Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4 Marina ve fa Miangatra Andriamanitra?

4 Marina ve fa Miangatra Andriamanitra?

4 Marina ve fa Miangatra Andriamanitra?

Inona no nolazaina taminao? “Andriamanitra no mifehy an’izao tontolo izao ka noho ny sitrapony no mahatonga ny zava-drehetra hitranga. Be dia be ny olona manavakavaka sy manao ny tsy rariny ary mampahory ny hafa, ka tsy maintsy ho Andriamanitra no mahatonga an’izany.”

Inona no lazain’ny Baiboly? Tsy Andriamanitra no mahatonga ny tsy rariny eto amin’ity tontolo ity. Milaza ny Baiboly fa ‘tonga lafatra izay ataon’Andriamanitra, ary ara-drariny daholo ny lalany.’—Deoteronomia 32:4.

Malala-tanana amin’ny rehetra Andriamanitra, eny fa na dia amin’ny olona tsy mendrika an’izany aza. “Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy”, ohatra, izy ary “mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45) Tsy miangatra izy, na dia samy hafa firazanana sy kolontsaina aza ny olon-drehetra. Hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”

Iza àry izany no tena mahatonga ny tsy rariny? Olona maro no miangatra, fa tsy manao ny rariny toa an’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:5) Milaza koa ny Baiboly fa avelan’Andriamanitra hifehy an’izao tontolo izao ny Devoly, ilay fahavalony. * (1 Jaona 5:19) Kely sisa anefa dia hofaranan’Andriamanitra izany. Efa nanao zavatra izy mba ‘handravana ny asan’ny Devoly.’—1 Jaona 3:8.

Nahoana no manampy anao ny mahafantatra ny marina? Mety hikorontan-tsaina ianao satria hoatran’ny tsy hisy farany ny kolikoly sy ny fampahoriana ary ny tsy rariny. Rehefa fantatrao ny antony mahatonga ny faharatsiana, dia ho takatrao hoe nahoana no ratsy be toy izao ny fiainana ary nahoana no tsy mahomby mihitsy ny ezaka ataon’ny olombelona mba hanatsarana ny fiainana. (Salamo 146:3) Aza mandany fotoana sy hery hanatsarana an’izao tontolo izao àry, satria tsy haharitra izany. Aleo kosa matoky ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny hoavy.—Apokalypsy 21:3, 4.

Hahay hiatrika olana isika rehefa mahatakatra hoe iza no tena mahatonga ny tsy rariny. Mety hiteny toa an’i Habakoka mpanompon’Andriamanitra isika rehefa hiharan’ny tsy rariny. Hoy mantsy izy: “Ngoly ny lalàna, ary tsy tafavoaka ny rariny.” (Habakoka 1:4) Tsy nibedy an’i Habakoka noho io teniny io Andriamanitra. Nomeny toky kosa i Habakoka fa efa nametra fotoana handaminana an’ilay olana izy, ary nampiany izy io mba ho faly foana na misy aza ny olana. (Habakoka 2:2-4; 3:17, 18) Hilamin-tsaina koa ianao eto amin’ity tontolo feno tsy rariny ity, raha matoky fa hanala ny tsy rariny Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Teny notsongaina, pejy 7]

Andriamanitra tokoa ve no mahatonga ny fijaliana sy ny tsy rariny?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

© Sven Torfinn/Panos Pictures