Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana 4. Tsy Manam-pitiavana

Faminaniana 4. Tsy Manam-pitiavana

Faminaniana 4. Tsy Manam-pitiavana

‘Tsy ho tia ny mpianakaviny ny olona.’—2 TIMOTY 3:1-3.

● Miasa amin’ny fikambanana manampy ny olona iharan’ny herisetra ao an-tokantrano, any avaratr’i Pays de Galles, i Chris. Hoy izy: “Tsaroako nisy vehivavy iray nankao aminay. Potika ny tarehiny ka saika tsy fantatro intsony izy. Nisy vehivavy hafa indray ketraka loatra, ka tsy nahajery olona.”

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny tany iray atsy Afrika. Hita fa vehivavy 1 eo ho eo isaky ny 3 no nisy nametaveta tamin’izy mbola kely. Ampahatelony mahery amin’ny lehilahy koa no nihevitra fa ara-dalàna ny mamono vady. Tsy ny vehivavy ihany anefa no iharan’ny herisetra ao an-tokantrano. Lehilahy efa ho 3 isaky ny 10, ohatra, no maty vono sy ampijalin’ny vadiny any Kanada.

INONA NO HEVITRY NY OLONA? Efa nisy foana ny herisetra ao an-tokantrano hatramin’izay. Voamarika kokoa fotsiny izany ankehitriny.

MITOMBINA VE IZANY? Marina fa voamarika hoe tena nitombo be ny herisetra ao an-tokantrano tato ho ato. Nampihena ny isan’ny herisetra ao an-tokantrano ve anefa ny fahafantarana an’izany? Tsy izany velively fa vao mainka aza tsy manam-pitiavana ny olona.

AHOANA NY HEVITRAO? Tanteraka ve ny 2 Timoty 3:1-3? Tsy tia ny mpianakaviny tokoa ve ny olona maro, nefa tokony handeha ho azy izany?

Mahakasika ny tany ny faminaniana fahadimy efa tanteraka. Diniho izay lazain’ny Baiboly momba izany.

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Ny herisetra ao an-tokantrano no anisan’ny heloka tsy dia resahina indrindra eo amin’ny fiaraha-monina. Efa novonoin’ny vadiny in-35 ny vehivavy iray matetika vao mitaraina any amin’ny polisy.”—MPITONDRA TENIN’IREO MPANOME FANAMPIANA AN-TELEFAONINA AN’IREO IHARAN’NY HERISETRA AO AN-TOKANTRANO ANY PAYS DE GALLES.