Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Nambaran’ny Mpaminany?

Inona no Nambaran’ny Mpaminany?

Inona no Nambaran’ny Mpaminany?

TSY hahita zavaboary ara-panahy ianao, na hibanjina ny lanitra ela be aza. Tsy handre feon’izy ireo koa ianao, na hanongilan-tsofina tsara aza. Tena misy anefa izy ireny. Tena mahira-tsaina sy mahery izy ireo, ary samy manana ny anarany sy ny toetrany. Manisy soa antsika ny sasany, fa te hanisy ratsy antsika kosa ny hafa.

Milaza ny Jaona 4:24 fa fanahy ilay tena Andriamanitra. I Jehovah no anarany, ary mampiavaka azy amin’ireo andriamani-diso maro izany anarana izany. (Salamo 83:18) Hoy ny mpanao salamo: “Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa. Mendrika hatahorana kokoa noho ny andriamanitra rehetra izy. Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena, fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra. Haja amam-boninahitra no eo anatrehany, ary hery sy hatsarana no ao amin’ny toerany masina.”—Salamo 96:4-6.

Fahitana hitan’ireo mpaminany momba an’Andriamanitra

Mbola “tsy nisy nahita an’Andriamanitra” mihitsy ny olona, hoy ny Baiboly. (Jaona 1:18) Noho izany, dia tsy ho takatry ny saintsika mihitsy hoe manao ahoana ny endrik’Andriamanitra sy ny voninahiny. Mampiasa zavatra hitan’ny masontsika anefa Andriamanitra ao amin’ny Baiboly mba hanazavana zavatra tsy hitantsika, mitovy amin’ny hoe misy mpampianatra mahay iray mampiasa teny azon’ny mpianany rehefa manazava zavatra sarotra. Nomen’i Jehovah fahitana ny mpanompony tsy mivadika fahiny, mba hanampiana antsika haka sary an-tsaina hoe manao ahoana ny lanitra, ary inona no ifandraisantsika amin’ireo zavaboary ara-panahy any.

Hitan’i Ezekiela mpaminany tao amin’ny fahitana, ohatra, fa ampifandraisina amin’ny afo, famirapiratana, vato safira, ary avana ny voninahitr’i Jehovah. Nahazo fahitana koa ny apostoly Jaona, ka nahita an’i Jehovah teo amin’ny seza fiandrianany. Nilaza izy hoe “tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana” an’Andriamanitra, ary ‘nisy avana hoatran’ny emeraoda nanodidina an’ilay seza fiandrianana.’ Hitantsika amin’izany fa tsy manan-tsahala sy mahagaga ny hakanton’i Jehovah, ary mahafinaritra sy milamina.—Apokalypsy 4:2, 3; Ezekiela 1:26-28.

Nahazo fahitana hafa koa i Daniela mpaminany. Nahita anjely ‘iray alina ampitomboina iray alina nijoro’ teo anatrehan’i Jehovah izy. (Daniela 7:10) Azo antoka fa nahatalanjona tokoa izany! Tena mahatalanjona ny mahita anjely iray, na dia ao amin’ny fahitana aza, koa mainka fa anjely tsy tambo isaina!

Miverina in-400 eo ho eo ny teny hoe anjely ao amin’ny Baiboly, ka misy ny atao hoe serafima ary ny sasany atao hoe kerobima. Samy midika hoe “mpitondra hafatra” ny teny grika sy hebreo nadika hoe “anjely.” Afaka mifampiresaka àry ny anjely, ary afaka nifampiresaka tamin’ny olombelona izy ireny taloha. Tsy olona teto an-tany anefa no lasa anjely. Tonga dia anjely mihitsy no noforonin’i Jehovah, ary efa ela be talohan’ny namoronany ny olombelona no namoronany azy ireny.—Joba 38:4-7.

Hitantsika tamin’ilay fahitan’i Daniela teo fa misy anjely maro be any an-danitra. Tantarain’i Daniela fa nahita zavatra miavaka izy ireo. Inona izany? “Nisy toy ny zanak’olona” nanatona ny seza fiandrianan’i Jehovah, ary nomena azy io “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.” (Daniela 7:13, 14) I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty io “zanak’olona” nasaina hitondra ny tany io, ary manana toerana lehibe izy io any an-danitra. Tsy ho ela dia hosoloana ireo fitondram-panjakan’olombelona, ka ny fitondran’i Jesosy no hitondra. Hofoanan’izy io ny aretina, ny alahelo, ny fampijaliana, ny fahantrana, ary na dia ny fahafatesana aza.—Daniela 2:44.

Azo antoka fa tena faly ireo anjely tsy mivadika maro be, rehefa natao mpanjaka i Jesosy. Mitady izay tena hahasoa ny olombelona ireo anjely ireo. Mampalahelo anefa fa tsy mba faly toy izany ny anjely hafa.

Fahavalon’Andriamanitra sy ny olombelona

Nisy anjely iray naniry mafy ny hotompoina, tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona. Nivadika tamin’i Jehovah izy io noho izany, ary nanao ny tenany ho Satana. Midika hoe “mpanohitra” ny hoe Satana. Izy io no anjely ratsy toetra indrindra. Manohitra tanteraka an’i Jehovah izay be fitiavana indrindra, izy. Nisy anjely hafa koa niara-nikomy tamin’i Satana. Antsoina hoe demonia izy ireo ao amin’ny Baiboly. Lasa fahavalon’ny olombelona, toa an’i Satana, ny demonia, ary tena ratsy fanahy. Ny ataon’izy ireny no mahatonga ny ankamaroan’ny tsy rariny, ny fijaliana, ny aretina, ny fahantrana, ary ny ady mitranga eto an-tany.

Tsy dia tia miresaka momba an’i Satana intsony izao ny ankamaroan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Hazavaina ao amin’ny bokin’i Joba anefa ny toetran’io anjely nikomy io sy ny tanjony. Izao no voalaza ao: “Tamin’ny andro voatondro, dia samy naka ny toerany teo anatrehan’i Jehovah ireo zanak’Andriamanitra, ary mba tonga teo amin’izy ireo koa i Satana.” Niampanga an’i Joba i Satana tamin’izay. Nilaza izy fa mitady tombony fotsiny i Joba matoa manompo an’Andriamanitra. Te hanaporofo ny teniny i Satana, ka nampijaly mafy an’i Joba. Novonoiny ny biby fiompin’i Joba sy ny zanany folo, ary nataony feno vay mampanaintaina be ny vatany. Tsy nahomby anefa ny tetik’i Satana rehetra.—Joba 1:6-19; 2:7.

Misy antony tsara matoa i Jehovah nilefitra tamin’i Satana Devoly nandritra ny fotoana ela, nefa misy fetrany ihany izany. Tsy ho ela dia horinganiny izy io. Efa nanao zavatra maromaro mifandray amin’izany i Jehovah tany an-danitra, izay tsy ho fantatsika raha tsy nampahafantarina ao amin’ny Apokalypsy. Izao no vakintsika ao: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: I Mikaela [Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana]. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”—Apokalypsy 12:7-9.

Mariho fa “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana. Miezaka mampiely an’ireo lainga ampianarin’ny fivavahana izy mba hamitahana ny olona, ka hahatonga azy ireo hiala amin’i Jehovah sy tsy hanaraka ny Teniny. Anisan’ny lainga aeliny ny hoe mbola mitohy ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Misy karazany be dia be ny zavatra inoan’ny olona momba izany. Avy amin’io, ohatra, ilay fampianarana momba ny afofandiovana sy afobe mirehitra. Mino koa ny olona maro atỳ Afrika sy any Azia fa lasa any amin’ny razany any ankoatra ny olona rehefa maty.

Mankany an-danitra ve ny olona rehefa maty?

Olona an-tapitrisany eran-tany no mino hoe mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy. Ahoana indray ny amin’izay? Marina aloha fa misy olona sasany mankany an-danitra. Vitsy ihany anefa izy ireo, raha oharina amin’ireo olona an’arivony tapitrisa efa maty. Milaza ny Baiboly fa 144 000 ny isany. ‘Vidina avy eto an-tany’ izy ireo, ary ho “mpisorona” sy “mpanjaka hitondra ny tany.” (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3) Izy ireo sy ny Zanak’olona, dia i Jesosy Kristy, no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Handringana an’i Satana sy ny demoniany io Fanjakana io, ary hanova ny tany ho paradisa. Hovelomina indray ny ankamaroan’ny olona maty amin’izay, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ilay tany lasa Paradisa.—Lioka 23:43.

Raha fintinina àry, dia misy zavaboary ara-panahy tsy tambo isaina any amin’ny faritra tsy hita maso. I Jehovah Andriamanitra, izay namorona ny zava-drehetra, no lehibe indrindra amin’izy ireo. Misy anjely maro be manompo azy any, ary tsy mivadika aminy. Nivadika tamin’i Jehovah kosa ny anjely hafa tarihin’i Satana, ary mamitaka ny olombelona. Ankoatra izany, dia misy olombelona vitsivitsy “novidina” avy eto an-tany, izany hoe voafidy mba hahazo andraikitra manokana any an-danitra. Iza amin’ireo rehetra ireo àry no azontsika ifandraisana, ary amin’ny fomba ahoana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.