Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Hara-magedona?

Inona no Atao hoe Hara-magedona?

Manontany ny Mpamaky

Inona no Atao hoe Hara-magedona?

▪ Fandripahana faobe no tonga ao an-tsain’ny maro rehefa maheno hoe “Hara-magedona.” Mety ho vokatry ny ady niokleary na loza voajanahary, hono, izany na tontolo iainana simba noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Tsy izany mihitsy anefa no dikan’ilay Hara-magedona ao amin’ny Baiboly.

Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy no misy an’ilay teny hoe “Hara-magedona.” “Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” izy io, ary hafakely satria “ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” no hifanandrina farany aminy. Misy andinin-teny hafa koa miresaka momba an’io ady io.—Apokalypsy 16:14-16; Ezekiela 38:22, 23; Joela 3:12-14; Lioka 21:34, 35; 2 Petera 3:11, 12.

Inona no ho vokatr’io ady io? Milaza teny an’ohatra toy izao ny Apokalypsy: ‘Nivondrona ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.’ I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, “ilay nitaingin-tsoavaly.” Notendren’Andriamanitra hitarika tafik’anjely izy mba handringanana ny fahavalon’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:11-16, 19-21) Hoy ny Jeremia 25:33 momba izany: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.”

Nahoana no tena ilaina ny ady Hara-magedona? Tsy mety manaiky ireo firenena hoe Andriamanitra ihany no manana zo hitondra. Ny fitondran’izy ireo kosa no hindrahindrainy. (Salamo 24:1) Hoy ny Salamo 2:2 momba azy ireo: “Mitsangana ny mpanjakan’ny tany, ary mivondrona ny manam-pahefana, mba hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony.”

Toy ny olona manao bodo ngerona ny fananan’olona izy ireo ka sady mihambo ho tompony no mbola manimba an’ilay zavatra koa. Manimba ny tany ny firenena ankehitriny sady mandoto tontolo iainana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra momba izany: ‘Tezitra ireo firenena. Ary tonga ny fahatezeran’Andriamanitra.’ Horinganiny àry “izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Ny Hara-magedona no handaminan’Andriamanitra an’ilay olana hoe iza no manan-jo hitondra ny olombelona.—Salamo 83:18.

Rahoviana no ho tonga ny Hara-magedona? Hoy ny Zanak’Andriamanitra: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Na izany aza, dia hoy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka sady Mpiady, momba ny Hara-magedona: “Avy toy ny mpangalatra aho. Sambatra izay miambina hatrany.” (Apokalypsy 16:15) Misy ifandraisany amin’ny fanatrehan’i Kristy àry io ady eran-tany io. Asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa efa manatrika izy izao.

Ny ratsy fanahy tsy mety miova ihany no horinganina amin’ny Hara-magedona. Hisy “vahoaka be” kosa ho tafavoaka velona. (Apokalypsy 7:9-14) Hahita an’ireto teny ireto ho tanteraka izy ireo: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:10, 11.

[Teny notsongaina, pejy 10]

‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be’