Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nahatsiaro ho Voailikilika ve Ianao?

Efa Nahatsiaro ho Voailikilika ve Ianao?

Ampianaro ny Zanakao:

Efa Nahatsiaro ho Voailikilika ve Ianao?

VOAILIKILIKA ny olona iray rehefa tsy eken’ny hafa ho naman’izy ireo. Mety ho hafa volon-koditra mantsy izy na hafa fiaviana. Mety ho hafa koa ny fomba fiteniny na ny fanaovany zavatra. Efa nahatsiaro ho voailikilika toy izany ve ianao?... *

Andeha isika hiresaka momba ny lehilahy iray nahatsiaro ho voailikilika. Mefiboseta no anarany. Hodinihintsika hoe iza izy, ary nahoana izy no nahatsiaro ho voailikilika. Handray lesona be dia be avy aminy ianao raha efa nahatsapa toa azy koa.

Zanak’i Jonatana, naman’i Davida akaiky, i Mefiboseta. Maty an’ady i Jonatana. Nilaza tamin’i Davida izy talohan’ny nahafatesany, mba ho tsara fanahy amin’ny zanany. Lasa mpanjaka i Davida ary tsaroany io tenin’i Jonatana io, taona maromaro tatỳ aoriana. Mbola velona i Mefiboseta tamin’izay. Nianjera izy tamin’ny mbola kely, ka tsy afaka nandeha tsara intsony mandra-pahafatiny. Tsapanao ve hoe nahoana izy no nahatsiaro ho voailikilika?...

Te ho tsara fanahy tamin’i Mefiboseta i Davida, ka nomeny trano teo akaikin’ny tranony tany Jerosalema izy. Nanokanany toerana teo amin’ny latabatra fisakafoany koa izy. Nomeny azy koa i Ziba sy ny zanany lahy ary ny mpanompony mba hanompo azy. Tena nanaja an’i Mefiboseta tokoa i Davida! Fantatrao ve hoe inona no nitranga avy eo?...

Nisy olana tao an-tranon’i Davida. Nikomy taminy i Absaloma zanany lahy, ka nanandrana nanao ny tenany ho mpanjaka. Tsy maintsy nitsoaka àry i Davida mba tsy ho faty. Te hanaraka an’i Davida sy ny namany koa i Mefiboseta. Fantatr’ireo naman’i Davida ireo mantsy fa i Davida no manana zo hanjaka. Tsy afaka nanaraka anefa i Mefiboseta, satria tsy afaka nandeha tsara izy.

Nilaza tamin’i Davida avy eo i Ziba fa te ho lasa mpanjaka i Mefiboseta, ka izay no nijanonany. Nino an’izany lainga izany i Davida! Nomeny an’i Ziba àry ny fananan’i Mefiboseta rehetra. Resin’i Davida avy eo i Absaloma ka nody tany Jerosalema izy. Izay izy vao naheno ny fanazavan’i Mefiboseta. Nanapa-kevitra àry izy fa tokony hozarain’i Mefiboseta sy Ziba ilay fananana. Araka ny hevitrao, inona no nataon’i Mefiboseta?...

Tsy nitaraina izy hoe tsy rariny ny fanapahan-kevitr’i Davida. Fantatr’i Mefiboseta fa nila filaminana ny mpanjaka mba hahafahany manao tsara ny asany. Nilaza àry izy fa azon’i Ziba alaina daholo ilay fananana. Ny tena zava-dehibe taminy dia ny hoe lasa mpanjaka tany Jerosalema indray i Davida mpanompon’i Jehovah.

Betsaka ny fahoriana nanjo an’i Mefiboseta. Matetika izy no nahatsiaro ho voailikilika. Tian’i Jehovah anefa izy sady nokarakarainy. Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?... Mety hisy hanendrikendrika isika, na dia manao ny tsara aza. Hoy i Jesosy: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo.” Nisy namono mihitsy aza i Jesosy. Afaka matoky àry isika fa ho tia antsika i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy Jesosy Zanany, raha manao ny tsara isika.

Vakio ny

1 Samoela 20:15-17, 41, 42

2 Samoela 4:4; 9:1-10; 19:24-30

Jaona 15:18

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.