Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Ahazoantsika Fanampiana mba Hiatrehana ny Fiainana?

Aiza no Ahazoantsika Fanampiana mba Hiatrehana ny Fiainana?

Lahateny Manokana ho An’ny Besinimaro

Aiza no Ahazoantsika Fanampiana mba Hiatrehana ny Fiainana?

Maro be ny torohevitra omen’ny boky sy ny tele mba hanampiana ny olona amin’ny olana mahazo azy. Mbola eo foana anefa ireo olana lehibe. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Misy afaka manome tari-dalana azo atokisana ve?’ Eny!

Efa an’arivony taona no nisian’ny Baiboly, nefa misy toro lalana tsy mety lefy ao. Valiana ao, ohatra, ny hoe:

▪ Ahoana no handaminako tsy fifanarahana sy hifandraisako tsara amin’ny hafa?

▪ Ahoana no hahasambatra ahy?

▪ Ahoana no hiatrehako olana ara-bola?

▪ Ahoana no hampihenako ny fanahiako?

Hovaliana ireo fanontaniana ireo amin’ilay lahateny manokana hoe “Tena Manampy Antsika Hiatrika ny Fiainana ve ny Baiboly?” Hatao any amin’ny tany 230 mahery izy io. Any amin’ny toerana maro, dia hatao any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, ny alahady 1 Mey 2011.

Anontanio amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo ny ora sy ny toerana hanaovana azy. Faly izahay manasa anao hanatrika azy io.