Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sitrana ny Boka Iray

Sitrana ny Boka Iray

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Sitrana ny Boka Iray

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Namàna, Elisa, ary ilay zazavavy israelita tsy fantatra anarana

Famintinana: Nasain’ny zazavavy israelita iray nankany amin’i Elisa i Namàna, lehiben’ny tafika syrianina, ka sitrana tamin’ny aretina nahatsiravina nahazo azy.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY 2 MPANJAKA 5:1-19.

Inona no tsy maintsy ho tsapan’ilay zazavavikely israelita noho izy nosarahina tamin’ny fianakaviany, izay matahotra an’Andriamanitra?

․․․․․

Inona no tsapan’i Namàna, noho izy natanjaka nefa nanana aretina nikiky?

․․․․․

Ahoana no fahitanao ny resak’i Namàna sy ny mpanompony, eo amin’ny andininy 11 ka hatramin’ny 13?

․․․․․

Lasa nanao ahoana ny fihetsik’i Namàna, manomboka eo amin’ny andininy 15?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Inona no nety ho nahatonga an’i Namàna hiavonavona? (Vakio indray ny andininy 1.) _______

․․․․․

Tadiavo ao amin’izay boky ara-baiboly anananao ny mombamomba ny habokana. * (Ohatra: Nanao ahoana ilay aretina? Nifindra ve ilay izy? Ahoana no nitsaboana azy?)

․․․․․

Rehefa sitrana i Namàna, inona no nety ho vokatr’izany teo amin’ilay ankizivavikely israelita?

․․․․․

Nahoana no azo lazaina fa fitsapana ho an’i Namàna ny valin-tenin’i Elisa? (Jereo ny andininy 10.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Maharatsy ny avonavona.

․․․․․

Fahasahiana rehefa milaza ny zavatra inoanao.

․․․․․

Fahaizan’i Jehovah manasitrana.

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

TSY MANANA BAIBOLY VE IANAO? MANGATAHA AMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH NA VAKIO IZANY, AO AMIN’NY www.watchtower.org

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Anisan’ilay aretin-koditra nantsoina hoe habokana, tamin’ny andron’ny Baiboly, ilay antsoina ankehitriny hoe aretin’i Hansen.