany izy, izany hoe nanao fanompoana manokana. Fa angaha tsy tia azy ny ray aman-dreniny, dia nanary azy?

Tsy izany mihitsy! Fantatr’izy ireo fa ho voakarakara tsara ny zanany any Silo. Azo antoka fa niahy azy i Ely Mpisoronabe, satria niara-niasa akaiky taminy. Nisy vehivavy maromaro koa nanao asa nifandray tamin’ny tranolay masina, ary azo inoana fa voalamina tsara izany.—Eksodosy 38:8.

Tsy hadinon’izy mivady io zanany voalohany io, satria valim-bavaka. Nangataka zazalahy mantsy i Hana sady nanome toky fa hanokana azy io ho an’Andriamanitra, mba hanao fanompoana masina. Rehefa nitsidika azy isan-taona izy mivady, dia nitondran’i Hana akanjo kely tsy misy tanany izy mba hoentiny manompo. Azo inoana fa faly erỳ i Samoela tamin’izany. Nahatsiaro ho sambatra izy nanana ray aman-dreny tia sy nampahery azy. Nampianarin’izy ireo azy fa tena tombontsoa ny nanompo an’i Jehovah tao amin’io toerana manokana io.

Ray aman-dreny maro ankehitriny no miezaka mafy mamelona sy mikarakara ny zanany, fa tsy mihevitra mihitsy izay ilainy ara-panahy. I Hana sy Elkana kosa nanao loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra, ary izany no nahatonga an’i Samoela ho hendry rehefa lehibe. (Ohabolana 22:6) Tena modely ho an’ny ray aman-dreny izy ireo!

Alao sary an-tsaina hoe iny i Samoela fa nandehandeha teny amin’ireo havoana nanodidina an’i Silo. Avy eny izy no nitazana an’ilay tanàna sy ny lohasaha teo akaiky. Azo inoana fa faly sy nirehareha erỳ izy nahita ny tranolay masin’i Jehovah! * Efa ho 400 taona talohan’izay ilay izy no naorina, teo ambany fitarihan’i Mosesy. Izy io irery no foiben’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah tamin’izany.

Vao mainka tian’i Samoela ny nanompo tao amin’ny tranolay. Hoy ny Baiboly: ‘I Samoela nanompo teo anatrehan’i Jehovah. Mbola zaza izy tamin’izay, ary nanao efoda rongony izay nisy fehikibo nafatotra taminy.’ (1 Samoela 2:18) Io akanjo tsotra tsy nisy tanany io dia midika fa nanampy ny mpisorona izy. Tsy taranaky ny mpisorona izy, nefa anisan’ny asany isa-maraina ny nanokatra ny varavaran’ireo trano teo an-tokotanin’ny tranolay sy nikarakara an’i Ely, izay efa be taona. Tena tiany ny fanompoany, nefa nisy zavatra nanahirana ny sainy na dia mbola zaza aza izy. Nisy zava-dratsy nitranga mantsy tao an-tranon’i Jehovah.

Tsy voatarika hanao ratsy mihitsy

Mbola kely i Samoela dia efa nahita zavatra faran’izay ratsy. Nanan-janaka roa lahy i Ely, Hofinia sy Finehasa no anarany. Hoy ny Baiboly: “Ny zanakalahin’i Ely dia olona tsy manjary, sady tsy niraharaha an’i Jehovah.” (1 Samoela 2:12) Mifandray ireo hevitra roa ireo: Tsy niraharaha an’i Jehovah i Hofinia sy Finehasa, ka lasa “olona tsy manjary”, izany hoe “tsy misy ilana azy” raha adika ara-bakiteny. Tsy te hahalala ny fitsipik’i Jehovah sy izay notakiny izy ireo. Izany no nahatonga azy hanao fahotana maro.

Voalaza tsara ao amin’ny Lalàna izay tokony hataon’ny mpisorona rehefa manao fanatitra. Zava-dehibe izany satria ny fanatitra no nifanitsy tamin’ny fandaharan’i Jehovah momba ny famelan-keloka. Amin’izay ny olona vao hadio eo imasony ka hahazo ny fitahiany sy ny tari-dalany. Nitarika ny mpisorona hafa hanao tsinontsinona an’ireo fanatitra anefa i Hofinia sy Finehasa. *

Eritrereto hoe nanatri-maso an’izany zava-dratsy rehetra izany i Samoela kely. Tsy voasazy akory anefa ny mpanao ratsy. Firifiry moa ny olona hitany nankeo amin’ny tranolay, nanantena mba hahazo fampaherezana nefa avy eo diso fanantenana sy tafintohina? Nisy tamin’izy ireny olona ambany sy mahantra, nefa vao mainka natao tsinontsinona. Ary inona no tsapany rehefa fantany fa nandika ny lalàn’i Jehovah momba ny fitondran-tena koa i Hofinia sy Finehasa, satria nanao firaisana tamin’ny vehivavy sasany nanompo tao amin’ny tranolay? (1 Samoela 2:22) Nanantena mafy angamba izy hoe hanitsy an’izany i Ely.

I Ely tokoa no nanana fahefana hamaha ilay olana. Mpisoronabe izy ka tompon’andraikitra tamin’izay nitranga tao amin’ny tranolay. Raim-pianakaviana koa anefa izy, ka adidiny ny nanitsy ny zanany. Sady nampijaly ny hafa mantsy ny nataon’izy roa lahy, no hahavoa ny tenany ihany koa. Samy tsy nataon’i Ely anefa ny andraikitry ny ray sy ny an’ny mpisoronabe! Nobedesiny kely fotsiny ny zanany. (1 Samoela 2:23-25) Famaizana tena mafy anefa no nilain’izy ireo. Mendrika ny ho faty mihitsy ry zareo!

Tafahoatra loatra ilay olana, ka naniraka mpaminany tsy voalaza anarana i Jehovah. Nasainy nanambara didim-pitsarana henjana tamin’i Ely io “lehilahin’Andriamanitra” io. Hoy i Jehovah: ‘Ianao manome voninahitra foana ny zanakao mihoatra noho izaho.’ Nilaza àry Andriamanitra fa hiara-maty izy roa lahy zanak’i Ely, hijaly ny fianakaviany, ary tsy havela hanao ny asan’ny mpisorona intsony. Nampiova an’ireo mpanao ratsy ve izany fanamelohana mafy izany? Tsia.—1 Samoela 2:27–3:1.

Nisy vokany teo amin’i Samoela ve izany rehetra izany? Marina fa nampalahelo ilay tantara, nefa ny mahafaly dia hoe nanao ny tsara foana izy sady nihamatotra. ‘Nanompo teo anatrehan’i Jehovah i Samoela zaza’, ary tsy nivadika, araka ny 1 Samoela 2:18. Mbola kely izy nefa nifantoka tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hoy mihitsy ny andininy faha-21: “Nihalehibe teo anatrehan’i Jehovah i Samoela zaza.” Nihakaiky an’ilay Rainy tany an-danitra hatrany izy. Ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ihany tokoa no tena miaro antsika tsy hanao ratsy!

Mety ho mora tamin’i Samoela ny nieritreritra hoe ny mpisoronabe sy ny zanany aza nanota, ka afaka manao izay tiako koa aho. Tsy hoe rehefa manao ratsy anefa ny hafa, indrindra fa ireo manana fahefana, dia tsy mampaninona ny manota. Tanora kristianina maro no azo lazaina hoe ‘mihalehibe eo anatrehan’i Jehovah’ toa an’i Samoela, na dia ratsy aza ny manodidina azy.

Nandray soa ve i Samoela rehefa nanao ny tsara? Hoy ny Baiboly: “Nihalehibe ihany i Samoela nandritra izany fotoana izany, sady vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona.” (1 Samoela 2:26) Nisy olona tia an’i Samoela tokoa àry. I Jehovah koa tia azy noho izy tsy nivadika, ary izany no tena zava-dehibe. Fantatr’i Samoela fa tsy maintsy hanitsy an’izay tsy nety rehetra tao Silo Andriamanitra, saingy tsy fantany hoe rahoviana.

“Mitenena fa mihaino ny mpanomponao”

Indray alina, dia voavaly ihany ny fanontaniana nanitikitika ny sain’i Samoela! Efa nadiva haraina tamin’izay nefa mbola maizina, ary nitsilopilopy ny jiro lehiben’ny tranolay. Nangina ny manodidina. Tamin’izay anefa i Samoela no nandre feo niantso azy, ka noheveriny fa i Ely izay efa antitra be sy pahina. Nitsangana izy, ary “nihazakazaka” nankany. Azonao sary an-tsaina ve hoe iny ilay zaza mihazakazaka tsy mikiraro, hijery izay ilain’i Ely? Tena tsara fanahy sy nanaja an’i Ely foana i Samoela! Mbola mpisoronaben’i Jehovah mantsy izy, na dia nanota aza.—1 Samoela 3:2-5.

Namoha an’i Ely i Samoela, ary hoy izy: “Intỳ aho, fa niantso ahy ianao.” Nilaza anefa i Ely fa tsy niantso, ary nasainy natory izy. Mbola niverina indroa anefa izany, ka takatr’i Ely fa i Jehovah no niantso an’i Samoela. Efa tsy dia nandefa fahitana na faminaniana firy i Jehovah, ary mazava ny antony. Izao anefa Izy niresaka tamin’ilay zazalahy! Nasain’i Ely natory àry i Samoela, sady natorony azy izay tokony havaly rehefa misy miantso indray. Nanaiky i Samoela. Reny indray avy eo ilay feo niantso hoe “Samoela! Samoela!”, ka hoy izy: “Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.”—1 Samoela 3:1, 5-10.

Ela ny ela ka nisy mpanompo nihaino an’i Jehovah tao Silo. Ary nihaino azy foana i Samoela nandritra ny androm-piainany. Toy izany koa ve ianao? Tsy hiandry feo avy any an-danitra hiantso antsika amin’ny alina akory isika. Azo lazaina hoe henontsika foana kosa ny feon’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. Toa an’i Samoela, dia hitombo ny finoantsika arakaraka ny hihainoantsika an’Andriamanitra sy hanarahantsika ny teniny.

Niavaka tokoa iny alina tany Silo iny ho an’i Samoela. Nanjary hafa tanteraka mantsy ny fifandraisany tamin’i Jehovah, satria lasa mpaminaniny sy mpitondra teniny izy. Natahotra ny hilaza ny hafatr’i Jehovah tamin’i Ely izy tamin’ny voalohany. Filazana farany mantsy ilay izy fa ho tanteraka amin’izay ilay faminaniana momba ny fianakavian’i Ely. Nisikina herim-po anefa izy, ka nilaza an’ilay didim-pitsarana, ary nanetry tena i Ely ka nanaiky an’izany. Tsy ela dia tanteraka daholo izay nolazain’i Jehovah. Niady tamin’ny Filistinina ny Israely, ka maty i Hofinia sy Finehasa, tamin’ny andro iray ihany. Maty koa i Ely rehefa nandre fa lasa babo ny Vata masin’i Jehovah.—1 Samoela 3:10-18; 4:1-18.

Niharihary fa mpaminany mendri-pitokisana i Samoela. Milaza ny Baiboly fa “nomba azy i Jehovah”, ary notanterahiny ny faminaniana rehetra nolazain’i Samoela.—1 Samoela 3:19.

“Niantso an’i Jehovah i Samoela”

Nanaiky ny fitarihan’i Samoela ve ny Israelita, taorian’izay, ka nankatò sy tsy nivadika? Tsia. Rehefa nandeha ny fotoana dia nitady mpanjaka toy ny firenen-kafa izy ireo, fa tsy mpaminany fotsiny no tiany hitsara azy. Nasain’i Jehovah nanaiky ny fangatahan’izy ireo i Samoela. Tsy maintsy nampahafantarina azy ireo anefa fa tena lehibe ny fahotany. Tsy olona ihany mantsy no nolaviny, fa i Jehovah mihitsy! Nasainy nankany Gilgala àry ilay vahoaka.

Inona no nitranga rehefa niresaka tamin’ny Israely i Samoela, izay efa be taona? Nampahatsiahiviny azy ireo fa tsy nivadika izy. “Niantso an’i Jehovah i Samoela” avy eo, mba handatsaka kotroka sy orana.—1 Samoela 12:17, 18.

Tsy fahita mihitsy izany kotroka sy orana amin’ny main-tany izany! Raha nisy olona tsy nino na naneso anefa tamin’izay, dia nangina haingana izy satria vetivety teo dia feno rahona ny lanitra. Nifofofofo ny rivotra, ka nilamaka ny vary teny an-tsaha. Nirefotra mafy ny kotroka, ary nilatsaka ny orana. Nanao ahoana ny fihetsik’ilay vahoaka? “Natahotra mafy an’i Jehovah sy Samoela” izy ireo. Izay izy ireo vao tonga saina hoe tena lehibe ny fahotany!—1 Samoela 12:18, 19.

Tsy i Samoela fa i Jehovah no nanohina ny fon’ireo mpikomy ireo. Naneho finoana an’Andriamanitra foana i Samoela, nandritra ny fahazazany ka hatramin’izy efa antitra. Namaly soa azy i Jehovah. Mbola tsy miova i Jehovah hatramin’izao. Ampiany foana ireo manahaka ny finoan’i Samoela.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ny Nazirita dia olona manao voady, toy ny hoe hifady zavatra mahamamo sy tsy hanapa-bolo. Maro no Nazirita nandritra ny fotoana fohy. Nisy kosa Nazirita mandra-pahafatiny, toa an’i Samsona, Samoela, ary Jaona Mpanao Batisa.

^ feh. 12 Tranolay mahitsizoro lehibe izy io, ary rafitra hazo no nanenjana azy. Akora tena tsara no nanaovana azy, toy ny hoditra faoky, lamba misy peta-kofehy tsara tarehy, ary hazo lafo vidy nisy takelaka volamena sy volafotsy. Mahitsizoro koa ny tokotaniny, ary nisy alitara lehibe fanaovana sorona. Tatỳ aoriana, dia nasiana efitrano hafa ho an’ny mpisorona teny amin’ny sisin’ny tranolay. Natory tao amin’ny iray tamin’izy ireny angamba i Samoela.

^ feh. 16 Lafiny roa no nisehoan’izany. Voalohany, efa voalazan’ny Lalàna hoe ny inona amin’ilay biby hatao sorona no azon’ny mpisorona hohanina. (Deoteronomia 18:3) Ireo mpisorona ratsy fanahy kosa naka an’izay tiany. Naniraka mpanompo izy ireo mba hanindrona hena tamin’ny fitrebika, raha mbola nampangotrahina ilay izy, ka izay voarainy tao dia nalainy! Faharoa, rehefa nitondra fanatitra hodorana teo amin’ny alitara ny olona, dia nasain’ireo mpisorona ratsy fanahy naka hena manta an-keriny ny mpanompony. Mbola tsy nodorana ho an’i Jehovah anefa ny tavin-kena.—Levitikosy 3:3-5; 1 Samoela 2:13-17.

[Sary, pejy 17]

Natahotra i Samoela, nefa nolazainy tamin’i Ely ny didim-pitsaran’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Nivavaka tamin’ny fony i Samoela, ary namaly azy i Jehovah ka nandefa kotroka sy orana