Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Hajao ny Vadinao!

Hajao ny Vadinao!

Hoy i Njara: * “Migogogogo mitomany ela be i Sariaka rehefa tezitra. Rehefa miresaka an’ilay olana izahay, dia misafoaka izy na tsy miteny tsy mivolana. Hoatran’ny tsisy mety daholo izay ataoko, ka kivy aho.”

Hoy i Sariaka: “Mbola nitomany aho rehefa tonga tato an-trano i Njara. Nohazavaiko ny antony nampahatezitra ahy, kanefa tapahiny foana ny teniko. Tsisy dikany, hono, ilay izy ka tsy tokony hiasa saina be aho. Vao mainka anefa izany nampahatezitra ahy.”

EFA nahatsapa toa an’i Njara sy Sariaka ve ianao? Samy te hiresaka izy ireo, kanefa matetika no miafara amin’ny hatezerana izany. Nahoana?

Tsy mitovy ny fomba firesaky ny lehilahy sy ny vehivavy, ary samy manana ny zavatra tiany izy ireo. Mety ho te hamboraka izay ao am-pony foana ny vehivavy. Ny lehilahy kosa mety ho te handamina haingana ny olana fa tsy te hanasarotra an’izany, mba hitandroana fihavanana. Inona àry no azonao atao mba hiresahana tsara amin’ny vadinao na dia tsy mitovy aza ianareo? Ho vitanao izany raha manaja azy ianao.

Mihevitra ny hafa ho sarobidy sy miezaka hahatakatra ny fihetseham-pony ny olona manaja. Mety ho efa hatramin’ny mbola kely ianao no nahay nanaja olona ambony na manam-pahaizana kokoa noho ianao. Nony nanambady anefa ianao, dia mety ho sarotra aminao ny manaja ny vadinao satria mitovy aminao ihany izy. Hoy i Landy, valo taona nanambadiana: “Raha olon-kafa izao no miresaka amin’i Rajo dia haharitra hihaino izy sady hahatakatra izay ao am-pony. Tiako koa raha manao toy izany amiko izy.” Azo antoka fa maharitra mihaino sy manaja erỳ ianao rehefa miresaka amin’ny namanao na ny olona tsy fantatrao mihitsy aza. Toy izany koa ve anefa no ataonao amin’ny vadinao?

Lasa mifanditra sy mifampikitakita ny mpivady rehefa tsy mifanaja. Hoy ny mpanjaka iray manan-tsaina: “Aleo sombi-mofo maina misy fiadanan-tsaina, toy izay trano feno hena nefa misy fifandirana.” (Ohabolana 17:1) Milaza àry ny Baiboly fa tokony hanome voninahitra na hanaja ny vadiny ny lehilahy. (1 Petera 3:7) Tokony “hanaja fatratra ny vadiny” koa “ny vehivavy.”—Efesianina 5:33.

Inona àry no hanampy anareo hifanaja rehefa mifampiresaka? Ireto misy torohevitra tsara omen’ny Baiboly.

Rehefa te hiresaka ny vadinao

Olana:

Aleon’ny olona miresaka, toy izay mihaino. Toy izany koa angamba ianao. Milaza anefa ny Baiboly fa adala “izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory.” (Ohabolana 18:13) Mihainoa tsara àry aloha vao miteny. Hoy i Salohy: “Tiako raha tsy tonga dia mandamina ny olana mahazo ahy ny vadiko. Tsy voatery miombon-kevitra amiko izy na miezaka hahatakatra ny anton’ilay olana. Tiako fotsiny raha mihaino ahy izy ary miezaka mahatakatra ny ato am-poko.”

Tsy sahy miresaka anefa ny lehilahy sy vehivavy sasany, sady tsy mahazo aina rehefa teren’ny vadiny hamboraka ny fihetseham-pony. Rehefa nanambady kelikely, ohatra, i Lala, dia hitany fa mila fotoana elaela ny vadiny vao sahy milaza ny ao am-pony. Hoy izy: “Mila manam-paharetana aho rehefa miandry azy hamboraka ny ao am-pony.”

Vahaolana:

Andraso rehefa samy tony sy falifaly ianareo vao mifampiresaka, raha mety hampifanditra ilay resaka. Ary raha tsy te hiresaka ny vadinao? Fantaro fa toy ny “rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” (Ohabolana 20:5, Fandikan-teny Protestanta) Ho very be ny rano tovozinao ao anaty lavadrano raha sintoninao haingana loatra ny siô fakana azy. Toy izany koa fa tsy hitantara izay rehetra ao am-pony ny vadinao fa hiaro tena, raha maherihery fiteny sy manery azy hiresaka ianao. Aoka àry ianao ho tsara fanahy sy hanaja rehefa manontany azy. Manàna faharetana raha tsy mamboraka ny ao am-pony haingana araka ny itiavanao azy izy.

Aoka ianao “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra”, rehefa miresaka ny vadinao. (Jakoba 1:19) Tsy mihaino fotsiny ny olona mahay mihaino fa miezaka hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa koa. Miezaha àry hahatakatra izay ao am-pon’ny vadinao rehefa miresaka izy. Ho hitany amin’ny fomba fihainoanao raha manaja azy ianao na tsia.

Nampianatra antsika hahay hihaino i Jesosy. Rehefa niangavian’ny lehilahy iray, ohatra, izy mba hanasitrana azy, dia tsy nanao an’izany avy hatrany. Nihaino tsara izy aloha, ary niezaka nahatakatra ny fihetseham-pony ka nangoraka azy, izay vao nanasitrana. (Marka 1:40-42) Izany koa atao rehefa miresaka ny vadinao. Tsy vahaolana haingana mantsy no tadiaviny fa fangorahana. Henoy tsara àry izy. Ezaho takarina aloha ny fihetseham-pony, izay ianao vao manome izay ilainy. Manaja ny vadinao ianao raha manao izany.

ANDRAMO IZAO: Aza tonga dia mamaly amin’ny sisa rehefa miresaka aminao ny vadinao. Andraso ho tapitra aloha ny teniny ary takaro izay tiany holazaina. Anontanio izy rehefa any aoriandriana any hoe: “Tena nihaino anao tsara ve aho tamin’iny?”

Rehefa te hiresaka ianao

Olana:

Hoy i Landy, voalaza terỳ aloha: “Aseho amin’ny tantara mampihomehy amin’ny tele fa hoatran’ny tsy mampaninona raha mifanaratsy sy mifanompa ary mifaneso ny mpivady.” Zatra nifanao teny manambany ny tao an-tranon’ny olona sasany, ka nony nanambady izy dia sarotra aminy ny manaja ny ankohonany. Hoy i Ivy, any Kanada: “Zatra nifaneso sy nilelalela ary nifametaka anarana manambany izahay tao an-trano.”

Vahaolana:

Rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny vadinao ianao, dia “izay teny tsara ho fampaherezana” resahina, “rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.” (Efesianina 4:29) Ataovy izay hahatonga ny hafa hanaja azy.

Aza maneso ny vadinao na mametaka anarana manambany azy, na dia rehefa irery aza ianareo. Tezitra tamin’i Davida Mpanjaka vadiny, ohatra, i Mikala, tany Israely fahiny. Nesoiny izy ka nolazainy fa ‘sahala amin’ireny lehilahy tsisy saina ireny.’ Nahatezitra an’i Davida izany sady nahatezitra an’Andriamanitra. (2 Samoela 6:20-23) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Fidio tsara ny teny holazainao rehefa hiresaka amin’ny vadinao ianao. (Kolosianina 4:6) Miaiky i Rajo, vadin’i Landy, fa mbola miady izy roa indraindray. Hitany fa vao mainka manampy trotraka an’ilay olana indraindray ny zavatra lazainy. Hoy izy: “Hitako izao fa aleo mandefitra toy izay tsy manaiky resy nefa simba ny fifandraisana. Tsara sy mahasambatra kokoa ny mitandro fihavanana.”

Nisy vehivavy iray be taona sady maty vady, fahiny, nilaza toy izao tamin’ireo vinantovaviny: ‘Samy hahita fiadanana any amin’ny tranon’izay ho vadinareo avy anie ianareo!’ (Rota 1:9) Rehefa mifanaja tokoa ny mpivady, dia ‘hiadana’ ny tokantranony.

ANDRAMO IZAO: Manokàna fotoana hiarahanareo mandinika an’ireo soso-kevitra ato amin’ity lohatenikely ity. Anontanio ny vadinao hoe: “Manaja ve aho sa manambany rehefa miresaka momba anao eny imason’olona? Inona no mila hahitsiko?” Henoy tsara ny vadinao rehefa milaza izay ao am-pony, ary ezaho arahina ny soso-keviny.

Ekeo fa tsy mitovy aminao ny vadinao

Olana:

Diso hevitra ny mpivady vao sasany. Antsoin’ny Baiboly hoe “nofo iray” mantsy ny mpivady, ka heverin’izy ireo fa tsy maintsy hitovy hevitra sy toetra foana. (Matio 19:5) Tsy ela anefa dia takatr’izy ireo fa toy ny miandry nifin’akoho tsy haniry izy ireo. Tsy mitovy izy ireo ka mifanditra foana. Hoy i Landy: “Tsy dia mora manahy be loatra toa ahy i Rajo ka izany no tena tsy itovizanay. Miasa saina be aho indraindray nefa izy milamin-tsaina erỳ. Tezitra àry aho satria hoatran’ny tsy mivaky loha mihitsy izy.”

Vahaolana:

Ekeo fa manana ny mampiavaka azy toa anao koa ny vadinao. Tsy mitovy, ohatra, ny asan’ny maso sy ny sofina, kanefa miara-miasa izy ireo mba hahafahanao miampita arabe. Hoy i Raozy, izay efa ho 30 taona nanambadiana: “Tsy mampaninona anay na tsy mitovy hevitra aza izahay, raha mbola tsy mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay izy. Olon-droa samy hafa mantsy izahay no nivady fa tsy kambana.”

Aza mieritreritra izay hahasoa anao fotsiny rehefa tsy mitovy hevitra na toetra aminao ny vadinao. Ezaho takarina ny fihetseham-pony. (Filipianina 2:4) Hoy i Benja, vadin’i Raozy: “Tsy azoko mihitsy indraindray ny hevitry ny vadiko, na tsy mitovy hevitra izahay. Tadidiko foana anefa hoe izy no tiako kokoa noho ny hevitro. Rehefa faly izy, dia faly be koa aho.”

ANDRAMO IZAO: Ataovy lisitra hoe amin’ny resaka inona ny vadinao no mahita hevitra sy mahay kokoa noho ianao.—Filipianina 2:3.

Haharitra sy ho sambatra àry ny fanambadiana raha mifanaja ny mpivady. Hoy i Landy: “Tena tokony hifanaja ny mpivady, satria izany no mahasambatra sy mampilamina ny tokantrano.”

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no tombony azon’ny ankohonako avy amin’ny toetra mampiavaka ny vadiko?

  • Nahoana no tsara ny mandefitra ka manao izay tian’ny vadiko raha mbola tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ilay izy?