Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Nahoana isika no tokony hankatò an’Andriamanitra?

Tena tokony hankatò an’Andriamanitra isika, satria izy no namorona antsika. Na i Jesosy aza nankatò azy foana. (Jaona 6:38; Apokalypsy 4:11) Ny fankatoavantsika ny lalàny no anaporofoantsika fa tia azy isika.—Vakio ny 1 Jaona 5:3.

Mahasoa antsika ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra rehetra. Ny lalàny no manoro antsika ny fomba fiaina tsara indrindra sy ny fomba ahazoana fitahiana mandrakizay amin’ny hoavy.—Vakio ny Salamo 19:7, 11; Isaia 48:17, 18.

2. Nahoana no ho salama isika raha mankatò ny lalàn’Andriamanitra?

Mandrara ny fimamoana ny lalàn’Andriamanitra. Ho voaro amin’ny aretina mahafaty sy ny loza isika raha mankatò an’izany. Handevozin’ny toaka isika raha misotro be loatra ary mety hanao hadalana. (Ohabolana 23:20, 29, 30) Avelan’i Jehovah misotro toaka isika saingy amin’ny antonony.—Vakio ny Salamo 104:15; 1 Korintianina 6:10.

Milaza amintsika koa i Jehovah mba hifehy tena rehefa tezitra, tsy ho be fialonana, ary hiala amin’ny toetra ratsy hafa. Raha manaraka ny toroheviny àry isika dia ho salama.—Vakio ny Ohabolana 14:30; 22:24, 25.

3. Nahoana no miaro antsika ny lalàn’Andriamanitra?

Mandrara ny olona tsy hanao firaisana afa-tsy amin’ny vadiny ihany ny lalàn’Andriamanitra. (Hebreo 13:4) Milamin-tsaina kokoa ny mpivady mankatò an’izany, ary mampisy rivo-piainana mahafinaritra ho an’ny zanany izy ireo. Matetika kosa no miteraka aretina sy ratram-po ary fisaraham-panambadiana ny fanitsakitsaham-bady. Mahatonga herisetra sy tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny koa izany.—Vakio ny Ohabolana 5:1-9.

Mila manalavitra an’izay rehetra mety hahatonga antsika hijangajanga isika. Miaro ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika raha manao izany, ary tsy hanimba ny fiainan’ny hafa koa.—Vakio ny 1 Tesalonianina 4:3-6.

4. Nahoana no mahasoa ny manaja ny aina?

Andriamanitra no nanome ny aina. Ho salama tsara isika raha manaja azy io ka tsy mifoka sigara na zava-mahadomelina. Mety hahafaty mantsy izy ireny. (2 Korintianina 7:1) Sarobidy amin’Andriamanitra na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza. (Eksodosy 21:22, 23) Tsy tokony hanala zaza àry isika. Raha manahaka an’Andriamanitra isika ka mihevitra ny aina ho sarobidy, dia hitandrina tsara rehefa any am-piasana sy ao an-trano ary ao anaty fiara. (Deoteronomia 22:8) Tsy hanao vivery ny aina amin’ny fanatanjahan-tena koa isika.—Vakio ny Salamo 36:9.

5. Nahoana no mahasoa antsika ilay lalàna hoe masina ny ra?

Masina ny ra satria milaza Andriamanitra fa izy io no ain’ny zavaboary iray. (Genesisy 9:3, 4) Milaza ny lalàn’Andriamanitra fa aina ny ra. Mahasoa antsika izany lalàna izany satria mahatonga antsika hahazo famelan-keloka.—Vakio ny Levitikosy 17:11-13; Hebreo 9:22.

Ny ran’i Jesosy no tena sarobidy satria lavorary izy. Nanolotra ny ainy na ny rany teo anatrehan’Andriamanitra izy. (Hebreo 9:12) Afaka ny hiaina mandrakizay àry isika amin’ny hoavy noho ny ra nalatsany.—Vakio ny Matio 26:28; Jaona 3:16.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 12 sy 13, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.