Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Haniry Mafy Hahita” Azy Ianao

“Haniry Mafy Hahita” Azy Ianao

Manatòna An’Andriamanitra

“Haniry Mafy Hahita” Azy Ianao

MAHAVAKY fo ny mahita ny olona tiantsika mijaly sy maty. Ara-dalàna raha malahelo be isika. Mampahery anefa ny mahalala fa mahatakatra ny alahelontsika i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona. Tsy andriny mihitsy aza ny hampiasa ny heriny hananganana ny maty. Mariho, ohatra, ilay fampanantenana ao amin’ny Joba 14:13-15.

Lehilahy nanam-pinoana niavaka i Joba. Nizaka fitsapana mafy izy, anisan’izany ny hoe very ny fananany, maty ny zanany rehetra, ary narary mafy izy. Nijaly loatra izy, ka niantso vonjy tamin’Andriamanitra hoe: “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao!” (Andininy 13) Nihevitra i Joba fa ho toy ny harena afenin’Andriamanitra izy rehefa any amin’ny Fasana, ka hifarana ny fijaliany. *

Hijanona mandrakizay any amin’ny Fasana ve i Joba? Tsy nino an’izany izy. Hoy mantsy izy: ‘Raha mba manome ahy fe-potoana ianao, dia hahatsiaro ahy!’ Nino mafy i Joba fa hiserana ihany ny fotoana hijanonany any am-pasana, ary tsy hanadino azy i Jehovah. Nilaza i Joba fa toy ny voatery miandry izy, mandritra ny fotoana maha ao amin’ny Fasana azy. Hafiriana anefa? “Mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy”, hoy izy. (Andininy 14) Midika hoe fananganana amin’ny maty ilay hoe fanafahana.

Nahoana i Joba no nino mafy fa hafahana? Fantany mantsy fa malahelo an’ireo mpanompony nodimandry izay tsy nivadika, ilay Mpamorona be fitiavana. Hoy i Joba: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Andininy 15) Niaiky izy fa asan’ny tanan’Andriamanitra. Azo antoka fa ho afaka hanangana azy indray ilay Mpanome aina, izay namolavola azy tao an-kibo.—Joba 10:8, 9; 31:15.

Andraisantsika lesona sarobidy momba an’i Jehovah ny tenin’i Joba: Tena tiany ny olona, toa an’i Joba, izay manaiky hovolavolainy mba ho lasa olona mahafinaritra eo imasony. (Isaia 64:8) Sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika. ‘Maniry mafy hahita’ an’ireo olona maty tsy nivadika taminy izy. Milaza ny manam-pahaizana iray fa “tena mety tsara ilazana fihetseham-po lalina” ilay teny hebreo nadika hoe maniry mafy. Tsy vitan’ny hoe tsaroan’i Jehovah fotsiny ny mpanompony, fa tsy andriny mihitsy izay hananganana azy amin’ny maty.

Anisan’ny boky nosoratana voalohany ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Joba. Nolazain’i Jehovah ao ny fikasany hanangana ny maty. * Tiany ho tafahaona indray ianao sy ny olona tianao efa maty. Ho mora kokoa aminao ny hizaka fahoriana rehefa mieritreritra an’izany ianao. Nahoana raha mianatra bebe kokoa momba an’io Andriamanitra be fitiavana io, ka manaiky hovolavolainy? Hahita ny fahatanterahan’ny fikasany ianao amin’izay.

Famakiana Baiboly Amin’ny Martsa:

Estera 1Joba 15

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Milaza ny boky iray fa ilay tenin’i Joba hoe “manafina ahy”, dia azo adika hoe “mametraka [ahy] amin’ny toerana azo antoka, toy ny zava-tsarobidy.” Misy boky hafa indray milaza hoe “manafina ahy toy ny harena sarobidy.”

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa mahakasika ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao, ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.