Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Misy ny Paradisa?

Aiza no Misy ny Paradisa?

Manontany ny Mpamaky

Aiza no Misy ny Paradisa?

▪ Nampanantena lehilahy iray efa ho faty i Jesosy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Sahy naneho finoana azy mantsy io lehilahy io. Aiza io Paradisa io? Any an-danitra ve sa eto an-tany, sa any an-toeran-kafa izay iandrasan’ny olona fitsarana?

Nipetraka tao amin’ny Paradisa ny razambentsika. Hoy ny Baiboly: “Nanamboatra zaridaina tao Edena tany atsinanana i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. ... Dia naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina.” (Genesisy 2:8, 15) Paradeisôs ny teny grika mifanitsy amin’ny hoe “zaridaina”, ary avy tamin’io ny hoe “paradisa.”

Hoy Andriamanitra tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany: “Mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28) Nasaina nanitatra an’ilay Paradisa hihoatra ny faritr’i Edena àry izy ireo, rehefa hihamaro ny olona, toy ny ataon’ny mpivady manitatra ny tranony rehefa mihamaro ny zanany.

Fikasan’ny Mpamorona àry ny hoe hiaina sy hiteraka ao amin’ilay Paradisa teto an-tany ny olona. Ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo ka tsy hisy hilana fasana akory. Ho fonenana mandrakizay ho an’ny olona rehetra ny tany. Tsy mahagaga raha tena tia natiora ny olona! Noforonina hiaina eo amin’ny tany tsara tarehy tokoa isika.

Niova ve ilay fikasan’i Jehovah? Tsia, satria hoy izy: “Dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako. Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako.” (Isaia 55:11) Niresaka momba “ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy” ny Baiboly, 3 000 taona mahery taorian’ny namoronana ny olona, ka nilaza fa “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Mbola ho paradisa àry ny tany, araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Mahaliana fa zavatra eto an-tany no resahin’ny andinin-teny maro momba ny Paradisa. Misy faminaniana, ohatra, milaza hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” (Isaia 65:21) Aiza no misy manao trano sy manao tanimboaloboka ary mihinana voankazo? Etỳ an-tany. Milaza mazava koa ny Ohabolana 2:21 hoe: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany.”

Niresaka momba ny Paradisa eto an-tany koa i Jesosy. Marina fa nampanantena Paradisa any an-danitra izy, saingy ho an’olom-bitsy ihany. (Lioka 12:32) Hatsangana ho any amin’ny Paradisa any an-danitra ireo rehefa maty, ka ho mpanjakan’ilay Paradisa eto an-tany. (Apokalypsy 5:10; 14:1-3) Hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo ka hataony azo antoka fa ho tsara tantana ilay Paradisa eto an-tany sady ho voakarakara araka ny fepetra takin’Andriamanitra.

Fantatr’i Jesosy fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho an’ny tany. Niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra mantsy izy rehefa noforonina ny zaridainan’i Edena. Ho afaka hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany izay maneho finoana ankehitriny. (Jaona 3:16) Mampanantena azy ireo i Jesosy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:43.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

© FORGET Patrick/SAGAPHOTO.COM/Alamy