Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mikarakara Anao ve Andriamanitra?

Tena Mikarakara Anao ve Andriamanitra?

Tena Mikarakara Anao ve Andriamanitra?

MAHATSIARO ho tiana ve ianao, sa toa tsy misy miraharaha mihitsy indraindray? Mihazakaza-dava sy tia tena ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka mety hieritreritra ianao hoe kely loatra ka tsy hitan’ny olona. Marina tokoa izay lazain’ny Baiboly momba ny androntsika hoe ho tia tena loatra ny olona ka maro no tsy hiraharaha ny hafa.—2 Timoty 3:1, 2.

Samy mila mitia sy mila fitiavana ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, na inona na inona kolontsainy na fiteniny na firazanany. Milaza ny gazety ara-tsiansa fa natao hahatsapa fitiavana sy tambitamby ny vatan’ny olombelona. I Jehovah Andriamanitra, ilay namorona antsika, no tena mahatakatra tsara kokoa hoe mila fitiavana isika. Inona no ho tsapanao raha omeny toky ianao fa sarobidy aminy? Izany angamba no fankasitrahana tianao indrindra. Tena miahy ny olona tsy lavorary tokoa ve anefa i Jehovah? Mikarakara antsika tsirairay ve izy? Inona no antony itiavany ny olona iray?

Tena mikarakara antsika i Jehovah

Talanjona ny mpanao salamo, 3 000 taona lasa izay, rehefa nahita ny lanitra feno kintana. Niaiky izy fa tena faran’izay ambony Ilay namorona an’ireny kintana tsy hita isa ireny. Hitany hoe tena lehibe i Jehovah ary tena bitika ny olombelona. Gaga anefa izy rehefa nahita fa tia sy miahy azy ireo i Jehovah, ka hoy izy: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?” (Salamo 8:3, 4) Toa lavitra loatra na be atao loatra ilay Fara Tampony, ka tsy hiraharaha ny olona tsy lavorary. Fantatr’ilay mpanao salamo anefa fa sarobidy amin’Andriamanitra isika, na dia toa tsy misy dikany sy fohy andro aza.

Hoy koa ny mpanao salamo hafa iray: “Fa ny olona matahotra azy no ankasitrahan’i Jehovah, eny, ny olona miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” (Salamo 147:11) Samy manohina ny fo ny tenin’ireo mpanao salamo ireo. Na dia ambony aza mantsy i Jehovah, dia tsy hoe hitany fotsiny ny olombelona, fa ‘karakarainy’ sy ‘ankasitrahany’ koa.

Manamafy izany koa ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly. Nilaza tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany i Jehovah, fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany? Hoy ny Hagay 2:7: “Hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra, ary hofenoiko voninahitra izy ity.”

Inona ireo ‘zava-tsarobidy’ hangonina avy amin’ny firenena rehetra ireo? Tsy harena ara-bakiteny mihitsy ireo. (Hagay 2:8) Tsy volafotsy na volamena mantsy no tena mampifaly an’i Jehovah. Mahafaly azy kosa ny olona manompo azy noho ny fitiavana, na dia tsy lavorary aza. (Ohabolana 27:11) Izy ireo àry no ‘zava-tsarobidy’ manome voninahitra azy, ary tena ankamaminy satria mahafoy tena sy mazoto manompo azy. Anisan’izy ireo ve ianao?

Toa tsy mampino ny hoe olombelona tsy lavorary ve dia ho sarobidy amin’ny Mpamorona an’izao rehetra izao! Tokony handrisika antsika anefa izany mba hanaiky ny fanasany antsika hanatona azy.—Isaia 55:6; Jakoba 4:8.

“Tena tiana ianao”

Indray takariva, dia nisy zava-mahagaga nitranga tamin’i Daniela, izay efa be taona. Tonga nitsidika azy tampoka ny vahiny nanan-kaja iray, raha mbola nivavaka izy. Gabriela no anarany. Fantatr’i Daniela fa anjelin’i Jehovah izy io, satria efa hitany taloha. Nohazavain’i Gabriela taminy àry ny anton-diany hoe: “Ry Daniela ô, tonga aho hanampy anao hahafantatra sy hahazo tsara kokoa ny hevitry ny zava-drehetra ... satria tena tiana ianao.”—Daniela 9:21-23.

Nisy anjely hafa koa, indray mandeha, nilaza hoe: “Ry Daniela ô, tena tiana ianao.” Hoy ilay anjely avy eo, mba hampaherezana azy: “Aza matahotra, ry ilay tena tiana ô! Ho aminao anie ny fiadanana!” (Daniela 10:11, 19) Intelo àry i Daniela no nantsoina hoe “tena tiana.” Azo adika hoe “hajaina fatratra” na “tiana manokana” koa io teny io.

Azo antoka fa efa tsapan’i Daniela hoe akaiky an’Andriamanitra izy, ary nankasitrahana ny fanompoany. Vao mainka anefa izy nahazo toky, rehefa nampilaza tamin’ny alalan’ny anjely i Jehovah hoe tena tiana izy. Tsy mahagaga àry raha namaly i Daniela hoe: “Efa nankahery ahy ianao.”—Daniela 10:19.

Mahasoa antsika io fitantarana momba ny fitiavan’i Jehovah ny mpaminaniny tsy nivadika io, matoa nosoratana ao amin’ny Teniny. (Romanina 15:4) Tokony hisaintsaina ny ohatr’i Daniela àry isika. Hanampy antsika izany hahafantatra ny karazan’olona tian’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.

Ianaro tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra

Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Daniela, satria hoy izy: ‘Nandinika an’izay noraketin’ny boky aho, ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema.’ (Daniela 9:2) Ny asa soratr’i Mosesy, Davida, Solomona, Isaia, Jeremia, Ezekiela ary ny mpaminany hafa angamba no nisy tamin’izany. Alao sary an-tsaina i Daniela, eo anoloan’ny horonam-boky be dia be. Milofo mafy izy mamaky sy mampitaha an’ireo faminaniana momba ny famerenana ny fivavahana madio tany Jerosalema. Mety ho tao amin’ny efitra mangina tany an-tampon-tranony izy no nisaintsaina lalina ny hevitr’ireny faminaniana ireny. Nanatanjaka ny finoany izany, ary nahatonga azy ho akaiky an’i Jehovah.

Nanatsara ny toetran’i Daniela koa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, sady nisy vokany tamin’ny fiainany manontolo. Nianatra ny Soratra Masina izy hatramin’ny mbola kely. Lasa tapa-kevitra ny hankatò ny Lalàn’Andriamanitra momba ny sakafo àry izy rehefa nihalehibe. (Daniela 1:8) Sahy nanambara ny hafatr’Andriamanitra tamin’ireo mpitondra tao Babylona koa izy, tatỳ aoriana. (Ohabolana 29:25; Daniela 4:19-25; 5:22-28) Nalaza ho nazoto sy nanao ny marina ary mendri-pitokisana izy. (Daniela 6:4) Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah koa izy, fa tsy nanaiky lembenana mba hanavotana ny ainy. (Ohabolana 3:5, 6; Daniela 6:23) Tsy mahagaga àry raha ‘tena tia’ azy Andriamanitra!

Azo lazaina hoe mora kokoa ny mianatra ny Baiboly ankehitriny. Efa nosoloana boky mora ampiasaina izao ny horonam-boky fahiny. Efa manana ny Baiboly manontolo isika, ary voatantara ao ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela sasany. Manana boky fianarana Baiboly sy fitaovana fanaovana fikarohana be dia be koa isika. * Ampiasainao tsara ve izy ireny? Manokana fotoana tsy tapaka ve ianao mba hamakiana Baiboly sy hisaintsainana? Hanana finoana matanjaka toa an’i Daniela ianao raha manao izany, ary hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Hitari-dalana anao ny Tenin’Andriamanitra, ka ho azonao antoka fa tia sy mikarakara anao i Jehovah.

Mahareta amin’ny vavaka

Tia nivavaka i Daniela. Nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny zavatra nangatahiny. Tamin’izy tovolahy, ohatra, dia norahonana ho faty izy raha tsy nahay ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Tsy nisalasala àry izy niangavy an’i Jehovah, mba hanampy sy hiaro azy. (Daniela 2:17, 18) Tatỳ aoriana, dia nanetry tena izy sady niaiky hoe tsy lavorary, ka nibaboka ny fahotany sy ny an’ny fireneny, ary nitalaho famelana tamin’i Jehovah. (Daniela 9:3-6, 20) Nangataka ny fanampian’Andriamanitra koa izy rehefa tsy azony izay nolazaina taminy tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Tonga nitsidika azy àry ny anjely iray, mba hanome fanazavana fanampiny. Nanome toky azy koa izy io hoe: “Nohenoina ny teninao.”—Daniela 10:12.

Tsy fangatahana fotsiny anefa ny vavak’i Daniela. Hoy ny Daniela 6:10: ‘Nivavaka izy ary nidera an’Andriamaniny intelo isan’andro, araka ny efa fanaony.’ Nanana antony maro tokony hisaorana sy hiderana an’i Jehovah i Daniela, ka nanao izany tsy tapaka. Tapany lehibe tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra ny vavaka, ka nataony foana na dia mety hamoizany ny ainy aza. Noho izy tsy nivadika àry no nitiavan’i Jehovah azy.

Fanomezana tsara tokoa ny vavaka! Aza avela hisy andro iray tsy hiresahanao amin’ilay Rainao any an-danitra àry. Aza hadinoina ny misaotra sy midera azy, noho ny hatsaram-panahy rehetra nasehony taminao. Aza misalasala milaza aminy ny fanahianao. Saintsaino ny fomba namaliany ny fangatahanao, ary isaory izy. Mivavaha elaela kokoa. Ho tsapanao àry fa tia anao i Jehovah, rehefa mamboraka aminy ny ao am-ponao ianao. Tsy mandrisika anao ‘haharitra amin’ny vavaka’ ve izany?—Romanina 12:12.

Omeo voninahitra ny anaran’i Jehovah

Ho rava ny fifandraisan’ny mpinamana raha tia tena ny iray amin’izy ireo. Toy izany ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Fantatr’i Daniela tsara izany, ka niezaka mafy izy nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah.

Hoy i Daniela, rehefa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra ka nilaza taminy ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara: “Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie ny anaran’Andriamanitra, satria azy ny fahendrena sy ny hery!” Nilaza tamin’i Nebokadnezara ny hevitr’ilay nofy i Daniela tatỳ aoriana. Nomeny voninahitra foana anefa i Jehovah ka nolazainy fa Izy ihany no “Mpampiharihary zava-miafina.” Rehefa nitalaho famelan-keloka sy famonjena koa i Daniela, dia nivavaka hoe: “Andriamanitro ô, ... nantsoina tamin’ny anaranao ny tanànanao sy ny olonao.”—Daniela 2:20, 28; 9:19.

Misy fomba maro azontsika anahafana an’i Daniela. Afaka mangataka ny ‘hanamasinana’ ny anaran’Andriamanitra isika, rehefa mivavaka. (Matio 6:9, 10) Tsy tiantsika hanala baraka ny anarany masina mihitsy ny fitondran-tenantsika. Hanome voninahitra azy foana kosa isika, ka hiresaka amin’ny hafa izay fantatsika momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany.

Tsy manam-pitiavana sy tsy miraharaha ny hafa ny olona eto amin’ity tontolo ity. Fantatsika anefa fa tena mikarakara ny mpivavaka aminy tsirairay i Jehovah, ka mampahery izany. Hoy mantsy ny Salamo 149:4: “Ankasitrahan’i Jehovah ny olony. Ravahany famonjena ny mpandefitra.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Mamoaka boky fianarana sy fitaovana fanaovana fikarohana maro ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy anao amin’ny famakiana sy fianarana ny Baiboly izy ireny. Anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah raha te hahazo amin’izany ianao.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nasehon’Andriamanitra fa tiany i Daniela ka nirahiny ny anjely Gabriela mba hampahery azy

[Teny notsongaina, pejy 23]

Nanatsara ny toetran’i Daniela sy nahatonga azy ho tian’Andriamanitra ny fahazotoany nianatra sy nivavaka