Nahoana no Ilaina ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?
Nahoana no Ilaina ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?
TSY lany andro na mifehifehy tsy amin’antony ny fitsipiky ny Baiboly momba ny firaisana. Miaro antsika kosa aza izy ireny mba:
▪ Tsy ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana
▪ Tsy ho bevohoka tsy manambady na bevohokan’olon-kafa tsy vadintsika
▪ Tsy hiharan’ny voka-dratsin’ny fisaraham-panambadiana
▪ Tsy henjehin’ny eritreritra
▪ Tsy hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny satria nohararaotin’ny hafa
Tian’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona hankafy ny fanomezana nomeny ianao ary handray soa avy amin’izany. * Izy no “mampianatra anao mba hahitanao soa.” (Isaia 48:17) Izay manaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny firaisana, dia:
▪ Hahazo sitraka amin’Andriamanitra
▪ Hilamin-tsaina
▪ Hanana tokantrano mafy orina kokoa
▪ Hanana laza tsara
▪ Hahatsiaro ho misy vidiny
Ahoana anefa raha mbola tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena ianao? Afaka miova ve ianao? Hotsarain’Andriamanitra amin’izay nataonao taloha ve ianao?
Eritrereto izao: Mpijangajanga sy mpanitsakitsa-bady ary lehilahy nanambady lehilahy taloha, ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Niova anefa izy ireo ary navelan’1 Korintianina 6:9-11) Maro be koa ankehitriny ny olona niova toy izany eran-tany. Niala tamin’ny fitondran-tena ratsiny izy ireo, ka nandray soa rehefa nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Anisan’izany i Sarah voaresaka terỳ am-piandohan’ity andian-dahatsoratra ity.
Andriamanitra ny helony ka nandray soa be dia be. (“Nahatsiaro ho maivamaivana aho”
Te hahazo fahafahana sy ho afa-po tamin’ny fiainana i Sarah. Hitany anefa fa tsy izany akory no nitranga rehefa naditra izy. Hoy izy: “Lasa donto ny feon’ny fieritreretako. Menatra aho sady nanahy sao ho bevohoka na ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Mbola nino foana anefa aho hoe misy Andriamanitra. Fantatro koa fa nampalahelo azy ny nataoko. Nahatsiaro ho naloto aho, ka nanenjika ahy foana ny eritreritro.”
Nahavita niova anefa i Sarah tatỳ aoriana satria nitady fanampiana tamin’ny ray aman-dreniny, izay Vavolombelon’i Jehovah, sy ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Gaga aho sady faly satria tsara fanahy sy be fitiavana ny ray aman-dreniko sy ireo anti-panahy. Tonga dia nahatsiaro ho maivamaivana aho.”
Manan-janaka mianadahy i Sarah izao. Hoy izy: “Tsy afenimpeniko amin’ny zanako mihitsy ny fiainako taloha. Tiako ho fantatr’izy ireo fa nahita faisana aho rehefa tsy niraharaha ny fitsipik’Andriamanitra. Tiako ho takatr’izy ireo mantsy hoe mahasoa foana ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny firaisana, na eo amin’ny lafiny ara-batana izany na ara-tsaina na ara-pihetseham-po. Miaiky aho hoe tsy tian’Andriamanitra ho voa mafy isika matoa omeny fitsipika momba ny fitondran-tena.”
Handray soa koa ianao raha manaraka ny tari-dalana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso. Ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.’—Salamo 19:8, 11. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.
^ feh. 20 Raha te hahalala bebe kokoa momba ny torohevitry ny Baiboly ianao, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo, na manorata amin’ny adiresy iray eo amin’ny pejy 4, na jereo ny www.watchtower.org ao amin’ny Internet.
[Teny notsongaina, pejy 8]
Matetika no mahatonga ratram-po ny olona tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly
[Teny notsongaina, pejy 9]
Manana feon’ny fieritreretana madio ireo mankatò ny fitsipiky ny Baiboly, ary mafy orina kokoa ny tokantranony