Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tia Anay ve i Jehovah na dia Indianina Mena Hoditra aza Izahay?”

“Tia Anay ve i Jehovah na dia Indianina Mena Hoditra aza Izahay?”

Taratasy avy any Meksika

“Tia Anay ve i Jehovah na dia Indianina Mena Hoditra aza Izahay?”

MITENY o’dam i Melesio. Midina avy any amin’ilay tendrombohitra misy azy izy indraindray, mba hitady asa. Namonjy fivoriana kristianina izy, ary nitondra boky sy gazety ara-baiboly ho an’ny mpiray tanàna aminy. Niangavy olona hitsidika sy hampianatra Baiboly azy ireo bebe kokoa izy.

Toerana tena mitokana any an-tendrombohitra, any amin’ny faritra avaratra-afovoan’i Meksika, no misy ny foko o’dam. Nandeha nitsidika azy ireo ny maromaro taminay. Tany amin’ny 240 kilaometatra avy teo mantsy vao nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nandeha kamiao kely izahay, nitondra tranolay, kitapo lamba fatoriana, ary sakafo sy lasantsy ampy anay telo andro. Niainga tao Durango tamin’ny efatra maraina izahay, ary niakatra tendrombohitra tamin’ny lalana be vovoka, nandritra ny adiny valo. Misy tevana be sy tendrombohitra hafa any amin’ny faran’ilay lalana. Avy eo no manomboka ny faritra misy ny O’dam.

Navelanay teo amin’ny tanàna kely mitokana iray ilay kamiao. Nandeha an-tongotra adiny telo nidina teny amin’ny faran’ilay tevana izahay, niaraka tamin’ny entanay, ary teo no natory. Nanangona kitay izahay ary nandrehitra afo handroahana bibidia. Nifandimby nifoha isaky ny adiny telo izahay mba hisorona afo.

Nananika an’ilay tendrombohitra izahay ny ampitso vao nangiran-dratsy. Nisy lalankely be dia be, ka very foana izahay. Nahaihay niteny o’dam ny iray taminay, ka afaka nitory tao amin’ireo trano nolalovanay izahay. Gaga be izahay rehefa nisy nilaza fa misy olona mitonona ho Vavolombelon’i Jehovah any Los Arenales, ilay toerana halehanay. Nanao fivoriana ara-baiboly koa, hono, ry zareo. Nahagaga ilay izy nefa nampahery ihany koa.

Nibontsin-drano mihitsy ny tongotray vao tonga tany Los Arenales. Trano biriky mitsitokotoko mitafo baoritra no misy any, ary tsy misy sekoly na herinaratra. Mitokana loatra ilay toerana ka mahantra fadiranovana ny mponina. Mofo katsaka sy zavatra tsotsotra no mba sakafony. Nihaona taminay i Melesio, lehilahy mahiahia. Faly erỳ izy nahita anay. Tsotsotra ny tranony ary nasainy nankany izahay. Nilaza izy fa nivavaka tamin’i Jehovah isan’andro, mba handefasany ny Vavolombelony hampianatra Baiboly azy mianakavy sy ny mpiray tanàna aminy. Tsapany mantsy fa tsy voavaliny ny fanontanian’ny olona.

Manao sikidy ny O’dam. Mampiasa volom-boromahery sy taolana, ohatra, izy ireo mba hanaovana ody fiaro. Atahoran’izy ireo mafy koa ireo mpisikidy, izay manararaotra azy ireo. Nilaza i Melesio fa tamin’izy nankany an-tanàn-dehibe no nahalalany fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Nopotehiny daholo àry ny sampiny. Nanantena ireo mpiray tanàna aminy fa hovonoin’ireo andriamanitra izy ho saziny. Tsy nisy na inona na inona nitranga anefa ka niaiky izy ireo hoe mbola mahery lavitra i Jehovah. Rehefa nampianatra Baiboly ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny bokintsika àry i Melesio, dia nanomboka nanatrika koa ry zareo.

Hoy i Melesio: “Nilazako izy ireo hoe tokony hodorany aloha ny ody fiarony sy ny sampiny.” Tsy ninonino foana intsony ny maro tamin’izy ireo, ary lasa 80 mahery no nanatrika an’ilay fianarana Baiboly. Gaga be izahay nandre an’izany, ka nanapa-kevitra hoe hasiana fivoriana ny tolakandron’iny. Naniraka olona nitaingin-tsoavaly àry izahay, mba hampandre an’ireo efa mpivory tao an-tranon’i Melesio. Nisy 25 no tonga na dia andavanandro sy tampoka be aza no nanaovana azy. Nitaingina ampondra izy ireo na nandeha an-tongotra.

Novalianay avy tao amin’ny Baiboly ny fanontanian’ny olona, ary i Melesio no nandika teny. Nanontany, ohatra, ry zareo hoe: “Tia anay ve i Jehovah na dia Indianina Mena Hoditra aza izahay?”, “Henoiny ve ny vavaka amin’ny fiteninay?”, “Mba ho hitan’i Jehovah ve izahay atỳ lavitra be atỳ, rehefa ho tonga ny Hara-magedona?” Faly erỳ izahay nanome toky an’ireo olona tso-po ireo, avy tao amin’ny Baiboly, fa karakarain’i Jehovah ny mpandefitra, na inona na inona fiteniny ary na mitokana toy inona aza no misy azy. Niangavy anay izy ireo mba handefa olona hampianatra azy bebe kokoa.

Niara-nihinana ny sakafonay tamin’ireo namanay vaovao ireo izahay, rehefa vita ilay fivoriana. Alina amin’izay ny andro. Tena nangatsiaka be teny ambony teny. Faly erỳ izahay fa navelan-dry zareo hatory tao amin’ny trano iray mbola tsy vita. Naterin’izy ireo tany amin’ny kamiaonay tamin’ny lala-manivaka izahay ny ampitson’iny, ary nody tany Durango. Reraka be izahay nefa afa-po.

Tena voninahitra lehibe ny nihaona tamin’ireo olona tso-po ireo. Tsy mahay mamaky na manoratra na miteny espaniola ny ankamaroany, nefa te hahafantatra momba an’ilay tena Andriamanitra sy hanompo azy. Nisy Vavolombelona enina nijanona tany nandritra ny roatokombolana, taorian’ny nandehananay. Nampianarin’izy ireo Baiboly ny olona 45 teo ho eo, izay tena naniry hanompo an’i Jehovah. Mivory tsy tapaka izy ireo.

Izao koa no mahaliana: Iray monja ny fivarotana any Los Arenales. Tsy mivarotra sigara intsony izy io, satria olona maro no mianatra Baiboly ka tsy mifoka intsony. Nisora-panambadiana koa izy ireo.

[Sary, pejy 24]

Melesio miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany vavy efatra ary ny rafozambaviny

[Sary, pejy 25]

Fianarana Baiboly sy fivoriana tany Los Arenales

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Servicio Postal Mexicano, Correos de Mexico