Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Miaraka Amin’ny Naman-dratsy!

Aza Miaraka Amin’ny Naman-dratsy!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora:

Aza Miaraka Amin’ny Naman-dratsy!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Dina, Sekema, Jakoba, Simeona, ary Levy

Famintinana: Novetavetain’i Sekema i Dina ka tezitra ny anadahiny ary nitady hamaly faty.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY GENESISY 34:1-31.

Araka ny hevitrao, inona avy no zavatra mety ho nataon’i Dina sy ireo namany tany Kanana?

․․․․․

Araka ny hevitrao, inona no nolazain’i Sekema tamin’izy ‘tsy nitsahatra nanao teny nambabo ny fon’i Dina’?

․․․․․

Araka ny hevitrao, mety ho hoatran’ny ahoana ny feon’i Jakoba tamin’izy nibedy an’i Simeona sy Levy, eo amin’ny andininy 30?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Araka ny hevitrao, nahoana i Dina no nitsidika foana an’ireo zazavavin’i Kanana? (Inona, ohatra, no mety ho nitovizany tamin’izy ireo? Inona no mety ho hitany tany amin’ireo Kananita ka tsy hitany tany aminy?)

․․․․․

Inona no toetran’i Sekema mety ho nanaitra an’i Dina? (Vakio indray ny andininy 3, 12, ary 19.)

․․․․․

Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy naniry hanao firaisana i Dina? (Vakio indray ny andininy 2.)

․․․․․

Araka ny hevitrao, rariny ve raha namaly faty i Simeona sy Levy ka namono an’ireo lehilahy tao an-tanànan’i Sekema? Nahoana?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY HOE...

Nahoana ianao no mila mahay mifidy namana tsara?

․․․․․

Nahoana ianao no mila mifehy tena na dia rariny aza raha tezitra ianao?

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Mety hisy olona tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena hitady hametaveta anao. Inona avy no azonao atao mba tsy hitrangan’izany aminao?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org