Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Ahoana no nampiova ny miaramila iray mpikomy sy mpangalatra? Nahoana no nanova ny tanjony ny tovovavy iray tompon-daka tamin’ny taikôndô? Inona no vokany rehefa tsy kivy ny raim-pianakaviana iray, nanampy ny zanany? Vakio ireto tantara ireto mba hahalalanao ny valin’izany.

“Tena ratsy ny fiainako taloha, kanefa sambatra aho izao.”—GARRY AMBROCIO

TAONA: 47

FIRENENA: PHILIPPINES

FIAINANY TALOHA: MIARAMILA MPIKOMY

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tany amin’ny tanàna kelin’i Vintar aho. Voahodidina tendrombohitra maitso mavana sy renirano mangalahala ny lohasaha nisy anay, sady madio ny rivotra. Na izany aza, dia sarotra ny fiainana. Nisy nangalatra foana ny biby fiompinay, ary nidiran’ny olona an-keriny tao an-tranonay.

Nisotro toaka sy nifoka sigara niaraka tamin’ny namako aho, tamin’izaho mbola zatovo. Nangalatra aho mba hahafahako mividy an’izany, ka nangalariko hatramin’ny firavaky ny bebenay. Noeritreretin’ny tafika ho anisan’ny miaramila mpikomy antsoina hoe NPA aho, ka nokapohin’izy ireo mafy matetika. Nanapa-kevitra ny hiaraka tamin’ny NPA aho, vokatr’izany. Niara-nipetraka tamin’izy ireo tany an-tendrombohitra aho, nandritra ny dimy taona. Sarotra ny fiainana tany. Nifindrafindra foana izahay, satria nanenjika anay ny tafika. Leo niafina tany an-tendrombohitra aho tamin’ny farany, ka nitolo-batana tany amin’ny governoran’i Ilocos Norte. Tsara fanahy tamiko izy, ary nanampy ahy mihitsy aza mba hahita asa tsara. Mbola nanohy ny fahazaran-dratsiko anefa aho, ka nandroba sy nampitahotra olona.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray niara-niasa tamiko. Loida no anarany. Nampifankahalalany tamin’i Jovencio aho, ary izy io no nampianatra Baiboly ahy. Sarotra tamiko anefa ny nanova ny fiainako. Nifoka sigara aho talohan’ny hahatongavan’i Jovencio hampianatra ahy. Mbola nanao zavatra tsy ara-dalàna koa aho. Tratran’ny polisy aho tamin’ny farany, ka nigadra 11 volana. Nitalaho mafy tamin’i Jehovah aho tany am-ponja mba hanampy ahy. Nangata-pamelana aho, ary nangataka ny fanahy masina mba hitari-dalana sy hampahery ahy.

Nitsidika ahy ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana, ary nitondra Baiboly ho ahy. Novakiko izy io, ka hitako tao fa mamindra fo sy be fitiavana i Jehovah ary mamela heloka. Tsapako fa namindra fo tamiko izy, ary namela ahy hahafantatra momba azy. Nangataka taminy àry aho mba hanome hery ahy handreseko ny fahazaran-dratsiko. Tena nisy vokany tamiko ny Ohabolana 27:11 hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” Toy ny hoe niteny mivantana tamiko i Jehovah teo.

Niverina nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona aho rehefa nafahana. Nivory niaraka tamin’izy ireo koa aho, ary nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Afaka tamin’ny fahazaran-dratsiko aho tamin’ny farany, noho ny fanampian’i Jehovah, ka nanokan-tena ho azy.

NY SOA NORAISIKO: Tena ratsy ny fiainako taloha, kanefa sambatra aho izao. Lasa olom-baovao aho, na dia nandevozin’ny fahazaran-dratsy aza taloha. (Kolosianina 3:9, 10) Tena faly aho miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah madio fitondran-tena. Faly koa aho manampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra Mahery Indrindra.

“Te hisolo tena an’i Brezila aho.”—JULIANA APARECIDA SANTANA ESCUDEIRO

TAONA: 31

FIRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: TOMPON-DAKA TAMIN’NY HAIADY

NY FIAINAKO TALOHA: Tany Londrina aho no lehibe. Nadio sy nilamina tany, na dia nahantra aza ny ankamaroan’ny olona. Nitaona ahy hianatra taikôndô niaraka taminy ny zokiko lahy, tamin’izaho folo taona. Midika hoe “fomba fampiasa ny tanana sy ny tongotra” ny hoe taikôndô. Tsy tian’i Dada hianatra an’io fanatanjahan-tena io aho, kanefa nilefitra ihany izy.

Niezaka mafy nanao fanazaran-tena aho, ka nandresy tamin’ny fifaninanana maro natao tao Parana. Nandresy tamin’ny fifaninanana isan-karazany natao teto Brezila aho tatỳ aoriana, ary lasa tompon-dakan’i Brezila tamin’ny 1993. Te handray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena koa aho, nefa nahantra ny fianakaviako ka tsy nanam-bola handefasana ahy tany ivelany.

Tiako ho tafiditra amin’ny Lalao Olympika ny taikôndô, ary izany tokoa no nitranga. Te hisolo tena an’i Brezila aho, ka niezaka mafy nanao fanazaran-tena. Nahazo fanampiana ara-bola aho, ka afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana tany Frantsa, Vietnam, Korea Atsimo, Japon, ary Amerika Atsimo. Anisan’ny tanjoko koa ny handray anjara tamin’ny Lalao Panamerikanina. Tena nahay aho, ka voafidy ho anisan’ireo olona telo handray anjara tamin’io lalao io, tany Saint-Domingue, any amin’ny Repoblika Dominikanina, tamin’ny 2003.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izaho sy ilay lehilahy niarahako, ka nanomboka nianatra Baiboly izahay tamin’ny 2001. Tsy tena nazoto aho tamin’ny voalohany. Reraka be foana aho ka tsy nahavita nifantoka, ary natory am-pitoerana aho matetika. Nanohina ny foko ihany anefa ny zavatra nianarako, ary manaporofo izany ny zava-nitranga tamin’ny fifaninanana lehibe iray nataoko tatỳ aoriana.

Noho izaho voafidy handray anjara tamin’ilay Lalao Panamerikanina, dia nasain’ny mpanazatra ahy hanao fifanintsanana aho. Rehefa tonga anefa ny anjarako, dia nijaridina fotsiny aho teo ambony kianja, ary tsy nisy hafanam-po mihitsy. Tadidiko tampoka hoe tsy tokony hiady ny Kristianina, na dia fanatanjahan-tena aza. Tonga tao an-tsaiko ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 19:19) Lasa aho nandeha, ary tsy nanenina mihitsy. Nibanjina ahy ny mpijery sady tsy nino.

Nipetraka aho rehefa tonga tao an-trano, ary nieritreritra izay hataoko eo amin’ny fiainako. Naka bokikely iray navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Miresaka momba ny zavatra takin’Andriamanitra amintsika izy io. Hitako tao ilay andinin-teny ao amin’ny Salamo 11:5 hoe: ‘Tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra.’ Nanohina ny foko izany, ka tapa-kevitra aho fa tsy hanao taikôndô intsony.

Tsy faly ireo mpanazatra ahy. Niezaka nampiova hevitra ahy izy ireo, ka nilaza fa izaho no mahay indrindra teo amin’ny firenenay, ary efa kely sisa aho dia handray anjara amin’ny Lalao Olympika. Efa tapaka anefa ny hevitro.

Efa nivady izaho sy ilay lehilahy niarahako tamin’izay. Efa nitory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary faly erỳ rehefa tonga tao an-trano nitantara ny resaka nifanaovany tamin’ny olona nitoriany. Fantatro fa tsy maintsy manova ny fiainako aho, raha te handray anjara amin’io asa io koa. Niala tamin’ny fivavahako àry aho, ary nahafeno fepetra ho lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.

NY SOA NORAISIKO: Tena sambatra izahay mivady ary miray saina, satria miezaka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ao an-tokantranonay. Faly koa aho manohana azy amin’ny fikarakarany ny fiangonana misy anay. Mety ho nahazo meday volamena tamin’ny Lalao Olympika sy lasa olo-malaza aho raha niezaka. Tsapako anefa fa tsy misy zavatra atolotr’ity tontolo ratsy ity, azo ampitahaina amin’ny tombontsoa hanompo an’i Jehovah Andriamanitra.

“Tsy kivy mihitsy i Dada nanampy ahy.”INGO ZIMMERMANN

TAONA: 44

FIRENENA: ALEMAINA

FIAINANY TALOHA: MPIAMBINA TOERAM-PANDIHIZANA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tao Gelsenkirchen, tanàna fitrandrahana arintany aho, ary manan-joky lahy iray sy zoky vavy roa. Tsy nitovy fivavahana i Dada sy Neny. Vavolombelon’i Jehovah i Dada ary niezaka nitaiza anay nifanaraka tamin’ny finoany, kanefa nanohitra izany i Neny. Mpitondra kamiao i Dada, ary niasa adiny folo na mahery isan’andro. Nanomboka niasa tamin’ny roa na tamin’ny telo maraina izy matetika, kanefa nanampy anay foana mba hifandray amin’Andriamanitra. Tsy naneho fankasitrahana an’izany anefa aho.

Nentin’i Dada nanatrika fivoriana ara-baiboly foana izahay, ka leo aho tamin’izaho 15 taona ary nikomy. Niditra ho anisan’ny ekipa mpanao ady totohondry aho, herintaona taorian’izay. Nahafotsy volo an’i Dada ny fitondran-tenako, nandritra ny roa taona. Niala tao an-trano mihitsy aho, rehefa feno 18 taona.

Tena tia fanatanjahan-tena aho, ka inenina isan-kerinandro aho no nanao fanazaran-tena: Nanao ady totohondry aloha, ary nibata fonjam-by avy eo. Nankany amin’ny toeram-pandihizana izaho sy ny namako, rehefa faran’ny herinandro. Nisy lehilahy iray mampahatahotra tany, indray mandeha. Niady tamiko izy io, ary tsy sarotra tamiko ny nandresy azy. Hitan’ny tompon’ilay toeram-pandihizana izany, ka avy hatrany izy dia nangataka ahy hiasa tao aminy, ho mpiambina an’ilay trano fandihizana. Tsara karama ilay izy ka nekeko.

Nijoro teo am-baravaran’ilay trano fandihizana aho isaky ny faran’ny herinandro, ka izaho no nanapa-kevitra hoe iza no mahazo miditra ary iza no tsy mahazo. Mahatratra arivo ny olona mankao, ka tena be asa be aho. Nisy olona niady tao matetika. Nisy koa nandrahona ahy tamin’ny basy na vakin-tavoahangy. Te hamaly faty ny sasany tamin’ireo olona tsy navelako hiditra na nasaiko nivoaka, ka niandry tao ivelan’ilay trano. Vao 20 taona aho tamin’izay, ary nieritreritra fa tsy misy maharesy ahy mihitsy. Tsy dia hoe izay loatra anefa, fa izaho no tia ady, nanambony tena, te halaza, ary mafy loha.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsy kivy mihitsy i Dada nanampy ahy. Nataony izay hahazoako ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, * tany an-tranoko. Nivangongo fotsiny tao izy ireny fa tsy novakiko. Nanapa-kevitra ny hamadibadika ny sasany tamin’izy ireny anefa aho indray andro, ka nahita lahatsoratra miresaka fa hifarana ny tontolo ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-pivavahana ankehitriny. Nandrisika ahy hitelefaonina ny anabaviko izany. Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny vadiny. Nanasa ahy hianatra Baiboly izy ireo, ka nanaiky aho.

Nandrisika ahy hiova ny toro lalana ao amin’ny Galatianina 6:7. Hitako tamin’ny zavatra niainako fa hisy vokany amin’ny fiainako amin’ny hoavy ny zavatra ataoko sy lazaiko, ary ny fanapahan-kevitra raisiko ankehitriny. Tena nampahery ahy koa ny Isaia 1:8, izay milaza hoe: “ ‘Avia hifandamina isika’, hoy i Jehovah. ‘Fa na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.’ ” Rehefa nanomboka nianatra aho, dia io andininy io no nanampy ahy mba tsy hihevi-tena ho tsy mendrika na hieritreritra hoe tsy afaka miverina amin’i Jehovah intsony aho.

Nanao fiovana lehibe aho tao anatin’ny enim-bolana, saingy tena sarotra izany. Tsy tokony hifanerasera intsony tamin’ireo olona ratsy fitondran-tena sy tia herisetra aho, ka nanomboka nilaza tamin’ny namako hoe mianatra Baiboly aho. Noresahiko tamin’izy ireo koa ny zavatra nianarako. Nanomboka nihatakataka tamiko izy ireo, ary nopetahany anarana hoe mompera aho. Nahita asa tsara kokoa aho tatỳ aoriana, noho ny fanampian’ny anabaviko.

Nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa aho. Tany amin’ny nivorian’ny anabaviko aho no nivory, tany amin’ny 30 kilaometatra. Nisy toeram-pivoriana teo akaikin’ny tranoko, saingy natahotra aho sao hihaona tamin’ny olona nahafantatra ahy hatramin’ny mbola kely. Natahotra hitory isan-trano teny aminay koa aho, satria nieritreritra hoe: ‘Ahoana raha sendra olona noroahiko tao amin’ilay trano fandihizana aho, na mihaona amin’ny olona nomeko zava-mahadomelina?’ Tadidiko anefa ny lesona nampianarina anay tamin’ny fanatanjahan-tena hoe ny fanazaran-tena sarotra indrindra no fanazaran-tena tena ilaina indrindra. Nandeha nitory araka izay vitako àry aho, rehefa nahafeno fepetra.

Nisy zava-tsarotra hafa koa anefa. Tsy tia namaky teny aho sady tsy tia nianatra. Fantatro anefa fa raha te hanatanjaka ny finoako aho, dia tsy maintsy mifehy tena mba hazoto hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hitako koa fa toy ny atao rehefa mibata fonjam-by ihany no tokony hatao eo amin’ny ara-panahy. Mila miezaka ianao raha te hatanjaka.

NY SOA NORAISIKO: Mino aho hoe efa maty aho hoatr’izay raha tsy niova. Nanavotra ahy ny fahamarinana. Mbola mila mitandrina foana anefa aho, mba tsy ho resin’ny fahalemeko. Manana toetra kristianina tsara koa ny vadiko, ary mahafinaritra ny tokantranonay. Manana tena namana koa aho eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary azo atokisana tanteraka izy ireo. Maty i Dada, dimy taona lasa izay. Nahita ny zanany niverina anefa izy talohan’ny nahafatesany, ka faly nandray azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 34 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.