Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

“ . . . ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.”—MATIO 24:14.

NANONONA vavaka modely i Jesosy tao amin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra. Anisan’ny nasainy nangatahina ny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Olona an-tapitrisany no manao tsianjery sy mamerimberina an’io vavaka io. Milaza ny rakipahalalana iray fa io “no vavaka iombonan’ny Kristianina rehetra.” Maro amin’ireo olona manao tsianjery azy io anefa no tsy mahalala hoe inona ilay Fanjakana, ary inona no hataon’izy io rehefa ho tonga.—Matio 6:9, 10.

Tsy mahagaga izany. Mifanohitra sy misafotofoto ary sarotra be ny fanazavan’ny mpitondra fivavahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Milaza ny mpitondra fivavahana iray fa izy io dia “hery miafina, ... fahatsapana ao anaty fa mifandray amin’Andriamanitra velona, ... fifandraisana amin’Andriamanitra izay mahatonga ny olona rehetra, na lahy na vavy, hahazo famonjena.” Misy hafa kosa milaza fa “fampianarana momba ny Eglizy” ny filazantsaran’ilay Fanjakana. Hoy koa ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy): “Ny fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana amin’ny alalan’ny fanahy masina.”

Mazava kokoa ny fanazavana ao amin’ny pejy 2 amin’ity gazety ity, hoe: “Hanafoana ny faharatsiana rehetra sy hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay tena fitondram-panjakana any an-danitra.” Manamarina izany ny Baiboly. Andeha hojerentsika.

Ireo ho mpitondra ny tany manontolo

Fitondrana entin’ny mpanjaka ny hoe fanjakana. I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahita fahitana i Daniela mpaminany hoe nomena fahefana tany an-danitra i Jesosy. Hoy izy: “Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah Andriamanitra] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.”—Daniela 7:13, 14.

Milaza koa ny bokin’i Daniela fa hataon’Andriamanitra mafy orina ilay Fanjakana. Hanafoana ny fitondran’olombelona rehetra izy io, ary tsy ho rava mihitsy. Voalaza ao amin’ny toko faha-2 fa nanonofy ny mpanjakan’i Babylona, ka nahita sarivongana ngezabe, izay mifanitsy amin’ny firenena matanjaka mifandimby mitondra. Nilaza ny hevitr’io nofy io i Daniela. “Any am-parany”, hoy izy, “dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Daniela 2:28, 44.

Hisy olon-kafa hiara-manjaka amin’i Jesosy. Nanome toky ny apostoliny tsy nivadika i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, fa hatsangana ho any an-danitra izy ireo sy ny olon-kafa, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana. (Lioka 22:28-30) Tsy seza ara-bakiteny no tiany hambara, satria nilaza izy fa any an-danitra no hisy an’ilay Fanjakana. Milaza ny Baiboly fa avy amin’ny “foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy. Ho “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:9, 10.

Nahoana no tsara ny vaovao momba ilay Fanjakana?

Mariho fa nomena fahefana hitondra “ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny” i Kristy Jesosy, ary “ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo hiaraka aminy. Iza àry no ho olom-pehezin’io Fanjakana io? Ireo mandray an’ilay vaovao tsara torina ankehitriny. Anisan’izy ireo koa ireo hatsangana amin’ny maty, izay ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany.

Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny fitahiana ho azon’ny vahoakan’ilay Fanjakana. Ireto misy vitsivitsy:

“Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.”Salamo 46:9.

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.”Isaia 65:21, 22.

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”Apokalypsy 21:3, 4.

“Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina. Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana.”Isaia 35:5, 6.

“Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana.”Jaona 5:28, 29.

‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’Salamo 37:11.

Vaovao tsara tokoa izany! Tsy izay ihany anefa. Porofoin’ireo faminaniana efa tanteraka, fa tsy ho ela dia hitondra ny tany manontolo araka ny fahamarinana ilay Fanjakana.