Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mankasitraka

Mahaiza Mankasitraka

Fomba 3

Mahaiza Mankasitraka

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? “Misaora amin’ny zava-drehetra.”—1 Tesalonianina 5:18.

INONA NO OLANA? Matin-kambo sy tsy mahay mankasitraka ny olona manodidina antsika, ka mety hanahaka azy ireny isika. (2 Timoty 3:1, 2) Efa feno be koa ny fotoanantsika, nefa mbola maro no tiantsika hatao. Mety ho tototry ny zava-manahirana isika, ka tsy manam-potoana hankafizana an’izay efa ananantsika. Mety hifantoka loatra amin’ny fiainantsika koa isika, ka tsy mankasitraka an’izay ataon’ny hafa ho antsika.

INONA NO AZONAO ATAO? Manokàna fotoana hieritreretana ny zavatra tsara anananao. Marina fa mety ho be zava-manahirana ianao, nefa miezaha ihany. Nisy fotoana, ohatra, i Davida Mpanjaka, kivy sy rera-tsaina noho ny olana nanjo azy. Mbola nankasitraka ny asan’Andriamanitra ihany anefa izy, ka nivavaka hoe: “Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho, ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.” (Salamo 143:3-5) Na teo aza ny olana, dia nahay nankasitraka foana i Davida, sady afa-po tamin’ny fiainany.

Eritrereto àry izay nataon’ny olona ho anao, ka ankasitraho izy ireo. Ohatra tsara amin’izany i Jesosy. Nohosoran’i Maria menaka lafo vidy ny lohan’i Jesosy sy ny tongony, indray mandeha. Nisy nanakiana anefa hoe: “Nahoana no lanilanina foana toy izao iny menaka manitra iny?” * Tokony ho namidy, hono, ilay izy, ka nomena ny mahantra ny vola. Namaly anefa i Jesosy hoe: ‘Avelao izy. Nahoana ianareo no mitady hanorisory azy? Nanao izay azony natao izy.’ (Marka 14:3-8; Jaona 12:3) Tsy nifantoka tamin’izay tsy nataon’i Maria i Jesosy, fa nankasitraka an’izay nataony kosa.

Mampalahelo fa tsy tsapan’ny olona ny hasarobidin’ny fianakaviany sy ny namany, na ny zavatra hafa, raha tsy rehefa tsy eo intsony! Ankasitraho àry izay anananao izao! Maninona raha eritreretina na soratana mihitsy izany?

Avy amin’Andriamanitra “ny fanomezana tsara rehetra”, ka tokony hisaotra azy isika. (Jakoba 1:17) Raha mivavaka tsy tapaka isika, dia hahay hankasitraka sy ho afa-po amin’ny fiainana.—Filipianina 4:6, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tamin’ny taonjato voalohany, dia fanajana vahiny ny manosotra menaka amin’ny lohany, ary mariky ny fanetren-tena ny manosotra menaka ny tongony.

[Sary, pejy 6]

Ankasitrahanao ve izay ataon’ny olona ho anao?