Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niaiky Aho hoe Mahavita “Zavatra Lehibe” Tokoa Andriamanitra

Niaiky Aho hoe Mahavita “Zavatra Lehibe” Tokoa Andriamanitra

Niaiky Aho hoe Mahavita “Zavatra Lehibe” Tokoa Andriamanitra

Notantarain’i Maurice Raj

Nahatsiravina ny fanafihana tamin’ny Ady lehibe II. Voatery nitsoaka ny fianakavianay, niaraka tamin’ny olona an’arivony. Namakivaky ny ala mikitrok’i Birmania izahay nandritra ny andro maro, ary natory teny am-bodihazo tamin’ny alina. Sivy taona aho tamin’izay. Nibaby entana kely aho ary tao daholo ny fananako. Vao fiandohan’ny zava-tsarotra anefa tamin’izay.

TAONA 1942 tamin’izay. Niady izao tontolo izao. Nihananatona ny tanànanay ny tafika japoney ka nandositra izahay. Vao avy nanafika an’i Birmania (Myanmar ankehitriny) izy ireo, ary naka an-keriny ny fitrandrahana solitany tao Yenangyaung. Mbola tsy tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Inde akory izahay, dia tratran’ny miaramila japoney, ary notereny hiverina hody.

Tany Yenangyaung izahay no nipetraka tamin’izaho mbola kely. Niasa tamin’ny orinasa mpitrandraka solitany tao i Dada tamin’izany. Lasan’ny Japoney i Birmania taorian’ilay zava-nitranga tetsy ambony, ka lasibatry ny baomba nalefan’ny fiaramanidina anglisy ilay toeram-pitrandrahana. Niafina tao anaty tatatra iray nandritra ny telo andro izahay mianakavy, indray mandeha, satria feno baomba nipoaka nanodidina anay. Nandeha lakana nandositra tany Sale izahay tamin’ny farany. Tanàna kely eo amoron’ny Reniranon’i Ayeyarwady (Irraouaddi) izy io. Faly izahay satria mbola velon’aina. Nijanona tany izahay mandra-pahatapitry ny ady.

Tao anatin’ny fahoriana no nahitako ny marina

Teraka lahy i Neny tamin’ny 1945, rehefa nifarana ny Ady Lehibe II. Faly be i Dada satria efa antitra izy nefa mbola niteraka. Tsy naharitra ela anefa izany fifaliany izany, satria maty ilay zandriko, telo volana taorian’izay. Nalahelo be i Dada ka maty koa tsy ela taorian’izay.

Te hampahery ahy ny namanay, ka nilaza tamiko fa nalain’Andriamanitra ho any an-danitra i Dada sy ilay zandriko. Naniry mafy hiaraka amin’izy ireo àry aho. Katolika ny fianakaviako, ka tany aho no nianatra voalohany momba ny fivavahana. Nampianarina ahy fa mankany an-danitra avy hatrany ny pretra sy ny masera, fa ny hafa kosa mbola mandalo ao amin’ny afofandiovana sy hampijalina vetivety ao, mba hodiovina ho afaka amin’ny fahotany. Te ho tafaraka tamin’i Dada sy ny zandriko àry aho, ka tapa-kevitra handeha hiofana ho pretra tany Maymyo (Pyin Oo Lwin ankehitriny), 210 kilaometatra eo ho eo avy eo aminay.

Tsy afaka nanao an’ilay fiofanana anefa aho, satria olona nahita fianarana ihany no voaray. Roa taona monja aho no mba nianatra, noho izahay nifindrafindra monina. Nikatona koa ny sekoly nandritra ny ady. Nisokatra ihany ny sekoly tatỳ aoriana, saingy tsy nanam-bola handefasana anay nianatra i Neny. Tena sahirana izahay satria tsy izahay telo mirahalahy ihany no novelominy. Maty ny rahavaviny ka izy koa no namelona an’ireo zanany telo mianadahy.

Afaka niasa ny zokiko lahy, fa izaho kosa vao 13 taona ka tsy dia nisy azoko natao. Nisy rahalahin’i Dada, atao hoe Manuel Nathan, nipetraka tany Chauk, any akaikin’i Sale, ka nieritreritra aho hoe: ‘Raha mandeha any aho, dia mba mihena ny vava mihinana ato an-trano.’ Nandeha nipetraka tany amin’ilay dadatoako àry aho.

Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io dadatoako io. Tena te hizara ny fahalalana ara-baiboly vao azony izy, ka noresahiny tsikelikely tamiko izany. Ny hevitry ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo no nanombohany ny resaka. Toy izao no fiandohan’izy io: “Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.”—Matio 6:9, 10, Kat.

Hoy izy avy eo: “Manana anarana Andriamanitra, araka izany. I Jehovah no anarany”, ary nasehony ahy tao amin’ny Baiboly ilay izy. Te hianatra bebe kokoa aho, nefa tsy nahay namaky teny tsara, eny fa na dia tamin’ny teny tamoul, tenin-drazako, aza. Tsy tena nahay anglisy koa aho, nefa tamin’ny teny anglisy ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly tao amin’i Dadatoa. Afaka nahatakatra tsikelikely ny fampianaran’ny Baiboly anefa aho. (Matio 11:25, 26) Nanjary takatro fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny foto-pinoanay. Nilaza tamin’i Dadatoa àry aho tatỳ aoriana hoe: “Dadatoa a, ity ianarantsika ity no tena marina!”

Nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny zavatra nianarako aho, tamin’izaho 16 taona. Vavolombelon’i Jehovah 77 monja no teto Myanmar tamin’izany. Nitsidika an’i Dadatoa ny misionera Vavolombelona iray atao hoe Robert Kirk, tatỳ aoriana. Nipetraka tao an-drenivohitra, tao Rangoun (Yangon ankehitriny) izy io. Nilaza taminy aho hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah, ka natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Ayeyarwady aho tamin’ny 24 Desambra 1949, mba hampisehoana izany.

Nandresy zava-tsarotra

Nifindra tany Mandalay aho taoriana kelin’izay, mba hitady asa. Te ho mpisava lalana mantsy aho, izany hoe ho mpitory manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nijery baolina anefa aho indray mandeha, dia nifanintontsintona ary torana. Voan’ny androbe aho. Tsy maintsy niverina nody tany amin’ny fianakaviako àry aho, mba hahafahan’izy ireo mikarakara ahy.

Nihetsika foana ilay aretina nandritra ny valo taona. Nihatsara anefa ny fahasalamako ka afaka niasa aho. Nanakivy ahy i Neny hoe tsy ho vitako ny hanao fanompoana manontolo andro noho ny tsy fahasalamako. Nilaza taminy anefa aho, indray andro, hoe: “Tsy andriko intsony ka! Te ho mpisava lalana aho. Mino aho fa hanohana ahy i Jehovah.”

Nifindra teto Yangon aho tamin’ny 1957, ary nirotsaka ho mpisava lalana. Nahagaga fa tsy niverina intsony ilay aretina raha tsy tamin’ny 2007, izany hoe 50 taona tatỳ aoriana. Mihinana fanafody aho izao, mba tsy hampihetsika azy io intsony. Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tamin’ny 1958, izany hoe nanokana 150 ora isam-bolana hitoriana.

Nankany Kyonsha, 110 kilaometatra avaratrandrefan’i Yangon, izaho sy Robert. Nisy antokon’olona namaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, ary te hahafantatra misimisy kokoa. Nisy vahoaka be tafavory tany rehefa tonga izahay. Namaly ny fanontaniana maro napetrak’izy ireo izahay, ary natoronay azy ireo ny fomba fitarihana fivoriana ara-baiboly. Nitory niaraka taminay ny sasany tamin’izy ireo, tsy ela taorian’izay. Nasaina nijanona tao amin’io tanàna io aho, ary tany no fanendrena voalohany azoko. Lasa nisy fiangonana nandroso tsara tao, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Misy Vavolombelona 150 mahery izao any.

Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho tatỳ aoriana, izany hoe nasaina nitsidika fiangonana sy antoko-mpitory nanerana an’i Myanmar. Imbetsaka aho no nandeha lavitra tamin’ny kamiao feno entana, tamin’ny lalana be vovoka. Nanavatsava ala mikitroka sy tendrombohitra mitomandavana koa aho, ary nandeha lakana namakivaky renirano. Tsy natanjaka loatra aho, kanefa tsapako fa nanome hery ahy i Jehovah mba hahafahako manohy an’ilay asa.—Filipianina 4:13.

“Hanampy anao i Jehovah”

Nafindra teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Yangon aho, tamin’ny 1962, ary nampiofanin’i Robert. Nasain’ny fanjakana niala teto Myanmar tampoka teo anefa ny misionera rehetra. Lasa daholo izy rehetra tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Tsy nampoiziko hoe izaho no tsy maintsy niandraikitra ny sampana.

Nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana no hahavitako an’izany, nefa aho tsy nahita fianarana sady tsy manana traikefa?’ Voamariky ny rahalahy be taona maromaro fa nanahy aho, ka nilaza tamiko izy ireo hoe: “Aza manahy Maurice a! Hanampy anao i Jehovah. Izahay rehetra koa manohana anao.” Tena nampahery ahy ny tenin’izy ireo! Tsy maintsy nanambatra ny tatitra isan-taona momba ny asa fitoriana teto Myanmar aho, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, satria nilaina tamin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1967 izany. Nanao toy izany foana aho, tao anatin’ireo 38 taona nanaraka. Imbetsaka no nisy zava-nitranga nanampy ahy hahatakatra hoe i Jehovah no tena mitarika ny asa.

Rehefa nangataka hahazo zom-pirenena birmanina, ohatra, aho, dia nila nandoa vola 450 kyats. * Tsy nanam-bola aho, ka nanapa-kevitra hoe aleo miandry. Nandalo teo amin’ny biraon’ny orinasa niasako taloha anefa aho, indray andro, ka hitan’ilay lehibeko. Niantso izy hoe: “Raj a! Avia alaivo ny volanao. Hadinonao ny naka ny volanao tamin’ny fisotroan-dronono.” Nahatratra 450 kyats ilay vola.

Nieritreritra izay azoko ampiasana an’ilay vola aho, rehefa niala teo. Tena ampy tsara hikarakarako an’ilay taratasy hahazoako ny zom-pirenena birmanina anefa ilay vola, ka nieritreritra aho hoe izay izany no tian’i Jehovah hampiasako azy io. Izany tokoa no nataoko ka tena nandray soa aho. Afaka nijanona teto Myanmar aho, nanao dia tamin-kalalahana, nanafatra boky sy gazety, ary afaka nanao zavatra hafa tena nilaina tamin’ny asa fitoriana teto.

Fivoriambe tany avaratra

Nanapa-kevitra hanao fivoriambe izahay tamin’ny 1969. Noeritreretina hatao tany Myitkyina, any amin’ny faritra avaratr’i Myanmar izy io, satria efa nandroso be ny asa tao. Ny tena sarotra anefa dia ny nahita fitaterana handehanan’ny Vavolombelona nipetraka tany atsimo. Nivavaka izahay, ary namandrika vagao enina tany amin’ny tompon’andraikitry ny lamasinina. Tena tsy nampoizinay fa nekena ny fangatahanay.

Vonona daholo ny zavatra rehetra nilainay tamin’ny fivoriambe, rehefa nandeha ny fotoana. Nandeha tany amin’ny gara izahay tamin’ny 12 antoandro, mba hitsena an’ireo mpanatrika fivoriambe avy any atsimo. Nanantena mantsy izahay hoe amin’ny 2.30 no ho tonga ilay lamasinina. Nomen’ny lehiben’ny gara telegrama anefa izahay nilaza hoe: “Najanonay ireo vagao enina an’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.” Nilaza ilay tompon’andraikitra hoe tsy zakan’ilay lamasinina ireo vagao fanampiny rehefa niakatra tendrombohitra.

Inona àry no hataonay? Ny hanemotra an’ilay fivoriambe no tonga tao an-tsainay voalohany. Raha manao izany anefa izahay, dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana isan-karazany indray, ka haharitra herinandro maromaro izany vao ho vita. Nivavaka mafy àry izahay, kanjo tamin’izay indrindra no tonga ny lamasinina. Tsy nino izahay nahita an’ireo vagao enina nisy Vavolombelona. Nitsikitsiky izy ireo sady nanofahofa tanana. Nanontany izahay hoe inona no nitranga, ka nanazava ny iray tamin’izy ireo hoe: “Nanala vagao enina ry zareo fa tsy ilay nisy anay!”

Nitombo avo roa heny, izany hoe efa ho 600, ny isan’ny Vavolombelona teto Myanmar teo anelanelan’ny taona 1967 sy 1971, ka nafindra tamin’ny trano misy rihana iray ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1978. Nitombo ho 2 500 eo ho eo izany, roapolo taona tatỳ aoriana. Nitarina indray ilay trano, ka natao trano misy rihana roa. Notokanana izy io tamin’ny 22 Janoary 2000, ka i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, avy any Etazonia, no nanao ny lahateny fitokanana. Io no trano ampiasaina hatramin’izao.

Ny fitahiana azoko

Mpiasa an-tsitrapo 52 izao no mipetraka sy miasa eto amin’ny sampana, eto Yangon. Misy Vavolombelona 3 500 eo ho eo eto, manompo any amin’ireo fiangonana sy antoko-mpitory 74. Faly koa aho satria lasa Vavolombelon’i Jehovah i Neny, taloha kelin’ny nahafatesany tamin’ny 1969.

Lasa mpandika teny teto amin’ny biraon’ny sampana i Doris Ba Aye, tany amin’ny 1965 tany ho any. Mpisava lalana teto Myanmar izy, ary nanatrika ny kilasy faha-32 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tamin’ny 1959. Fampiofanana misionera Vavolombelon’i Jehovah io sekoly io. Tiako izy, satria tsara tarehy, falifaly foana, ary tena tia an’i Jehovah. Nivady izahay tamin’ny 1970. Mbola mifankatia be izahay hatramin’izao, ary samy tsy mivadika amin’i Jehovah.

Efa 60 taona mahery izay no nahitako fa manohana ny asa fitoriana atao eto amin’ity tany misy anay ity Andriamanitra. Mahery tokoa izy ka tena tokony hoderaina. Hitako teo amin’ny fiainako fa mahavita “zavatra lehibe” tokoa i Jehovah.—Salamo 106:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Mitovy amin’ny 190 000 ariary eo ho eo ny 450 kyats.

[Sary, pejy 27]

Nitory teto Rangoun, eto Birmania, tamin’ny 1957 tany ho any

[Sary, pejy 28]

Hanatrika fivoriambe tany Kalemyo, eto Birmania, tamin’ny 1978 tany ho any

[Sary, pejy 29]

Tranon’ny sampana vaovao, nitarina tamin’ny taona 2000

[Sary, pejy 29]

Izahay sy Doris ankehitriny

[Sary, pejy 29]

Izahay mivady, mitory isan-trano