Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Iza ireo Magy nitsidika an’i Jesosy tamin’izy mbola zaza?

Milaza ny Filazantsaran’i Matio fa nisy olona avy “any atsinanana” nitsidika an’i Jesosy. Nahita ny kintan’ny mpanjaka vao teraka izy ireo, ka nitondra fanomezana ho azy. Magôi na “magy”, no ilazana azy ireo rehefa nadika tamin’ny teny grika io Filazantsara io. (Matio 2:1, Fandikan-teny Protestanta) Iza ireo Magy?

Nilaza zavatra azo antoka sy tranainy indrindra momba ny Magy i Hérodote, Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.). Nanoratra izy hoe mpisorona persianina ny Magy, ary tena nahay nanandro sy nanazava ny hevitry ny nofy ary nilalao ody. Nanaraka ny fivavahana naorin’i Zoroastre ny Persianina tamin’izany. Azo inoana àry fa mpisorona tao amin’io fivavahana io ireo Magy noresahin’i Hérodote. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): “Olona nanana fahalalana sy fahaizana tena niavaka ny mágos teo amin’ny tontolo grika, tamin’ny ankapobeny. Nampiasa herin’ny maizina koa izy ireo indraindray.”

Nisy “Kristianina” mpivaofy teny fahiny, toa an’i Justin Maritiora sy Origène ary Tertullien, nilaza fa mpanandro ireo Magy nitsidika an’i Jesosy. Nanoratra, ohatra, i Tertullien hoe: ‘Fantatsika fa mifandray ny asan’ny maizina sy ny fanandroana. Ireo mpilaza ny hevitry ny toeran’ny kintana àry no voalohany ... nanolotra “fanomezana” ho an’i Jesosy.’ (Momba ny Fanompoan-tsampy, anglisy) Izany no antony nandikan’ny Baiboly maro ny magôi hoe “mpanandro.”

Nahoana no nolazain’i Matio fa tenin’i Jeremia mpaminany ireo teny ao amin’ny bokin’i Zakaria?

Ny Matio 27:9, 10 no tiana horesahina eto. Niresaka momba an’ilay vola nomena an’i Jodasy Iskariota hamadihana an’i Jesosy i Matio. Hoy izy: “Ary tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe: ‘Nalain’ireo ny farantsa volafotsy telopolo, izay vidiny nanombanan’ny sasany ... azy. Nomen’izy ireo hividianana ny sahan’ny mpanefy tanimanga izany.’ ” I Zakaria no naminany momba ilay farantsa volafotsy 30, fa tsy i Jeremia.—Zakaria 11:12, 13.

Misy fitambaram-boky atao hoe “ny Mpaminany” ao amin’ny Baiboly. (Matio 22:40) Toa ny bokin’i Jeremia no voalohany ao amin’io fizarana io indraindray, fa tsy ny an’i Isaia. Nampitondraina ny anaran’ny boky voalohany ao anatiny ilay fitambaram-boky. Io fizarana io àry no nolazain’i Matio hoe “Jeremia”, ary tao anatiny ny bokin’i Zakaria.

Fitambaram-boky hafa ao amin’ny Baiboly koa no nantsoin’i Jesosy hoe “Salamo”, izay atao koa hoe Asa Soratra. Rehefa nilaza àry izy fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba azy “ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo”, dia ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo iray manontolo no tiany horesahina.—Lioka 24:44.