Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Iray Nahavelom-bolo sy Nahabe Fanantenana

Andro Iray Nahavelom-bolo sy Nahabe Fanantenana

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy faha-130

Andro Iray Nahavelom-bolo sy Nahabe Fanantenana

TAMIN’NY asabotsy 12 Martsa 2011 no nozaraina ny diplaoman’ny kilasy faha-130, tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Tena nahavelom-panantenana io andro io. Maherin’ny 8 500 no nanatrika, anisan’izany ireo mpianatra sy ny fianakaviany ary ny namany. Tsindrin-daona erỳ ny rehetra. Tsy andrin’izy ireo ny hahalalana izay toerana hanendrena an’ireo misionera tsara ofana ireo. Tsy ho ela mantsy izy ireo dia halefa any amin’ny tany maro samihafa mba hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

‘Sambatra izay rehetra manantena’ an’i Jehovah

Io teny ao amin’ny Isaia 30:18 io no foto-kevitry ny lahatenin’i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sady mpanolotra ny fandaharana. Tsara fanahy sy somary nivazivazy kely izy rehefa nidera an’ireo mpianatra, satria tafavoaka velona tamin’ilay fianarana sarotra be izy ireo. Nitaintaina be koa izy ireo tamin’io andro io, ka nomeny toky fa ho afaka tsy ho ela izany. Inona àry no azon’ireo mpianatra antenaina? Niresaka zavatra telo avy ao amin’ny Isaia 30:18-21 ny Rahalahy Jackson.

Voalohany, hoy izy: “Afaka manantena ianareo fa hihaino ny vavaka ataonareo i Jehovah.” Nasongadiny ilay andininy 19 hoe: “Hiantra anao [Andriamanitra] rehefa mandre ny fitarainanao.” Mariho fa teny milaza olon-tokana no ampiasaina eo fa tsy milaza maro. Nilaza àry ny Rahalahy Jackson fa mihaino antsika tsirairay i Jehovah. Hoy izy: “Toy ny Raintsika i Jehovah, ka tsy manao hoe ‘fa maninona ianao no tsy matanja-tsaina hoatran’itsy?’ Mihaino tsara ny vavaka ataontsika tsirairay kosa izy sady mamaly an’izany.”

Faharoa, nilaza izy fa tsy maintsy hisy ny olana. Hoy izy: “Tsy mampanantena i Jehovah hoe handeha ho azy ny fiainantsika. Hanampy antsika kosa izy.” Resahin’ny andininy 20 fa efa nilaza Andriamanitra hoe hahazatra ny Israely toy ny mofo sy rano ny fahoriana sy fampijaliana, rehefa hatao fahirano ny tanànan’izy ireo. Ho vonona foana anefa i Jehovah hanafaka azy ireo. Hahita olana koa ireo mpianatra, ary mety ho olana tsy ampoizin’izy ireo izany. Hoy ny Rahalahy Jackson avy eo: “Afaka manantena anefa ianareo fa ho eo foana i Jehovah hanampy anareo handamina olana.”

Fahatelo, nampahatsiahivin’ny Rahalahy Jackson azy ireo ny andininy 20 sy 21. Hoy izy: “Afaka manantena tari-dalana ianareo, ka tokony hitady an’izany.” Nilaza izy fa mampiasa Baiboly sy boky ara-baiboly i Jehovah mba hiresahana amin’ny Kristianina tsirairay. Tokony hihaino tsara azy àry izy ireo. Nampirisihiny ireo mpianatra mba hamaky Baiboly tsy tapaka isan’andro, satria iankinan’ny aina izany.

“Aoka hatahotra an’i Jehovah ianareo”

Nanazava an’ilay hoe ‘tahotra an’i Jehovah’ i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. (2 Tantara 19:7) Tsy tahotra mampihorohoro akory izy io. Faniriana mafy hanao ny tsara kosa izy io ary fanajana lalina an’i Jehovah, ka lasa matahotra ny olona iray sao tsy hampifaly azy. Hoy ny Rahalahy Morris: “Manàna tahotra toy izany rehefa any amin’ny faritaninareo.” Ahoana anefa no anehoan’izy ireo fanajana lalina an’i Jehovah? Niresaka fomba roa ny Rahalahy Morris.

Voalohany, nampirisihiny izy ireo mba hampihatra ny Jakoba 1:19 hoe: ‘Aoka ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.’ Nilaza izy fa nianatra zavatra betsaka ireo mpianatra nandritra ilay dimy volana. Tokony hitandrina anefa izy ireo mba tsy hirehareha amin’izany rehefa any amin’ny faritaniny. Hoy izy: “Tokony hohenoinareo tsara aloha ireo rahalahy sy anabavy ary mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana hisy anareo. Henoy izay lazain’izy ireo momba an’ilay tany sy ny kolontsainy. Aza misalasala miteny hoe ‘tsy haiko.’ Ho hitanareo fa tena kely ny zavatra hainareo, raha mazoto mianatra foana ianareo. Izany koa no ahitana fa nisy vokany tsara ny fampiofanana anareo.”

Faharoa, namaky ny Ohabolana 27:21 ny Rahalahy Morris, hoe: “Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana, ary natao hitsapana ny olona kosa ny teny fiderana azy.” Nilaza izy fa mila diovina toy ny volamena sy volafotsy isika, ary ny teny fiderana no hanaovana an’izany. Ny teny fiderana mantsy no mety hahitana ny toetrantsika. Mety hieboebo isika rehefa misy midera ka tsy hifandray amin’i Jehovah intsony. Mety hiaiky koa anefa isika hoe i Jehovah no tokony hankasitrahana, ka hiezaka bebe kokoa isika mba tsy handika ny fitsipiny. Nampirisika an’ireo mpianatra àry ny Rahalahy Morris hoe rehefa misy midera izy ireo, dia tokony hanararaotra an’izany mba hampisehoana fa ‘matahotra an’i Jehovah.’

“Ankamamio ny iraka ampanaovina anareo”

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’io lahateny fototra io. Nohazavainy fa ny hoe “misionera” dia “olona irahina hamita iraka.” Tsy mahagaga, hoy izy, raha samihafa ny misionera ary maro samy hafa ny iraka ampanaovina azy ireo. Maro no variana mitady vahaolana amin’ny aretina sy manao politika. Hoy anefa izy: “Tsy toy izany ianareo.” Nahoana?

Maro ny zavatra nianaran’ireo mpianatra, momba ny fanasitranana. Nianarany, ohatra, fa faly be ny jamba rehefa nositranin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga. Nanangana ankizivavikely iray tamin’ny maty mihitsy aza izy, ka “faly tsy nisy hoatr’izany” ny ray aman-drenin’izy io. (Marka 5:42) Nanao an’ireny i Jesosy mba hampisehoana an’izay hataony ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. Hositranina amin’ny aretina rehetra amin’izay ilay “vahoaka be” manao ny marina ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity. (Apokalypsy 7:9, 14) Handray an’ireo havan-tiany tafatsangana amin’ny maty izy ireo. Ho salama tsara koa ireo hatsangana. Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’izy rehetra e!

Nilaza anefa ny Rahalahy Pierce fa tsy ny fanasitranana ara-bakiteny no tena zava-dehibe. Narary indray mantsy tatỳ aoriana ireo nositranin’i Jesosy, ary maty koa ireo natsangany. Na ireo jamba aza angamba lasa jamba indray, ohatra hoe rehefa maty. Ny fanasitranana ara-panahy nataon’i Jesosy kosa no tena zava-dehibe. Irahina hanao fanasitranana ara-panahy koa ny misioneran’i Gileada. Ampian’izy ireo ny olona mba hihavana indray amin’ilay Raintsika any an-danitra ka ho velona eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ireo sitrana eo amin’ny lafiny ara-panahy ihany mantsy no hahazo fiainana mandrakizay. Hoy ny Rahalahy Pierce: “Manome voninahitra an’Andriamanitra izany fanasitranana ara-panahy izany, ary manampy anareo hahita vokatra.”

Zavatra hafa telo nisongadina

“Hahafinaritra ve ny Andro Androany?” I Robert Rains, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, no nanontany an’izany. Nampirisika an’ireo mpianatra izy mba hampiasa tsara ny fotoanany, hitady ny tari-dalan’ny Baiboly rehefa misy mampanahy, ary hiantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Hahafinaritra azy ireo foana ny andro tsirairay amin’izay.

“Hanavao ny efa Ela ve Ianareo?” I Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada, no nanontany an’izany nandritra ny lahateniny. Namelabelatra ny 1 Jaona 2:7, 8 izy. Niresaka momba ny “didy efa ela” sady “didy vaovao” ny apostoly Jaona ao. Didy iray ihany ireo, dia ny hoe tokony hifankatia ny mpanara-dia an’i Kristy, ary tsy tokony ho tia tena fa hahafoy tena rehefa maneho izany. (Jaona 13:34, 35) Efa ela ilay didy satria i Jesosy no nanome azy io ho an’ny mpanara-dia azy, am-polony taona talohan’izay. Vaovao koa anefa izy io, satria nandia zava-tsarotra vaovao ny Kristianina voalohany ka nila nitady fomba vaovao hanehoana fitiavana. Hiatrika toe-javatra vaovao isan-karazany koa ny misionera, ka tokony hitady fomba vaovao hanehoana fitiavana. Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany?

Hoy ny Rahalahy Noumair: “Aza atao izay zavatra ankahalainao.” Ahoana raha mahita zavatra ataon’ny hafa isika nefa halantsika ilay izy? Tsy tokony hanao an’ilay izy koa isika, satria manimba tena raha manao izany. Raha mitady fomba vaovao hanehoana fitiavana kosa isika, dia hampamirapiratra an’ilay “tena fahazavana” ary hanala ny haizina ara-panahy.

“Ento ny Entanao.” I Michael Burnett, mpampianatra, no nanazava an’izany. Nilaza izy fa fanaon’ny olona any Afrika ny miloloha enta-mavesatra. Mampiasa kata na halana izy ireo mba tsy hampaharary ny lohany sy tsy hampihilangilana an’ilay entana. Tsy sahirana izy ireo amin’izay rehefa mandeha. Hanana andraikitra lehibe toy ny enta-mavesatra koa ireo misionera rehefa any amin’ny faritaniny. Efa nahazo fampiofanana anefa izy ireo, ary azo oharina amin’ilay halana izany. Raha mampihatra izay nianarany àry izy ireo, dia tsy ho sahirana loatra fa hahay handanjalanja rehefa manao ny andraikiny ka hahavita tsara an’izany.

Fitantarana sy fanadinadinana

Niara-nitory tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana koa ireo mpianatra nandritra ilay fampiofanana. Niresaka ny zavatra sasany hitan’izy ireo nandritra izany i William Samuelson, mpiandraikitra ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson. “Aza Atsahatra ny Tananao” no foto-kevitry ny lahateniny. (Mpitoriteny 11:6) Natao fampisehoana ny zavatra hitan’izy ireo teny amin’ny fanompoana. Hita tamin’izany fa nazoto izy ireo, ka nanararaotra nitory tany anaty fiaramanidina sy hotely fisakafoana ary fivarotan-dasantsy. Nitory isan-trano sy tsy ara-potoana ary tamin’ny alalan’ny taratasy koa izy ireo. Tsy nampitsahatra ny tanany tokoa izy ireo, ka tena tsara ny vokany.

Nanadinadina rahalahy misionera telo, manana traikefa be dia be, avy eo i Kenneth Stovall, miasa ao amin’ny sampan-draharaha miandraikitra ny sekoly ao Gileada. Tsy iza izy ireo fa i Barry Hill, misionera tany Ekoatera sy Repoblika Dominikanina, Eddie Mobley tany Côte d’Ivoire, ary Tab Honsberger tany Sénégal sy Bénin ary Haïti. Nohazavain’izy ireo tsara tamin’izany ilay foto-kevitra hoe “Tsapao Toetra i Jehovah dia Hahazo Fitahiana Ianao.” (Malakia 3:10) Nitantara, ohatra, ny Rahalahy Hill fa nila nizatra ny toetany tany Ekoatera izy sy ny vadiny satria mafana foana any, saingy na mamovoka na mamotaka. Tsaroany fa siô no nampiasain’izy ireo rehefa nandro, nandritra ny roa taona sy tapany. Tsy nieritreritra ny hiala tsy ho misionera mihitsy anefa izy ireo, satria tsapany fa fitahiana avy amin’i Jehovah ny fanendrena azy ireo. “Efa fiainanay mihitsy ilay izy”, hoy izy.

Nisy mpianatra namaky taratasy avy tamin’ny iray kilasy tamin’ny faran’ny fandaharana, mba hilazana fa nankasitrahan’izy ireo ilay sekoly. Voalaza tao hoe: “Nihanatanjaka ny finoanay. Fantatray anefa fa mbola misy asa lehibe mila vitainay.” Nahazo diplaoma daholo ny mpianatra, ary voatendry ho any amin’ny tany maro samihafa. Ny Rahalahy Jackson no namarana ny fandaharana. Nampahery an’ireo mpianatra izy fa afaka matoky izy ireo hoe hanampy i Jehovah, indrindra rehefa misy olana. Samy velom-bolo sy be fanantenana ny rehetra rehefa nody. Azo antoka tokoa fa hampiasa an’ireo misionera vaovao ireo i Jehovah, mba hamitana zavatra tsara ngezabe.

[Tabilao/Sarintany, pejy 31]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

9 tany nanana solontena

34,0 salanisan-taona

18,6 salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana

13,1 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

Notendrena any amin’ireo firenena aseho eto ambany ireo mpianatra

TANY NANENDRENA

ARZANTINA

ARMENIA

BURKINA FASO

BURUNDI

CONGO (KINSHASA)

REPOBLIKA TSEKY

HAÏTI

HONG-KONG

INDONEZIA

KENYA

LITOANIA

MALEZIA

MOZAMBIKA

NÉPAL

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

ROMANIA

SÉNÉGAL

TANZANIA

OGANDÀ

ZIMBABWE

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-130 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Molina, Z.; Bassolino, S.; Alatsis, C.; Arroyo, A.; Niño, L.; Merkling, S.; Clark, M.

2) Little, C.; Tibaudo, S.; Jakobsson, S.; Moreno, J.; Rodriguez, A.; Lee, K.; Cárdenas, H.; Aguilar, L.

3) Clairbush, A.; Polley, A.; Caldwell, S.; Adame, J.; Hildebrandt, S.; Shoemaker, I.; Grohman, N.; Galvez, G.

4) Clark, J.; Bassolino, A.; Packham, K.; Adame, J.; Knaus, M.; Niño, M.; Moreno, R.; Galvez, J.

5) Rodriguez, D.; Geynes, M.; Molina, J.; Aguilar, A.; Alatsis, I.; Manno, A.; Grohman, R.; Packham, J.

6) Geynes, S.; Cárdenas, M.; Arroyo, C.; Manno, C.; Merkling, J.; Lee, H.; Clairbush, X.; Jakobsson, P.

7) Little, J.; Hildebrandt, B.; Shoemaker, M.; Knaus, K.; Caldwell, J.; Tibaudo, F.; Polley, C.