Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Avy aiza ny vola nanohanana ny asa fanompoana tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema?

Ny hetra no nanohanana ny asa tao amin’ny tempoly, dia ny ampahafolon-karena izay tsy maintsy naloan’ny olona. Nisy vola hetra hafa koa anefa nampiasaina. Tamin’ny fotoana nanorenana ny tranolay masina, ohatra, dia nasain’i Jehovah nanangona antsasaky ny sekely volafotsy avy tamin’ny Israelita i Mosesy. Izay voasoratra anarana no nanome an’izany mba hatao “fanomezana ho an’i Jehovah.”—Eksodosy 30:12-16.

Toa lasa fahazaran’ny Jiosy ny nandoa an’io antsasaky ny sekely io isan-taona mba hatao hetran’ny tempoly. Io hetra io ilay nasain’i Jesosy naloan’i Petera, ka ilay vola madinika avy tao am-bavan’ny trondro iray no nandoavana izany.—Matio 17:24-27.

Nisy vola madinika volafotsy roa fandoavana hetran’ny tempoly, hita tany Jerosalema taona maro lasa izay. Tao amin’ny tatatra iray fanariana rano maloto no hita ny iray. Tany Tyro izy io no namboarina, tamin’ny taona 22. Misy sarin’i Melkart na Bala, andriamanitr’i Tyro, ao ambadika, ary sarina voromahery eo amin’ny lohan-tsambo no ao amin’ny ilany. Tao amin’ny korontam-bato avy tamin’ny tempoly kosa no hita ilay faharoa. Tamin’ny taona 66-67, taona voalohany nikomian’ny Jiosy tamin’i Roma no nisian’izy io. Misy sarina vera fisotroana divay sy ampongabendanitra telo izy io, ary misy soratra hoe “Antsasaky ny Sekely” sy “Jerosalema Masina.” Milaza i Gabriel Barkay, manam-pahaizana, fa “misy soritra main’ny afo” ireo vola ireo, ary “mety ho ilay afo nandrava ny Tempoly Faharoa tamin’ny taona 70 no nahatonga izany.”

Hoatran’ny ahoana ny hangezan’ny zavatra naorin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona?

Hoy i Nebokadnezara: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, izay naoriko tamin’ny tanjaky ny heriko mba ho lapam-panjakana sy ho voninahitry ny fahamboniako?” (Daniela 4:30) Tena lehibe tokoa ve io tanàna fahiny io?

Milaza ny mpahay tantara fa nanorina tempoly, lapa, manda, ary zaridaina tsara tarehy nifanao ambaratonga i Nebokadnezara. Nisy tempoly miendrika piramida teo afovoan’i Babylona, ary mety ho 70 metatra mahery ny haavony. Hoy anefa ny boky hoe Babylona, Ilay Tanàna Mahavariana (anglisy): “Ny Lalan’ny Mpilahatra sy ny Vavahadin’i Ishtar no nalaza indrindra [tamin’ny zava-bitan’i Nebokadnezara].” Nandalo teo amin’ny Vavahadin’i Ishtar ilay Lalan’ny Mpilahatra ary nisy sarina liona mivohitra toy ny mamindra amin’ny andaniny roa. Hoy koa ilay boky, momba ilay fidirana lehibe indrindra tao Babylona: “Azo antoka fa tsy hadinon’izay nitsidika tany mihitsy ny zavatra hitany, satria niloko manga be sy nisy verinia ireo biriky, ary nisy sarina ombilahy sy dragona toy ny mamindra nandravaka azy. Sary nivohitra izy ireny ary be dia be ny isany.”

Be dia be mihitsy ny potipotik’ilay Lalan’ny Mpilahatra sy Vavahadin’i Ishtar nofongarin’ny mpikaroka, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Natambatambatr’izy ireo tany amin’ny Tranombakoka Pergamon any Berlin, any Alemaina, izany.

[Sary, pejy 12]

Tena habeny

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony: Clara Emit, Courtesy of Israel Antiquities Authority; ambany: Zev Radovan

[Sary, pejy 12]

Vavahadin’i Ishtar naverina naorina