Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankany Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Nankany Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Ny Fiainan’ny Kristianina Voalohany

Nankany Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

“Ny ampitson’iny, dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe. Nitory ny vaovao tsara tao amin’io tanàna io izy roa lahy, sady nanampy olona maro ho tonga mpianatra. Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy ireo avy eo.”—ASAN’NY APOSTOLY 14:20, 21.

MARAINA ny andro ary mangatsiatsiaka. Manao ny kapany efa tontatonta ilay mpanao dia lavitra efa lanaka. Mitohy androany tontolo indray ny dia an-tongotra.

Manaraka lalana feno vovoka izy, ary tarafin’ny masoandro. Dify ilay tanimboaloboka, mandalo sahan’oliva izy, ary mananika tendrombohitra. Mahita olona izy eny an-dalana: Tantsaha ho eny an-tanimboly, mpivarotra miaraka amin’ny biby mitondra entam-be, ary mpivavaka ho any Jerosalema. Iresahan’izy sy ny namany izay mifanena aminy, mba hanatanterahana ny didin’i Jesosy hoe ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izy ireo.—Asan’ny Apostoly 1:8.

Mety ho ny apostoly Paoly io mpanao dia lavitra io, na i Barnabasy, na misionera hafa tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 14:19-26; 15:22) Sarotra ny dia nefa mafy toto sy tena vonona izy ireo. Hoy i Paoly momba ny diany an-dranomasina: “Intelo [aho] vaky sambo, indray andro sy indray alina tao amin’ny rano lalina.” Tsy mora koa ny dia an-tanety. Nilaza i Paoly fa matetika izy no “nahita loza tamin’ny renirano” sy ny “jiolahy.”—2 Korintianina 11:25-27.

Nety ho nanao ahoana ny niara-dia tamin’ireny misionera ireny? Firy kilaometatra isan’andro no nety ho vitanao? Inona no tokony ho nentinao, ary taiza no azo natoriana?

Dia an-tanety Efa nahavita arabe mampitohy ny tanàn-dehibe eran’ny fanjakany ny Romanina, tamin’ny taonjato voalohany. Voavoatra tsara izy ireny sady tsy mora simba. Mirefy 4,5 metatra ny sakan’ny maro aminy, vita rarivato, ary misy sisin-dalana sy takela-bato manondro ny halaviran-dalana. Mety hahavita 32 kilaometatra isan’andro amin’ny lalana toy izany ny misionera toa an’i Paoly.

Nampidi-doza sy naloto ary nety ho tapaka kosa ny ankamaroan’ny lalana tany Palestina, sady tsy nisy fefy nampisaraka azy tamin’ny saha sy hantsana. Mety hifanena amin’ny bibidia na mpandroba koa ny mpanao dia lavitra.

Inona no hoentina rehefa mandeha? Tena ilaina ny tehina (1), zavatra atoriana (2), kitapom-bola (3), kapa fanampiny (4), kitapom-batsy (5), akanjo hisoloana (6), siô hoditra hakana rano eny an-dalana (7), fitondrana rano (8), ary kitapo hoditra lehibe (9).

Natoky ireo misionera fa hahita mpivaro-mandeha nitondra entana nankany amin’ireo tsena samihafa. Ny ampondra no nianteheran’ny mpivarotra satria tena mahay mandeha amin’ny lalana tery sy be vato. Voalaza fa mahavita 80 kilaometatra isan’andro ny ampondra matanjaka mitondra entam-be. Miadana kokoa ny saretin’omby sy kalesy, satria 8 ka hatramin’ny 20 kilaometatra isan’andro no vitany. Mahazaka entana mavesatra kokoa anefa ny omby, ary mety tsara amin’ny lalana akaikikaiky. Mety hahita andiana rameva na andian’ampondra mitondra entam-be avy any amin’ny tany samihafa ny mpanao dia lavitra. Haingana noho ireo rehetra ireo ny iraka mitaingin-tsoavaly, izay mitondra taratasy na didim-panjakana any amin’ny faritra lavitra.

Matory ao anaty tranokely natao maimaika eny an-tsisin-dalana ny mpanao dia lavitra, na ao amin’ireo efitra manodidina ny tokotany iray. Tsy misy fanaka izy ireny, maloto sy tsy ahazoana aina, ary zara raha maharo amin’ny andro ratsy sy ny mpangalatra. Matory any amin’ny havany na ny mpiray finoana aminy ny misionera mitety faritany, raha mbola azo atao.—Asan’ny Apostoly 17:7; Romanina 12:13.

Dia an-dranomasina Nisy sambokely nitatitra entana sy olona, nanaraka ny moron-drano sy nanerana ny Ranomasin’i Galilia. (Jaona 6:1, 2, 16, 17, 22-24) Sambo lehibe kokoa no nivezivezy teny amin’ny Ranomasina Mediterane, mba hitondra entana tany amin’ireo seranan-tsambo nifanalavitra. Nitatitra sakafo ho an’i Roma izy ireny, nitondra manamboninahitra, ary nampita hafatra isaky ny seranana.

Izay zavatra tazany amin’ny antoandro sy ny kintana amin’ny alina no amantaran’ny tantsambo ny lalany. Eo anelanelan’ny Mey sy ny tapatapaky ny Septambra ihany àry vao tsy tena mampidi-doza ny dia, satria tsara kokoa ny andro. Matetika no misy sambo rendrika.—Asan’ny Apostoly 27:39-44; 2 Korintianina 11:25.

Tsy hoe nifidy ny handeha sambo ny olona satria hoe tsara kokoa noho ny mandeha an-tanety izany. Tsy dia noraharahaina mantsy ny mpandeha sambo, na dia izy io aza no fitaterana fampiasa teny an-dranomasina. Na tsara na ratsy ny andro, dia eny an-tokotanin-tsambo ny olona no matory, fa nametrahana entana sarobidy ny toerana maina tao ambaniny. Ny mpandeha no nitondra ny sakafony, fa ny rano fisotro ihany no nomena. Niovaova be ny toetrandro indraindray. Mety hisy oram-baratra foana ary hanonja be ny ranomasina, ka hankaloiloy. Maharitra andro maro izany matetika.

Nitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” tany amin’ireo tany fantany tamin’izany ireo misionera toa an-dry Paoly, na dia sarotra aza ny dia an-tanety sy an-dranomasina. (Matio 24:14) Efa afaka nilaza sahady i Paoly hoe notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara, 30 taona taorian’ny nanirahan’i Jesosy ny mpianany mba ho vavolombelony.—Kolosianina 1:23.