Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Inona no nahatonga ny mpihira malaza iray hiala tamin’ny asany mba ho lasa mpitory manontolo andro? Nahoana no lasa olona tsara ny mpanao heloka bevava iray, izay nolazain’ny mpitsara fa tsy hiova intsony? Ho hitanao ato amin’ireto tantara ireto ny valin’izany.

“Tsy misy mahay manompo tompo roa.”—ANTOLINA ORDEN CASTILLO

TERAKA: 1962

FIRENENA: ESPAINA

FIAINANY TALOHA: MPILALAO TANTARA AN-TSEHATRA SADY MPIHIRA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Tresjuncos, tanàna kely any amin’ny faritra antsoina hoe La Manche, aho. Tantsaha ny fianakaviako. Katolika i Neny, fa Protestanta i Dada. Nampianarin’i Dada hanaja ny Baiboly aho. Hitako namaky Baiboly foana koa izy. Nobeazin’i Neny tamin’ny fivavahana katolika anefa aho, ary nentiny namonjy Lamesa isak’alahady.

Niala tao an-tanàna aho tamin’izaho 15 taona, ary niara-nipetraka tamin’ny zokiko vavy teto Madrid. Nalahelo be an’i Dada sy Neny aho, nefa zatra ny fiainana tatỳ an-tanàn-dehibe ihany tamin’ny farany. Niara-niasa volana vitsivitsy tamin’ny mpilalao tantara an-kira espaniola aho, tamin’izaho 17 taona. Tena tiako ny fiainako tamin’izany, ka tapa-kevitra ny ho lasa mpilalao tantara an-tsehatra aho. Nialako ny fianarako sekretera, ka niara-nihira tamin’ny mpilalao tantara an-kira espaniola samy hafa aho. Niaraka tamin’ny anadahin’ny namako koa aho tamin’izany. Nahatsiaro ho nambinina erỳ aho, satria nanana asa tsara sy vola ary olon-tiana.

Nitety an’i Espaina niaraka tamin’ny mpilalao tantara an-kira samy hafa aho. Nitety tany hafa koa izahay, toa an’i Costa Rica, Ekoatera, Kolombia, ary Venezoelà. Niara-nihira tamin’ny tarika samihafa koa aho, izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika malaza antsoina hoe “La movida madrileña” teto Madrid. Lasa nalaza be ny iray tamin’ireo tarika niarahako, ary izaho no tena mpihira tamin’izany.

Tiako ilay asa, fa tsy tiako ny fitondran-tena ratsy tao. Lasa nifantoka be loatra tamin’ny bikako sy ny lazako koa aho. Nitandrina sakafo be loatra aho ka narary, satria zara raha nisakafo na nihinam-be nefa naloako avy eo.

Ny ho lasa mpilalao tantara an-tsehatra foana no tena tanjoko. Nekena hianatra tao amin’ny Sekoly Fianarana Teatra eto Madrid aho, tamin’ny farany. Nampianarina anay fa mila miezaka mampiseho ny fihetseham-ponay sy ny an’ilay olona lalaovina izahay rehefa milalao. Tsapako fa tsy nanana fihetseham-po mihitsy aho rehefa nampihatra an’izany. Lasa tsy nampiseho ny tena toetrako aho, sady lasa tia tena.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Fantatro fa mila miezaka aho raha te ho tsara toetra. Tsy haiko anefa izay hanombohako azy. Nankany amin’ny fiangonana ara-pilazantsara eto Madrid aho. Efa niaraka tamin’i Dada sy Neny tany aho taloha. Nivavaka tamin’Andriamanitra koa aho ary nanonona ny anarany hoe Jehovah.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao an-tranoko tsy ela taorian’izay. Nazoto nandinika ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo aho, nefa notoheriko koa ny ankamaroan’ny fampianarany. Tena nanam-paharetana anefa i Esther, ilay Vavolombelona nampianatra ahy. Tena tia ahy sy tsara fanahy tamiko izy sy ny fianakaviany. Niara-nivory tamin’ny Vavolombelona aho, ary tsy ela dia tsapako fa nahita an’ilay fahamarinana notadiaviko hatry ny ela aho.

Nisy asa be dia be nisokatra ho ahy raha vao vita ny fianarako teatra. Nahazo anjara tamin’ny tantara an-tsehatra iray aho. Haseho tao amin’ny fanaovana teatra iray malaza be eto Madrid izy io. Tsapako koa anefa fa tsy maintsy nanome ny fotoanako rehetra ho an’ny teatra aho, raha te ho lasa mpilalao an-tsehatra mahay. Tapa-kevitra àry aho fa hitady asa hafa ahafahako mifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsapako fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Matio 6:24) Tsy nitovy hevitra tamiko ilay ankizilahy niarahako nandritra ny valo taona, ka nisarahako izy. Tsy nisy mora tamiko izany.

NY SOA NORAISIKO: Miasa tapa-potoana aho izao, ary mampiala voly be antitra no asako. Afaka mandany ny ankamaroan’ny fotoanako hampianarana Baiboly an’ireo olona miteny arabo eto amin’ny faritra misy anay àry aho. Tsy maintsy miezaka mafy aho mianatra an’io fiteny vaovao io. Tena tiako anefa ny mizara ny zavatra tsara nianarako amin’ireo olona sariaka sy te hianatra momba an’Andriamanitra ireo.

Tsy mahatsiaro ho tsy manana fihetseham-po toy ny tamin’izaho nianatra teatra intsony aho izao. Lasa tsapako hoe misy heviny ny fiainako. Nanampy ahy i Jehovah mba ho lasa olona tsara kokoa sy sambatra kokoa.

“Afaka nanaporofo aho fa diso ny tenin’ilay mpitsara.”—PAUL RUBERY

TERAKA: 1954

FIRENENA: ANGLETERA

FIAINANY TALOHA: MPANAO HELOKA BEVAVA NAHERY SETRA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tao Dudley aho. Tanàna be orinasa atỳ Midlands Andrefana izy io. Mbola kely aho dia efa nampirisihin’i Dada ho tia mamaky teny. Nandrisika ahy ho tia zavaboary koa izy, na dia nolazainy aza fa nivoatra miandalana izy ireny. Nampianariny ahy fa tsy misy Andriamanitra. Nalefan’izy sy Neny nianatra sekoly alahady tany amin’ny Fiangonana Metodista aho, na izany aza.

Nahita andiana ankizilahy nandoro sambo iray niantsona teo amin’ny lakandrano aho, tamin’izaho valo taona. Tonga ny polisy, saingy natahotra aho ka tsy sahy nilaza ny marina. Norahonan’ireo ankizilahy mantsy aho. Izaho indray no nampangaina ho nanao an’ilay izy ka tezitra be aho. Nosimbaiko ireo sekoly sy fiangonana ary orinasa sasany tao an-tanàna vokatr’izany, ka nitentina an’arivony dolara ny zavatra simba. Efa namaky trano sy fivarotana aho, tamin’izaho folo taona. Lasa tia nandorondoro zavatra aho, ka imbetsaka no nandoro trano sy fiaran’olona. Nolazain’ny mpampianatra hoe tsy laitra fehezina aho.

Nahita boky momba ny asan’ny maizina aho tamin’izaho 12 taona, ka nanamboatra hazo fisaka natao hanontaniana demonia. Tsy nino an’Andriamanitra i Dada sy Neny, ka nihevitra izy ireo hoe fialam-boly fotsiny ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy fa tsy mampidi-doza, ary hanampy ahy tsy hahita olana. Imbetsaka anefa aho no niakatra tany amin’ny fitsarana zaza tsy ampy taona, talohan’ny nialako tamin’ny fianarako. Lasa niaraka tamin’ny andian-jatovo mahery setra nantsoina hoe “sola loha” aho. Hareza sy rojona bisikileta no nataoko fitaovam-piadiana. Nahita asa aho saingy tsy ela dia very izany, satria nigadra vetivety aho. Nandroba fananan’olona indray aho raha vao tafavoaka, ka nosamborina sy nogadraina roa taona. Nilaza ny mpitsara fa tsy hiova intsony aho ary mampidi-doza ho an’ny fiaraha-monina.

Nihaona tamin’i Anita, ankizivavy niarahako taloha, aho rehefa nivoaka ny fonja. Natao ny mariazinay ary tsy nangalatra na nanakorontana aho nandritra ny fotoana kelikely. Nanao heloka bevava indray anefa aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Niditra an-keriny tao anaty fivarotana lehibe aho ary nangalatra ny volan’izy ireo. Nanomboka nifoka zava-mahadomelina aho, niboboka toaka, ary nitondra basy. Voasambotra indray aho ary nigadra.

Lasa nampitebiteby be an’i Anita ny fomba fiainako. Nomen’ny dokotera fanafody fampitonena izy, nefa nolazainy fa ny misaraka no tena nety taminy. Soa ihany fa tsy nanao an’izany izy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianatra Baiboly nandritra ny fotoana fohy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Anita, tamin’izahay vao nivady. Tafaresaka tamin’ny Vavolombelona indray izy tatỳ aoriana, tamin’izaho tany am-ponja. Tamin’izay aho no nigadra farany. Tamin’io andro io mihitsy koa anefa aho no nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Raha tena misy ianao dia porofoy amiko izany!”

Nafahana tany am-ponja aho volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary niresaka tamin’ny pretra anglikanina mba hampianatra Baiboly anay sy Anita. Nilaza izy fa ny foto-pinoan’ny eglizy sy vavaka iray ihany no hampianariny anay.

Nanomboka namaky Baiboly amin’izay aho. Gaga aho nahita hoe tsy mety ny mifandray amin’ny fanahy ratsy. (Deoteronomia 18:10-12) Nahita gazety Tilikambo Fiambenana iray aho. Nomen’ny Vavolombelona an’i Anita izy io tamin’ilay andro nangatahiko fanampiana tamin’Andriamanitra. Nandrisika ahy hitady an’ireo Vavolombelona ny zavatra novakiko tao.

Tsy faly mihitsy ny fianakavianay sy ny namanay ary ireo mpanao heloka bevava niarahako rehefa nahafantatra hoe nianatra Baiboly izahay. Nisy nilaza fa voasasa atidoha aho. Tsoriko aloha fa tena nila nosasana mihitsy ny atidohako e! Nanana fahalemena be dia be aho, ary tsy niasa tsara intsony ny feon’ny fieritreretako. Mbola nanana fahazaran-dratsy hafa koa aho, sady nifoka sigara efa ho 60 isan’andro. Tena nanam-paharetana sady tsara fanahy ireo Vavolombelona nampianatra anay, sy ireo namanay tany am-pivoriana. Afaka tamin’ny fahazaran-dratsy aho tamin’ny farany.—2 Korintianina 7:1.

NY SOA NORAISIKO: Efa 35 taona izao izahay sy Anita no nivady. Manompo an’i Jehovah koa ny iray amin’ny zanakay sy ny roa amin’ny zafikelinay. Afaka nandany ny ankamaroan’ny fotoananay mba hampianarana Baiboly ny hafa izahay, efa taona vitsivitsy izay.

Lasa misy heviny ny fiainanay sady lasa manana tanjona izahay rehefa manompo an’i Jehovah Andriamanitra. Nilaza ny mpitsara iray, tamin’ny 1970, fa tsy hiova intsony aho. Noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny tari-dalan’ny Baiboly anefa, dia afaka nanaporofo aho fa diso ny tenin’ilay mpitsara.