Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Fivavahana Marina!

Arovy ny Fivavahana Marina!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Arovy ny Fivavahana Marina!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Elia, Ahaba, ary mpaminanin’i Bala 450 eo ho eo.

Famintinana: Noporofoin’i Elia fa ambony noho i Bala i Jehovah.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY 1 MPANJAKA 18:17-40.

Alao sary an-tsaina ny toerana nisy an’i Elia, sy ny mpaminanin’i Bala, ary ireo alitara. Makà taratasy avy eo, dia ataovy sary izany.

Hoatran’ny ahoana ny feo mety ho “re” nandritra ilay fotoana voaresaka eo amin’ny andininy 26 ka hatramin’ny 29?

․․․․․

Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Elia rehefa niresaka tamin’ny mpaminanin’i Bala izy?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana i Elia no nila fahasahiana rehefa nanatona an’i Ahaba, sy rehefa nanao an’ilay fitsapana hanalana baraka an’ireo mpaminanin’i Bala maro be? (Vakio ny 1 Mpanjaka 18:4, 13, 14.)

․․․․․

Manaova fikarohana ao amin’izay boky ara-baiboly anananao, mba hahafantaranao momba ny fivavahana tamin’i Bala. Ohatra: Inona no fombafomba tafiditra tamin’izany? Inona no vokatry ny fivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Israelita?

․․․․․

Araka ny hevitrao, nahoana i Elia no nanisy tatatra nanodidina an’ilay alitaran’i Jehovah, ary avy eo nameno rano azy io?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Fahasahiana ilaina mba hiarovana ny fivavahana marina.

․․․․․

Soa raisin’ireo manana fahasahiana toy izany.

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Amin’ny fotoana inona ianao no mila fahasahiana kokoa mba hiarovana ny fivavahana marina?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org

[Efajoro, pejy 31]

Filazana Momba ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra

Tsy hiseho ato anatin’ny Tilikambo Fiambenana intsony ny daty sy toerana hanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra, manomboka amin’ity taona ity. Azo jerena ao amin’ny jw.org ao amin’ny Internet kosa izany.