Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza

Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza

TSAPAN’I Samoela hoe tena ory sy nalahelo mafy ny rehetra tao Silo. Nidradradradra sy nitomany ny zaza amam-behivavy, satria maty an’ady ny ankamaroan’ny lehilahy tao an-tanàna, anisan’izany ny ray, vady, zanaka, ary anadahy. Nahatsiravina ny faharesena satria miaramila israelita 30 000 no matin’ny Filistinina, nefa efa nisy 4 000 no matin’izy ireo taloha kelin’io.—1 Samoela 4:1, 2, 10.

Nisy zavatra hafa koa nanampy trotraka an’izany. Nanan-janakalahy ratsy fanahy i Ely mpisoronabe, dia i Hofinia sy Finehasa. Nentin’izy ireo niala tao Silo ny Vata misy ny fifanekena. Tao amin’ny efitra masina tao amin’ny tranolay masina no nisy an’io Vata sarobidy io, ary izy io no famantarana fa teo Andriamanitra. Nentin’ny olona tany an’ady àry ilay Vata, satria noheveriny ho toy ny ody fiaro sy hitondra fandresena ho azy ireo. Nobaboin’ny Filistinina anefa ilay Vata, ary novonoin’izy ireo i Hofinia sy Finehasa.—1 Samoela 4:3-11.

Efa taonjato maro ilay Vata no tao amin’ilay tranolay masina tao Silo. Lasa babo anefa ilay izy. Raha vao nandre izany i Ely izay efa 98 taona, dia nianjera avy teo amin’ny sezany ka maty. Maty teo am-piterahana tamin’iny andro iny koa ny vinantovaviny. Hoy ravehivavy rehefa ho faty: “Niala tamin’ny Israely ho any an-tsesitany ny voninahitra.” Tsy ho toy ny taloha intsony tokoa i Silo!—1 Samoela 4:12-22.

Inona no nataon’i Samoela manoloana an’izany fahadisoam-panantenana izany? Mbola hanam-pinoana ihany ve izy ka hahavita hanampy an’ilay vahoaka, izay tsy narovan’i Jehovah sy tsy nankasitrahany intsony? Mety hiatrika zava-tsarotra sy ho diso fanantenana koa isika, ka ho voasedra ny finoantsika. Inona àry no azontsika ianarana avy amin’i Samoela?

“Nampihatra izay mahitsy” izy

Ilay Vata masina indray aloha no resahin’ny Baiboly. Voalaza ao fa nijaly be ny Filistinina rehefa naka azy io, ka voatery namerina azy. Efa 20 taona tatỳ aoriana indray vao misy resaka momba an’i Samoela. (1 Samoela 7:2) Inona no nataony nandritra izany?

Fantatsika fa talohan’io 20 taona io, dia “nampitain’i Samoela tamin’ny Israely rehetra foana ny tenin’Andriamanitra.” (1 Samoela 4:1) Ary taorian’ilay 20 taona, dia fanaony ny nitsidika tanàna telo ka nandamina izay disadisa sy olana rehetra nisy tany. Nitety an’ireo tanàna ireo foana izy isan-taona, ary niverina tany Rama tanàna niaviany avy eo. (1 Samoela 7:15-17) Azo antoka àry fa be atao foana i Samoela nandritra ilay 20 taona.

Nanimba ny finoan’ny vahoaka ny fitondran-tena ratsin’ireo zanak’i Ely. Maro no lasa nanompo sampy. Efa niasa mafy nandritra ny 20 taona i Samoela, nefa mbola tsy maintsy nilaza izao hafatra izao ihany: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah, dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa sy ireo sarin’i Astarta. Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany, dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”—1 Samoela 7:3.

Nijaly ny vahoaka teo “an-tanan’ny Filistinina.” Resin’izy ireo tanteraka ny miaramila israelita, ka nihevitra izy ireo hoe afaka nanaram-po nampijaly an’ilay vahoakan’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny vahoaka anefa i Samoela fa ny fiverenana amin’i Jehovah ihany no vahaolana. Nanao an’izany ve izy ireo? Faly i Samoela satria nanaisotra ny sampiny izy ireo ary “nanompo an’i Jehovah irery ihany.” Novorin’i Samoela tany Mizpa, tany avaratr’i Jerosalema ny vahoaka. Tonga tany izy ireo, nifady hanina sy nibebaka ka tsy nanompo sampy intsony.—1 Samoela 7:4-6.

Ren’ny Filistinina fa nanao fivoriambe tany Mizpa ny vahoakan’i Jehovah, ka nanararaotra nandefa miaramila izy ireo mba hanafika tany. Fantatry ny Israelita izany ka natahotra izy ireo. Nasainy nivavaka àry i Samoela. Nivavaka i Samoela sady nanolotra fanatitra. Efa nihananatona ny Filistinina nandritra izany. Namaly ny vavak’i Samoela àry i Jehovah, ka ‘nandefa kotroka mafy be hoenti-manohitra ny Filistinina.’—1 Samoela 7:7-10.

Toy ny ankizikely matahotra kotroka miafina ao an-damosin-dreniny ve ny Filistinina? Tsia, satria miaramila efa zatra ady sady matanjaka izy ireo. Tsy mbola nandre kotroka toa an’io mihitsy anefa izy ireo. Fa nahoana? “Mafy be” loatra ve ny fidobok’ilay kotroka? Avy teny amin’ny lanitra manga ve ilay izy no nirefotra, sa nanako teny amin’ny tehezan-kavoana? Na ahoana na ahoana, dia nihorohoro izy ireo ka nisahotaka. Saika hamely izy ireo kanjo izy ireo indray no voa. Nirohotra avy tany Mizpa ireo lehilahy israelita, ka nandresy azy ireo sy nanenjika azy hatrany atsimoandrefan’i Jerosalema.—1 Samoela 7:11.

Nampiova zavatra be io ady io. Tsy nanafika intsony ny Filistinina nandritra ny fotoana sisa nitsaran’i Samoela. Tafaverina tsikelikely tamin’ny vahoakan’Andriamanitra koa ireo tanàna nalain’izy ireo.—1 Samoela 7:13, 14.

Nilaza ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana, fa anisan’ireo mpitsara sy mpaminany tsy nivadika “nampihatra izay mahitsy” i Samoela. (Hebreo 11:32, 33) Tena nanampy ny olona hanao izay tsara sy mahitsy teo imason’Andriamanitra izy. Nahomby foana izy satria naharitra niandry an’i Jehovah, ary nanao tsara ny asany foana na dia diso fanantenana aza. Nahay nankasitraka koa izy. Nanangana tsangambato iray izy taorian’ilay fandresena tany Mizpa, mba hahatsiarovana ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany.—1 Samoela 7:12.

Te ‘hampihatra izay mahitsy’ koa ve ianao? Tahafo àry i Samoela, ka manetre tena, manàna faharetana ary mahaiza mankasitraka. Mila an’ireo toetra ireo isika rehetra. Soa fa efa hatramin’ny mbola kely i Samoela no nanana an’ireo toetra ireo. Nanampy azy izany rehefa diso fanantenana izy tatỳ aoriana.

“Ny zanakao tsy mba nanao  toy izay nataonao”

“Efa antitra” i Samoela vao voaresaka indray ao amin’ny Baiboly. Nanan-janaka roa lahy efa lehibe izy, dia i Joela sy Abia. Nasainy nanampy azy hitsara izy ireo, saingy tsy mba nanao ny marina sy mahitsy toa azy. Nanararaotra ny toerany izy ireo mba hahazoana tombony, ka nanao fitsarana miangatra sy nandray tsolotra.—1 Samoela 8:1-3.

Nitaraina tamin’i Samoela ireo anti-panahin’ny Israely indray andro hoe: “Ny zanakao tsy mba nanao toy izay nataonao.” (1 Samoela 8:4, 5) Fantatr’i Samoela ve ilay olana? Tsy voalazan’ny Baiboly izany. Tsy toa an’i Ely anefa izy. Tsy nanitsy ny ratsy nataon’ireo zanany lahy mantsy i Ely fa nanome voninahitra azy ireo mihoatra noho Andriamanitra, ka nanarin’i Jehovah sy nosaziny. (1 Samoela 2:27-29) Tsy mba toy izany anefa no fahitan’i Jehovah an’i Samoela.

Tsy voalaza ny henatra sy ny tebiteby ary ny fahadisoam-panantenana mety ho nanjo an’i Samoela rehefa fantany ny ratsy nataon-janany. Takatry ny ray aman-dreny maro anefa izay tsapan’i Samoela. Betsaka mantsy ny ankizy mikomy amin’ny ray aman-dreniny sy tsy miraharaha fifehezana, amin’izao andro sarotra izao. (2 Timoty 3:1-5) Mety hampionona sy hitari-dalana ny ray aman-dreny manan-janaka maditra àry ny ohatr’i Samoela. Tsy navelan’i Samoela hampiova ny fitondran-tenany mihitsy mantsy ny fivadihan’ireo zanany. Tadidio fa mety hisy vokany amin’ny zanaka maditra ihany ny modely omen’ny ray aman-dreny rehefa tsy mandaitra ny teny sy ny fifehezana. Afaka manahaka an’i Samoela koa ny ray aman-dreny, ka hiezaka foana hampifaly an’i Jehovah Rainy.

‘Manendre mpanjaka ho anay’

Tsy mba noeritreretin’ireo zanak’i Samoela mihitsy izay mety ho vokatry ny fitiavan-tenany. Hoy ireo anti-panahin’ny Israely tamin’i Samoela: “Manendre mpanjaka hitsara anay, sahala amin’ny firenena rehetra.” Tsy toy ny nanda an’i Samoela mihitsy ve izany? Efa an-taonany maro mantsy izy no nasain’i Jehovah nitsara azy ireo. Tsy mpaminany toa an’i Samoela intsony anefa no tian’izy ireo hitsara azy fa mpanjaka toy ny an’ireo firenena nanodidina. Ahoana no fahitan’i Samoela an’izany? “Ratsy” teo imasony izany.—1 Samoela 8:5, 6.

Nivavaka momba izany i Samoela ka izao no navalin’i Jehovah: “Henoy izay rehetra lazain’ny vahoaka aminao, satria tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” Nampahery an’i Samoela izany, saingy nahitana fa tena nanevateva an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ilay vahoaka. Nasain’i Jehovah nampitandrina azy ireo àry i Samoela hoe hidi-kizo izy ireo raha mifidy mpanjaka olombelona. Nampitain’i Samoela izany hafatra izany, nefa hoy ihany izy ireo: “Tsia, fa aleo ihany hisy mpanjaka hifehy anay.” Nankatò an’Andriamaniny àry i Samoela ka nanosotra an’ilay mpanjaka voatendriny.—1 Samoela 8:7-19.

Nankatò tsy sazoka fotsiny ve i Samoela satria tezitra? Nanao an-dolompo ve izy satria diso fanantenana? Maro no mety hanao izany, fa tsy i Samoela mihitsy. Nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka izy ka nanaiky azy ho voafidin’i Jehovah. Nanoroka an’i Saoly izy ho fiarahabana sy ho fanekena azy ho mpanjaka. Hoy izy avy eo: “Hitanareo ve ilay nofidin’i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy amin’ny olona rehetra?”—1 Samoela 10:1, 24.

Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’io lehilahy nofidin’i Jehovah io i Samoela fa tsy tamin’ny fahalemeny. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy koa i Samoela ka izany no zava-dehibe taminy, fa tsy ny hahazo sitraka tamin’ilay vahoaka tsy mena-mivadika. (1 Samoela 12:1-4) Nataony tsara ny asa nanendrena azy, ka nolazainy an’ilay vahoaka izay mety hanimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Nampirisihiny koa izy ireo mba tsy hivadika mihitsy. Nanohina ny fon’ilay vahoaka izany ka niangavy an’i Samoela izy ireo mba hivavaka ho azy ireo. Hoy ny navalin’i Samoela: “Sanatria ahy ny hanota amin’i Jehovah ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo. Tsy maintsy mampianatra anareo ny lalana tsara sy mahitsy aho.”—1 Samoela 12:21-24.

Efa mba diso fanantenana ve ianao satria lasan’olon-kafa ny toerana na tombontsoa nirinao? Raha mitadidy ny ohatr’i Samoela isika, dia tsy hialona na hanao an-dolompo mihitsy. Betsaka mantsy ny asa mahafa-po azon’Andriamanitra omena ny tsirairay amin’ny mpanompony tsy mivadika.

“Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly?”

Tsy diso i Samoela raha nifantoka tamin’ny toetra tsaran’i Saoly. Lehilahy niavaka mantsy i Saoly. Lava ranjanana sy be herim-po ary natsilo saina izy. Nanetry tena sy tsy tia sehoseho koa izy tamin’ny voalohany. (1 Samoela 10:22, 23, 27) Ankoatra izany, dia afaka nisafidy izay tiany hatao tamin’ny fiainany izy. (Deoteronomia 30:19) Nampiasainy tsara ve izany safidy izany?

Mampalahelo fa matetika no lasa tsy manetry tena intsony ny olona rehefa mahazo fahefana. Toy izany mihitsy i Saoly. Lasa nirehareha izy tatỳ aoriana, ka nifidy ny tsy hankatò ny didin’i Jehovah nampitain’i Samoela. Tsy nahandry izy, indray mandeha, fa nanolotra fanatitra, nefa i Samoela ihany no nanan-jo hanao izany. Voatery nananatra azy mafy i Samoela ary nilaza fa hesorina amin’ny taranany ny fanjakana. Tsy fay anefa i Saoly, fa vao mainka nanao zavatra ratsy kokoa.—1 Samoela 13:8, 9, 13, 14.

Nirahin’i Jehovah i Samoela hilaza tamin’i Saoly mba hiady tamin’ny Amalekita. Nasain’i Jehovah naringany koa i Agaga, ilay mpanjaka amalekita ratsy fanahy. Tsy naringan’i Saoly anefa izy io mbamin’izay tsara indrindra tamin’ny biby azo babo, izay tokony ho naringana koa. Tena niova be i Saoly tamin’i Samoela nanitsy azy. Tsy nanetry tena intsony izy na nanaiky hahitsy fa nanamarin-tena sy nanodinkodin-dresaka. Nailiny tany amin’ny vahoaka indray ny fahadisoany. Te hanamaivana an’ilay fananarana izy ka nilaza fa hatao fanatitra ho an’i Jehovah ny sasany tamin’ireo zavatra azo babo. Tamin’izay i Samoela no nilaza hoe: “Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona.” Sahy niteny mafy an’i Saoly izy, ary nilaza taminy ny fanapahan-kevitr’i Jehovah hoe: Hesorina aminy ny fanjakana ary homena ho an’olona tsara kokoa.—1 Samoela 15:1-33.

Nalahelo be i Samoela noho ny nataon’i Saoly, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah ny alina tontolo. Toy ireny nisaona ireny mihitsy izy. Betsaka ny zavatra nandrasan’i Samoela tamin’i Saoly, noho ireo toetra tsarany, nefa tsy nisy azony nantenaina intsony izao. Lasa ratsy toetra sy nivadika tamin’i Jehovah i Saoly. Tsy nanaiky hahita azy intsony i Samoela. Nahitsin’i Jehovah moramora izy tatỳ aoriana hoe: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly, nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy menaka ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”—1 Samoela 15:34, 35; 16:1.

Tsy mampiova ny fikasan’i Jehovah ny fivadihan’ny olona tsy lavorary. Raha mivadika mantsy ny olona iray, dia mahita olon-kafa hanao ny sitrapony foana izy. Tsy nalahelo an’i Saoly intsony àry i Samoela, izay efa antitra. Nasain’i Jehovah nankany an-tranon’i Jese tany Betlehema izy, ka nihaona tamin’ny zanakalahin’i Jese sasany, izay sady tsara tarehy no bikàna. Vao nahita ny lahimatoa anefa izy dia efa nampahatsiahivin’i Jehovah hoe: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany ... Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Hitan’i Samoela ihany tamin’ny farany ilay nofidin’i Jehovah, dia i Davida ilay faralahy.

Tamin’ny taona faramparany niainan’i Samoela, dia vao mainka hitany fa nety ny nanoloan’i Jehovah an’i Saoly tamin’i Davida. Lasa be fialonana i Saoly ka nitady hamono an’i Davida. Niala tamin’i Jehovah koa izy. Tsara toetra kosa i Davida. Be herim-po izy, tsy nivadika, ary nanam-pinoana. Vao mainka nihanatanjaka ny finoan’i Samoela rehefa nadiva ho faty izy. Takany fa na diso fanantenana toy inona aza ny olona iray, dia hain’i Jehovah sitranina foana izany. Hainy mihitsy aza ny mamadika izany ho fitahiana. Efa ho zato taona i Samoela vao maty. Niavaka ny tantaram-piainan’io lehilahy tsy nivadika io, ka tsy mahagaga raha nitomany azy ny Israelita rehetra. Tsara àry raha mandinika an’ity fanontaniana ity ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny: ‘Tsy hivadika toa an’i Samoela ve aho?’

[Sary, pejy 25]

Ahoana no nahafahan’i Samoela nanampy ny vahoaka rehefa diso fanantenana izy ireo?

[Sary, pejy 26]

Inona no nataon’i Samoela rehefa nandiso fanantenana azy ny zanany?