Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Faharoa

Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Faharoa

Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Faharoa

Inona no Tena Asehon’ireo Takelaka Tanimanga?

Ity no lahatsoratra faharoa avoakan’ny Tilikambo Fiambenana, izay miresaka ny fanontanian’ireo manam-pahaizana momba ny daty nandravana an’i Jerosalema fahiny. Horesahina ato ny fikarohana lalina natao sy ny valiny omen’ny Baiboly an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina ny olona.

Izao no noresahina tao amin’ny fizarana voalohany:

▪ Milaza ireo mpahay tantara fa tamin’ny 587 T.K. i Jerosalema no rava. *

▪ Asehon’ny fanisan-taonan’ny Baiboly anefa fa tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema.

▪ Ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny sy ny lisitra nataon’i Ptolémée no hakan’ny mpahay tantara hevitra.

▪ Misy diso be anefa ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny, ary tsy mitovy amin’izay voasoratra ao amin’ny takelaka tanimanga izy ireny indraindray. *

MILAZA ny Baiboly fa nalefa sesitany tany Babylona ireo Jiosy babo “mandra-pahatapitry ny fitopolo taona” mba “hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.” Oviana izy ireo no nafahana? Tamin’ny “taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa.” (2 Tantara 36:21, 22) Na ny Baiboly na ny boky ara-tantara hafa dia samy miaiky fa nifarana io sesitany io taorian’ny nandresen’i Kyrosy an’i Babylona. Nafahany ireo Jiosy, ka niverina tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K. Tsy maintsy ho tamin’ny 607 T.K. àry ilay sesitany no nanomboka, satria milaza mazava ny Baiboly fa naharitra 70 taona izy io.

Maro ny manam-pahaizana milaza fa tamin’ny 587 T.K. no rava i Jerosalema. Raha izany, dia naharitra 50 taona monja ilay sesitany. Nahoana izy ireo no milaza izany? Naka hevitra tao amin’ireo takelaka misy soratra miendri-pantsika fahiny izy ireo. Misy tantara amin’ny an-tsipiriany momba an’i Nebokadnezara II sy ireo mpandimby azy ao amin’izy ireny.1 Olona niaina tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema na taoriana kelin’izay no nanoratra azy ireny. Azo antoka hoe marina ve anefa ny fomba nikajiana an’ilay daty 587 T.K.? Inona no tena asehon’ireny takelaka ireny?

Handinika karazana takelaka telo, izay matetika no nakan’ny manam-pahaizana hevitra isika mba hamaliana an’ireo: 1) Ny tantaran’i Babylona, 2) takelaka momba ny raharaham-barotra, ary 3) takelaka momba ny kintana sy planeta.

Ny tantaran’i Babylona.

Inona izany? Takelaka maromaro mirakitra an’ireo zava-nitranga lehibe tany Babylona izy ireo.2

Inona no lazain’ny manam-pahaizana? Milaza i R. Sack, manam-pahaizana momba ireo takelaka misy soratra miendri-pantsika, fa tsy ampy ny zavatra tantarain’ireo takelaka ireo momba ny zava-nitranga lehibe. * Nilaza izy fa tsy maintsy nikaroka tany amin’ny “boky hafa” ny mpahay tantara “mba hamantarana an’izay tena nitranga.”

Inona no asehon’ireo takelaka? Misy tsy ampy ilay fitantarana voarakitra ao amin’ny tantaran’i Babylona.3 (Jereo ny  efajoro etsy ambany.) Misy fanontaniana mipoitra àry hoe: Azo ianteherana ve ny zavatra resahin’ny tantara tsy feno toy izany?

Takelaka momba ny raharaham-barotra.

Inona izany? Rosia ara-dalàna manamarina an’ireo raharaham-barotra natao ny ankamaroan’izy ireo, izay nisy nandritra ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Misy ny andro sy volana ary taona nanjakan’ny mpanjaka tamin’izany izy ireny. Misy takelaka iray, ohatra, milaza fa nisy raharaham-barotra natao tamin’ny “27 Nisana taona faha-11 nanjakan’i Nebokadrezara [antsoina koa hoe Nebokadnezara II], mpanjakan’i Babylona.”4

Raha maty na nesorina ny mpanjaka iray ary nisy mpanjaka vaovao nisolo azy, dia noheverina ho taona nandraisan’ilay mpanjaka vaovao fahefana ilay volana sisa tamin’ilay taona nialan’ilay teo aloha. *5 Midika izany fa taona mitovy ihany ao amin’ny kalandrie babylonianina no nahazoan’ny mpanjaka vaovao iray fahefana sy nialan’ilay taloha. Raha ny tokony ho izy àry, dia ireo volana taorian’ny volana farany nialan’ilay mpanjaka teo aloha no daty mipetaka ao amin’ireo takelaka momba ny nahazoan’ilay mpanjaka vaovao fahefana.

Inona no lazain’ny manam-pahaizana? Nandinika takelaka maromaro momba ny raharaham-barotra tamin’ny fotoanan’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao i R. Sack. Nilaza izy tamin’ny 1972 fa nisy takelaka tsy navoaka, izay afaka nojereny, tao amin’ny Tranombakoka Britanika. “Nampisafotofoto tanteraka” an’ireo hevitra teo aloha momba ny fifandimbiasan’i Nebokadnezara II sy Amila-Mardoka zanany lahy (antsoina koa hoe Evila-merodaka) ireo lahatsoratra ireo.6 Fantatr’i Sack fa nisy takelaka nilaza hoe mbola nanjaka i Nebokadnezara II tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona farany (faha-43 taona) nanjakany. Milaza anefa ireo takelaka vaovao tsy navoaka ireo fa tamin’ny volana fahefatra sy fahadimy tamin’io taona io ihany i Amila-Mardoka no nanomboka nanjaka.7 Tena mifanohitra àry izany.

Inona no asehon’ireo takelaka? Mbola misy zavatra hafa mifanohitra koa momba ny fifandimbiasan’ny mpanjaka. Milaza, ohatra, ny takelaka iray fa mbola nanjaka hatramin’ny fahafolon’ny volana i Nebokadnezara II, izany hoe enim-bolana taorian’ny nandraisan’ilay mpandimby azy fahefana.8 Nisy fifanoherana toy izany koa teo amin’ny fifandimbiasan’i Amila-Mardoka sy Neriglisara.9

Nahoana no hita be ireny hevitra mifanohitra ireny? Satria araka ny voalaza tetsy aloha dia nisy tsy ampy ny tantaran’i Babylona, ka mety tsy hitohy ny fanisan-taona amin’ilay tantara.10 Mety ho nisy olon-kafa nanjaka ve teo anelanelan’ireny mpanjaka ireny? Raha izany dia tokony hampiana taona maromaro ny fotoana nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Na ny tantaran’i Babylona àry na ny takelaka momba ny raharaham-barotra, dia samy tsy manome porofo azo antoka hoe rava tamin’ny 587 T.K. i Jerosalema. *

Takelaka momba ny kintana sy planeta.

Inona izany? Takelaka misy soratra miendri-pantsika mampiseho ny fipetraky ny masoandro, volana, planeta, ary kintana izy ireny. Mirakitra tantara koa izy ireny, anisan’izany ny taona nanjakan’ny mpanjaka iray. Miresaka ny fanakonam-bolana nisy tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Mokin-zery, ohatra, ilay takelaka momba ny kintana sy planeta etsy ambany.11

Inona no lazain’ny manam-pahaizana? Miaiky ny manam-pahaizana fa nanao tabilao sy lisitra be dia be ny Babylonianina, mba hanombantombanana hoe rahoviana no hisy fanakonam-bolana.12

Afaka nikajy ny fotoana nitrangan’ireo fanakonam-bolana taloha ve ny Babylonianina? Hoy i John Steele, manam-pahaizana: “Mety ho nanao kajy niverina avy tamin’ilay fotoana nanakambanana an’ilay takelaka izy ireo, mba hahafahana maminavina an’izay nitranga voalohandohany.” (Izahay no manao sora-mandry.)13 Mino i David Brown, manam-pahaizana, fa nisy faminavinana tao amin’ilay kisarisary nataon’ny manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta, ary natao taloha kelin’ny nanoratana an’ilay takelaka izany. Miaiky izy fa mety ho “ireo mpanoratra takelaka no nanao an’ireny kajy miverina ireny tamin’ny taonjato fahefatra T.K. na tatỳ aoriana.”14 Azo antoka ve anefa ireny kajy ireny, raha tsy misy porofo hafa manamarina azy?

Na atao aza hoe tena nisy fanakonam-bolana tamin’ny daty voafaritra iray, dia tsy midika izany hoe tsy maintsy marina koa ny zavatra lazain’ilay mpanoratra fa nitranga tamin’iny daty iny. Hoy i R. van der Spek, manam-pahaizana: “Mpandinika ny kintana sy planeta ange ireo nanoratra, fa tsy mpahay tantara e!” Nohazavainy fa nisy tantara “tsy dia azo antoka loatra” tao amin’ny sasany tamin’ireo takelaka, ka “tokony hitandrina tsara” izay mampiasa azy ireny.15

Inona no asehon’ireo takelaka? Izao, ohatra, no voalazan’ny andalana voalohany amin’ilay takelaka VAT 4956: “Taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona.”16 Lazalazainy amin’ny an-tsipiriany avy eo ny toeran’ny volana sy planeta raha oharina amin’ny kintana sy antoko-kintana hafa. Miresaka fanakonam-bolana iray nitranga koa izy ao. Lazain’ny manam-pahaizana fa tamin’ny 568/567 T.K. ireny rehetra ireny no nitranga. Raha marina anefa izany dia lasa tamin’ny 587 T.K. ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara II sy ny taona nandravany an’i Jerosalema. Tamin’ny taona 568/567 T.K. ihany ve anefa no nisy zava-nitranga toy ireny teny amin’ny lanitra?

Milaza ilay takelaka fa nisy fanakonam-bolana tamin’ny 15 Simano, volana fahatelon’ny Babylonianina. Fantatra fa nisy fanakonam-bolana tamin’ny 4 Simano na Jolay (kalandrie jolianina) tamin’ny 568 T.K. Nisy fanakonam-bolana koa anefa 20 taona talohan’io, izany hoe tamin’ny 15 Jolay 588 T.K.17

Raha tamin’ny 588 T.K. ny faha-37 taona nanjakan’i Nebokadnezara II, dia tamin’ny 607 T.K. izany ny faha-18 taona nanjakany. Tamin’io mihitsy no rava i Jerosalema araka ny fanisan-taonan’ny Baiboly. (Jereo ny  efajoro etsy ambany.) Mbola manome porofo hafa manamarina ny taona 607 T.K. ve anefa ny VAT 4956?

Ankoatra ilay fanakonam-bolana voalaza tetsy aloha, dia miresaka fandinihana in-13 natao tamin’ny volana sy fandinihana in-15 natao tamin’ny planeta koa ilay takelaka. Lazalazainy amin’izany ny toeran’ny volana na planeta raha oharina amin’ny kintana na antoko-kintana.18 Voalaza ao koa fa misy fizaram-potoana valo eo anelanelan’ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany ary ny fiposahan’ny volana sy ny filentehany.18a

Tena azo itokisana ny toeran’ny volana, ka nodinihin’ny mpikaroka ireo toerana 13 nisy ny volana resahin’ny VAT 4956. Nampiasain’izy ireo tamin’izany ny programan’ordinatera, izay afaka mampiseho ny toeran’ny zavatra eny amin’ny lanitra sy ny daty nitrangan’izany tamin’ny lasa.19 Inona no hitan’izy ireo? Tsy nifanaraka tamin’izay nitranga tamin’ny taona 568/567 T.K. ireo toerana 13 nisy ny volana, fa nifanaraka tsara kosa tamin’izay nitranga 20 taona talohan’io, izany hoe tamin’ny 588/587 T.K.

Ny taona 588 T.K. no tena mifanitsy kokoa amin’ireo fandinihana ny toeran’ny volana noho ny taona 568 T.K. Asehon’ilay takelaka VAT 4956 ny iray amin’izany toerany izany. Resahin’ny andalana fahatelo amin’izy io ny toeran’ny volana tamin’ny “alin’ny 9 [Nisano].” Nilaza ny manam-pahaizana tamin’ny voalohany fa tamin’ny 568 T.K. izany no nitranga. Niaiky izy ireo fa hoatran’io voalazan’ny takelaka io ny toeran’ny volana tamin’ny “8 Nisano, fa tsy tamin’ny 9 Nisano.” Mba hanamarinan’izy ireo an’ilay 568 T.K., dia nilaza izy ireo fa “8” no tokony ho nosoratan’ilay mpanoratra fa tsy “9.”20 Tamin’ny 9 Nisano 588 T.K. mihitsy anefa ny volana no teo amin’ilay toerana voalazan’ny takelaka.21

Mazava fa ny ankamaroan’ireo toeran’ny zavatra eny amin’ny lanitra resahin’ny VAT 4956, dia manaporofo fa tamin’ny 588 T.K. ny taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara II. Porofo àry izany fa tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema, toy ny ilazan’ny Baiboly azy.

Nahoana no tokony hitokisana ny Baiboly?

Mino ny ankamaroan’ny mpahay tantara ankehitriny fa tamin’ny 587 T.K. no rava i Jerosalema. Milaza mazava anefa i Jeremia sy Daniela, mpanoratra Baiboly, fa natao sesitany 70 taona ny Jiosy, fa tsy 50 taona. (Jeremia 25:1, 2, 11; 29:10; Daniela 9:2) Asehon’ireo mazava tsara fa tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema. Misy fanazavana tsy ara-baiboly manamarina an’izany, araka ny hitantsika teo.

Imbetsaka ny manam-pahaizana no nisalasala raha azo itokisana ny Baiboly. Isaky ny misy porofo hita anefa dia mazava fa tena marina foana ny fitantarana ao. * Tsy diso ireo olona mitoky amin’ny Baiboly. Hitan’izy ireo araka ny porofo mantsy fa marina ara-tantara sy ara-tsiansa ary ara-paminaniana izy io. Izany koa no mahatonga azy ireo hino fa Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahy masina ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Nahoana àry raha ianao mihitsy no mandinika an’ireo porofo ireo? Ho hitanao koa amin’izay fa marina ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Betsaka ny fomba ilazana daty. “Talohan’i Kristy” no dikan’ny hoe T.K. ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 8 Jereo ny lahatsoratra hoe “Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny? Nahoana Izany no Ilaina Fantarina? Inona no Asehon’ny Porofo?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2011.

^ feh. 14 Fanamarihana: Tsy mino daholo ny manam-pahaizana resahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema.

^ feh. 18 Tsy isaina ho anisan’ny taona nanjakan’ilay mpanjaka vaovao ilay taona nandraisany fahefana. Mbola isaina ho anisan’ny taona nanjakan’ilay mpanjaka teo aloha ireo volana sisa, mandra-pahatongan’ny taona nanaraka naha mpanjaka ofisialy an’ilay mpanjaka vaovao.

^ feh. 21 Tamin’ny taona rehetra nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao no nisy ireo takelaka momba ny raharaham-barotra. Raha ampifanampiana ny taona rehetra nanjakan’ireo mpanjakan’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao, ka avy eo amin’ny taona farany nanjakan’i Nabonida, mpanjaka farany, no manao kajy miverina, dia hitontona eo amin’ny 587 T.K. ny nandravana an’i Jerosalema. Mitombina anefa io kajy io raha toa ka tonga dia nitohitohy be tsy nisy elanelany ny nanjakan’ireo mpanjaka nifandimby.

^ feh. 36 Mba hahitana ohatra momba izany, dia jereo ny toko 4 sy 5 ao amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Tabilao, pejy 23]

 (Jereo ny gazety)

MISY TSY AMPY NY TANTARAN’I BABYLONA

Ny 35 taona monja nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao ihany no voarakitra ao amin’ny tantaran’i Babylona. Araka ny lovantsofina anefa, dia naharitra 88 taona teo ho eo izany.

TAONA TSY NISY FIRAKETANA AN-TSORATRA

TAONA NISY FIRAKETANA AN-TSORATRA

BM 21901 BM 21946 BM 35382

↓ ↓ ↓ ↓

FANJAKANA BABYLONIANINA VAOVAO PERSIANINA

Nabopolasara Nebokadnezara II Amila-Mardoka Nabonida

Neriglisara Labashi-Mardoka

↑ ↑ ↑

BM 25127 BM 22047 BM 25124

[Sary nahazoan-dalana]

BM 21901 sy BM 35382: Photograph taken by courtesy of the British Museum; BM 21946: Copyright British Museum; BM 22047, 25124, 25127: © The Trustees of the British Museum

[Efajoro/Sary, pejy 24]

TAKELAKA MOMBA NY KINTANA SY NY PLANETA (BM 32238)

Misy firaketana momba ireo fanakonam-bolana io takelaka io. Taorian’ny fanakonam-bolana farany, izany hoe 400 taona teo ho eo taorian’ny nisian’ny fanakonam-bolana voalohany, anefa vao nakambana ilay takelaka. Mazava ho azy fa tsy nahita an’ireo fanakonam-bolana rehetra ireo ilay mpanoratra. Mety ho nanao kajy àry izy mba hamantarana ny daty nitrangan’ireo fanakonam-bolana voalohandohany. Raha tsy misy porofo fanampiny manamarina ny fanazavany anefa, dia mety tsy ho azo ianteherana ireo daty voalaza ao.

[Sary nahazoan-dalana]

© The Trustees of the British Museum

[Efajoro/Sary, pejy 26, 27]

INONA MARINA NO LAZAIN’NY VAT 4956?

Nahoana izany no mampiady hevitra? Milaza ny andalana fahatelo amin’io takelaka io fa ny ‘alin’ny faha-9’ tamin’ny volana voalohany (Nisano/Nisana), dia “teo amin’ny 1 hakiho nanatrika ny kintana ß Virginis ny volana.” Nanoratra momba ny taona 568 T.K. (izay midika fa tamin’ny taona 587 T.K. no nandravana an’i Jerosalema) anefa i Neugebauer sy Weidner tamin’ny 1915. Nilaza izy ireo fa “tamin’ny 8 Nisana, fa tsy 9 Nisana no teo amin’ny 1 hakiho nanatrika an’io kintana io ny volana.” (Izahay no manao sora-mandry.) Tamin’ny 9 Nisana 588 T.K. mihitsy anefa no toy izany ny toeran’ny volana. Midika izany fa tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema.

Tamin’ny 9 sa 8 Nisana ilay izy?

(1) Hita eo amin’ny sary eto amin’ity pejy ity fa miseho mazava tsara ny isa 9 amin’ny soratra akadianina.

2) Rehefa nandika an’ilay soratra avy tao amin’ilay takelaka i Neugebauer sy Weidner, dia novan’izy ireo ho “8” ilay “9.”

3) Ny fanamarihana ambany pejy ihany no milaza fa “9” no tao amin’ilay soratra tany am-boalohany.

4) Na tamin’izy ireo nandika an’ilay soratra tamin’ny teny alemà aza dia “8” no nosoratany.

5) Namoaka an’ilay lahatsoratra voalohany misy an’ilay “9” i Sachs sy Hunger, tamin’ny 1988.

6) Notazonin’izy ireo anefa ilay fanovana rehefa nandika tamin’ny teny anglisy izy ireo, saingy nolazain’izy ireo hoe “tokony ho 8” no teo fa tsy “9.”

[Sary nahazoan-dalana]

bpk / Vorderasiatisches Museum, SMB / Olaf M. Teßmer

[Efajoro, pejy 28]

Fanamarihana Momba ny hoe “Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny? Fizarana Faharoa”

1. Zavatra telozoro mitovy bika amin’ny fantsika no nataon’ny mpanoratra teo amin’ny tanimanga mando mba hamela marika, ka nahatonga ny “soratra miendri-pantsika.”

2. Tantaran’i Asyria sy Babylona (anglisy) nosoratan’i A. Grayson, nivoaka tamin’ny 1975, natonta indray tamin’ny 2000, pejy 8.

3. Nanomboka tamin’ny taonjato fahafito T.K. ny Fanjakana Babylonianina Vaovao, rehefa nitondra ny Fanjakana Babylonianina ny tarana-mpanjaka kaldeanina. I Nabopolasara, rain’i Nebokadnezara II no nanjaka voalohany. I Nabonida no mpanjaka farany. Nifarana ilay Fanjakana Babylonianina Vaovao rehefa resin’i Kyrosy, mpanjaka persianina, izy io tamin’ny 539 T.K.

4. Boky Momba ny Raharaham-barotra sy Fitantanan-draharaha Nandritra ny Fanjakana Babylonianina Vaovao (anglisy), nataon’i Ellen Moore, nivoaka tamin’ny 1935, pejy 33.

5. Archimède, Boky Faha-4, Fandinihana Indray ny Tantara sy ny Filozofian’ny Siansa sy ny Teknolojia (anglisy), “Fandinihana sy Fanombantombanana Nataon’ny Astronoma Fahiny Momba ny Fotoana Nisian’ny Fanakonam-bolana”, nataon’i John Steele, nivoaka tamin’ny 2000, pejy 36.

6. Amila-Mardoka 562-560 T.K: Fandinihana avy Amin’ny Boky Misy Soratra Miendri-pantsika, Testamenta Taloha, Boky Grika sy Latinina, ary Bokin’ireo Raby. Misy sary (anglisy), nataon’i Ronald Sack, nivoaka tamin’ny 1972, pejy 3.

7. Tamin’ny volana fahefatra sy fahadimy, tamin’ny taona nahazoan’i Evila-merodaka fahefana, no nisian’ny takelaka tanimanga BM 80920 sy BM 58872. Ireo takelaka ireo no nataon’i Sack tao amin’ilay boky hoe Amila-Mardoka 562-560 T.K.—Fandinihana avy Amin’ny Boky Misy Soratra Miendri-pantsika, Testamenta Taloha, Boky Grika sy Latinina, ary Bokin’ireo Raby. Misy sary, pejy 3, 90, 106.

8. Tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faha-43, no nisian’ilay takelaka tanimanga (BM 55806) ao amin’ny Tranombakoka Britanika.

9. Tamin’ny volana fahafito sy fahafolo, tamin’ny taona noheverina fa taona farany (faharoa) nanjakan’i Evila-merodaka, no nisian’ny takelaka BM 75106 sy BM 61325. I Neriglisara no nandimby an’i Evila-merodaka. Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona nahazoan’i Neriglisara fahefana anefa no nisian’ny takelaka BM 75489.—Lisitr’ireo Takelaka Babylonianina ao Amin’ny Tranombakoka Britanika, Boky Faha-8 (Takelaka Laharana Faha-3 avy any Sippar) nataon’i Erle Leichty, J. Finkelstein, ary C. Walker, nivoaka tamin’ny 1988, pejy 25, 35.

Lisitr’ireo Takelaka Babylonianina ao Amin’ny Tranombakoka Britanika, Boky Faha-7 (Takelaka Laharana Faha-2 avy any Sippar) nataon’i Erle Leichty sy A. Grayson, nivoaka tamin’ny 1987, pejy 36.

Neriglisara, Mpanjakan’i Babylona (anglisy), nataon’i Ronald Sack, nivoaka tamin’ny 1994, pejy 232. Ny volana Ajaro (volana faharoa) no misoratra ao amin’ilay takelaka.

10. Diniho, ohatra, i Neriglisara. Misy soratra milaza fa “zanak’i Bêl-shom-ishkon, mpanjakan’i Babylona” izy. (Izahay no manao sora-mandry.) Misy soratra hafa koa miantso an’i Bêl-shom-ishkon hoe “printsy hendry.” Ilay teny tany am-boalohany hoe rubû izay nadika hoe “printsy”, dia anaram-boninahitra midika koa hoe “mpanjaka, mpitondra.” Tsy mitombina ny fotoana lazaina fa nialan’i Neriglisara teo amin’ny fanjakany sy ny nandimbiasan’i Amila-Mardoka azy. Sao àry dia i Bêl-shom-ishkon, “mpanjakan’i Babylona”, no nanjaka teo anelanelan’izy ireo? Niaiky ny manam-pahaizana atao hoe R. Dougherty fa “tsy tokony hodian-tsy hita hoe taranak’olona ambony i Neriglisara.”—Nabonida sy BelsazaraFandinihana ny Fotoana Faramparany Nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao (anglisy), nataon’i Raymond Dougherty, nivoaka tamin’ny 1929, pejy 61.

11. Takelaka Momba ny Kintana sy Planeta ary Ireo Asa Soratra avy any Babylonia Mifandray Amin’izany (anglisy), Boky Faha-5, nosoratan’i Hermann Hunger, nivoaka tamin’ny 2001, pejy 2-3.

12. Gazety Momba ny Fandinihana An’ireo Takelaka Misy Soratra Miendri-pantsika (anglisy), Boky Faha-2, No. 4, 1948, “Fisokajiana An’ireo Takelaka Babylonianina Momba ny Kintana sy Planeta Tamin’ny Fotoana Nitondran’ny Taranak’i Séleucus” nataon’i A. Sachs, pejy 282-283.

13. Takelaka Momba ny Kintana sy Planeta ary Ireo Asa Soratra avy any Babylonia Mifandray Amin’izany, Boky Faha-5, pejy 391.

14. Astronomia sy Astrolojia Natao Tany Mezopotamia (anglisy), nataon’i David Brown, nivoaka tamin’ny 2000, pejy 164, 201-202.

15. Bibliotheca Orientalis, Boky Faha-50 N° 1/2, Janoary-Martsa, 1993, “Takelaka Momba ny Kintana sy Planeta Nakana ny Tantaran’ny Nanjakan’ny Taranak’i Achéménès sy Séleucus”, nataon’i R. van der Spek, pejy 94, 102.

16. Takelaka Momba ny Kintana sy Planeta ary Ireo Asa Soratra avy any Babylonia Mifandray Amin’izany, Boky I, nataon’i Abraham Sachs, ary namita sy namoaka azy i Hermann Hunger tamin’ny 1988, pejy 47.

17. Fandinihana ny Fanakonam-bolana Tany Babylona Tamin’ny 750 T.K. ka Hatramin’ny 1 T.K. (anglisy), nataon’i Peter Huber sy Salvo De Meis, nivoaka tamin’ny 2004, pejy 186. Araka ny VAT 4956, dia tamin’ny 15 Simano, volana fahatelon’ny Babylonianina no nitranga io fanakonam-bolana io. Midika izany fa nanomboka 15 andro talohan’io ny volana Simano. Mifanitsy amin’ny volana Jona izany, raha ny tokony ho izy, araka ny kalandrie jolianina. Tokony ho nanomboka roa volana talohan’io àry ny volana voalohany (Nisano), izay mifanitsy amin’ny Aprily. Milaza anefa ny VAT 4956, eo amin’ny andalana faha-6, fa nisy volana iray nampiana taorian’ny volana Adara, volana faha-12 (farany), tamin’ny taona talohan’io. (Izao no voalazan’io takelaka io: “Fahavalon’ny volana faha-122 [volana faha-13].”) Midika izany fa lasa nanomboka tamin’ny 2/3 Mey ny volana Nisana. Raha tamin’ny 15 Jolay 588 T.K. no nitranga ilay fanakonam-bolana, dia tamin’ny 30 Jona/1 Jolay 588 T.K. no voalohan’ny volana Simano. Tamin’ny taona 588 T.K. tokoa àry ilay fanakonam-bolana no nitranga, ary mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ilay takelaka izany.

18. Nisy fandinihana in-13 natao tamin’ny volana ka hita tamin’izany ny toeran’izy io raha oharina amin’ny kintana na antokon-kintana iray, araka ny Tatitra Momba ny Fandinihana Nataon’ny Fikambanana An’i Saxe Mpanao Fikarohana Momba ny Fiaraha-monina any Leipzig (alemà), Boky Faha-67; 1 Mey 1915, tao amin’ilay hoe “Lahatsoratra Nataon’ny Mpandinika ny Kintana sy Planeta Momba ny Taona Faha-37 Nanjakan’i Nebokadnezara II”, nataon’i Paul Neugebauer sy Ernst Weidner, pejy 67-76. Misy lisitry ny fandinihana in-15 natao tamin’ny planeta hafa koa ao. (Pejy 72-76) Mazava tsara ny marika famantarana ny volana ao amin’ireo takelaka misy soratra miendri-pantsika. Tsy mazava anefa ny marika sasany famantarana ny anaran’ny planeta sy ny toerana misy azy ireny. (Astronomia sy Astrolojia Natao Tany Mezopotamia, nataon’i David Brown, nivoaka tamin’ny 2000, pejy 53-57) Lasa nanombantombana sy nanana hevitra maro samy hafa ny mpandinika noho izany. Koa satria mora fantarina ny toeran’ny volana, dia azo fantarina koa ny toeran’ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra, izay manakaikikaiky ny volana, resahina ao amin’ny VAT 4956. Azo fantarina tsara koa àry hoe tamin’ny oviana izy ireny no nipoitra.

18a. Toy izao, ohatra, no fanisana an’ireo elanelam-potoana ireo: Manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny volana amin’ny andro voalohany amin’ny volana, ary avy eo mandritra ny fotoana roa hafa any aoriana kokoa amin’io volana io. Nampifandraisin’ny manam-pahaizana tamin’ny daty amin’ny kalandrie ireny halavam-potoana ireny. (“Fandinihana Voalohandohany Ilay Hazavana any Avaratra”, nataon’i F. Stephenson sy David Willis, tao amin’ilay hoe Eo Ambany Lanitra iray, Astronomia sy Kajy Natao Tany Atsinanan’ny Ranomasina Mediterane Fahiny, anglisy, navoakan’i John Steele sy Annette Imhausen, nivoaka tamin’ny 2002, pejy 420-428) Nila famantaranandro manokana ny mpandinika fahiny mba hikajiana an’izany. Tsy azo antoka ireny kajy ireny. (Archimède, Boky Faha-4, Fandinihana Indray ny Tantara sy ny Filozofian’ny Siansa sy ny Teknolojia, “Fandinihana sy Fanombantombanana Nataon’ny Astronoma Fahiny Momba ny Fotoana Nisian’ny Fanakonam-bolana”, nataon’i John Steele, nivoaka tamin’ny 2000, pejy 65-66) Azo natao tsara anefa ny nikajy ny toeran’ny volana raha oharina amin’ny toeran’ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra.

19. Programan’ordinatera antsoina hoe TheSky6™ no nanaovana an’io fandinihana io. Nanampy tamin’izany koa ny programa Cartes du ciel (CDC) sy ny fitaovana mpanova daty avy amin’ny Naval Observatory any Etazonia. Lasa nanombantombana sy nanana hevitra samy hafa ny mpandinika satria tsy mazava tsara ireo marika momba ny toeran’ny planeta ao amin’ny takelaka misy soratra miendri-pantsika. Tsy nampiasaina tamin’io fanadihadiana io àry izy ireny mba hamantarana ny taona resahin’io takelaka momba ny kintana sy planeta io.

20. Tatitra Momba ny Fandinihana Nataon’ny Fikambanana An’i Saxe Mpanao Fikarohana Momba ny Fiaraha-monina any Leipzig, Boky Faha-67; 1 Mey 1915, tao amin’ilay hoe “Lahatsoratra Nataon’ny Mpandinika ny Kintana sy Planeta Momba ny Taona Faha-37 Nanjakan’i Nebokadnezara II, (-567/566)”, nataon’i Paul Neugebauer sy Ernst Weidner, pejy 41.

21. Izao no voalaza ao amin’ny VAT 4956 andalana fahatelo: “Teo amin’ny 1 hakiho [na 2 degre] nanatrika ny kintana ß Virginis ny volana.” Araka ilay fandinihana voalaza terỳ aloha, dia teo amin’ny 2°04ʹ nanatrika ny kintana ß Virginis ary teo amin’ny 0° ambanin’izy io ny volana, tamin’ny 9 Nisano. Hita hoe mifanaraka tsara ilay fanazavana.

[Tabilao, pejy 25]

 (Jereo ny gazety)

OVIANA NO RAVA I JEROSALEMA ARAKA NY VAT 4956: 587 T.K. SA 607 T.K.?

▪ Asehon’ilay takelaka ireo zava-nitranga teny amin’ny lanitra tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara II.

▪ Tamin’ny taona faha-18 nanjakany i Nebokadnezara II no nandrava an’i Jerosalema.—Jeremia 32:1.

Raha tamin’ny 568 T.K.

ny taona faha-37 nanjakan’i

Nebokadnezara II, dia tamin’ny

587 ← ← 587 T.K. i Jerosalema no rava.

610 T.K. 600 590 580 570 560

607 ← ← Raha tamin’ny 588 T.K.

ny taona faha-37 nanjakany,

dia tamin’ny 607 T.K.

i Jerosalema no rava,

ary io daty io no mifanitsy

amin’ny fanisan-taonan’ny Baiboly.

▪ Ny taona 607 T.K. no mifanitsy kokoa amin’izay lazain’ny VAT 4956.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Photograph taken by courtesy of the British Museum