Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Tokony Samy Hanaja ny Fitsipik’Andriamanitra ny Mpivady

Tokony Samy Hanaja ny Fitsipik’Andriamanitra ny Mpivady

Feno: * “Tamin’izahay sy Lalao vao nivady, dia tsy nanaiky aho raha tsy niara-nianatra Baiboly izahay. Nataoko izay mba hampifantoka tsara azy nandritra ny fianarana. Hoatran’ny tsy nahatombina mihitsy anefa izy. Rehefa nametraka fanontaniana aho, dia eny na tsia fotsiny no navaliny. Tsy hoatran’izany mihitsy tamiko ny atao hoe mianatra Baiboly.”

Lalao: “Tamin’izaho 18 taona no nivady izahay sy Feno. Niara-nianatra Baiboly tsy tapaka izahay, kanefa nohararaotin’i Feno izany mba hiresahana ny tsy nety rehetra nataoko sy ny zavatra nila nahitsiko. Tena nahakivy sady nampalahelo ahy izany.”

ARAKA ny hevitrao, inona no olana teo amin’izy mivady? Tsara fikasa izy ireo sady samy tia an’Andriamanitra. Samy nahatsapa koa izy ireo fa ilaina ny miara-mianatra Baiboly. Tokony hampifankatia azy ireo izany. Toa ny mifanohitra amin’izany anefa no nitranga, satria tsy nifanampy izy ireo mba samy hanaja ny fitsipik’Andriamanitra.

Ahoana izany hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra? Nahoana ny mpivady no tokony hiezaka hanao an’izany? Inona no olana mety hatrehin’izy ireo, ary ahoana no handreseny an’izany?

Ahoana izany hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra?

Miresaka momba ny olona “araka ny fanahy” ny Baiboly ary mampifandray an’izany amin’ny toe-tsaina na fomba fiaina. (Joda 18, 19) Nasongadin’i Paoly, mpanoratra Baiboly, ohatra, fa tsy mitovy ny toe-tsain’ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka ny nofo. Nilaza izy fa tsy dia mieritreritra ny hafa ankoatra ny tenany ny olona araka ny nofo. Manao izay heveriny fa mety izy fa tsy miezaka mankatò ny fitsipik’Andriamanitra.—1 Korintianina 2:14; Galatianina 5:19, 20.

Manaja ny fitsipik’Andriamanitra kosa ny olona araka ny fanahy. Heveriny ho toy ny Namana i Jehovah Andriamanitra, ary miezaka mafy izy mba hanahaka ny toetrany. (Efesianina 5:1) Be fitiavana sy tsara fanahy àry izy rehefa mifandray amin’ny hafa. (Eksodosy 34:6) Mankatò an’Andriamanitra izy na dia mety hiteraka olana ho azy aza izany. (Salamo 15:1, 4) Hoy i Darren any Kanada, izay 35 taona nanambadiana: “Amiko, ny olona araka ny fanahy dia mieritreritra foana izay ho vokatry ny teniny sy ny ataony eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra.” Hoy koa i Jane vadiny: “Araka ny fanahy, amiko, ny vehivavy raha miezaka mafy isan’andro mba haneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra.”—Galatianina 5:22, 23.

Marina fa tsy voatery hoe manambady ny olona iray vao hanaja ny fitsipik’Andriamanitra. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa tokony hianatra momba an’Andriamanitra ny olona tsirairay ary tokony hanahaka azy.—Asan’ny Apostoly 17:26, 27.

Nahoana ny mpivady no tokony hanaja ny fitsipik’Andriamanitra?

Intỳ misy ohatra: Misy mpamboly roa manana tany iray itambaran’izy ireo, ary te hamboly legioma izy ireo. Efa mieritreritra fotoana voafaritra iray hambolena ilay mpamboly iray. Ilay anankiray kosa mihevitra fa aleo miandry aoriandriana kely. Te hampiasa zezika ilay anankiray, fa ilay iray kosa manizingizina fa tsy mila zezika ilay voly. Te hikarakara an’ilay tany isan’andro ilay anankiray. Ilay iray kosa mitazam-potsiny fa tsy manampy. Marina fa mety hamokatra ihany ilay tany. Raha nifanaraka tsara anefa ireo mpamboly ireo hoe ahoana no hikarakarana an’ilay tany ary avy eo niara-niasa, dia azo antoka fa ho betsaka kokoa ny vokatra azon’izy ireo.

Toa an’ireo mpamboly ireo koa ny mpivady. Mety hifankatia ihany izy ireo raha ny iray monja no manaja ny fitsipik’Andriamanitra. (1 Petera 3:1, 2) Tsara kokoa anefa raha izy roa mihitsy no mifanaraka hoe hankatò ny fitsipik’Andriamanitra ary hiara-hiezaka mafy mba hifanohana eo am-panompoana azy. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.”—Mpitoriteny 4:9, 10.

Azo antoka fa tianao raha samy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra ianareo. Tsy hisy vokany anefa raha hoe maniry an’izany fotsiny ianao, toy ny amin’ny fambolena ihany. Hodinihintsika àry izao ny olana roa mety hitranga sy ny fomba handresena an’izany.

OLANA 1: Tsy manam-potoana izahay.

Hoy i Soa, izay nanambady vao haingana: “Mitsena ahy any am-piasana ny vadiko amin’ny 7.00 hariva. Miandry anay daholo ny raharaha rehefa tonga ao an-trano izahay. Fantatray fa tokony hiara-hianatra momba an’Andriamanitra izahay. Tena reraka anefa izahay ka te haka aina.”

Inona no azonareo atao? Amboary arakaraka ny zava-misy ny fotoana ary mahaiza miara-miasa. Hoy i Soa: “Nanapa-kevitra izahay mivady hoe aleo mifoha maraina, ary miara-mamaky sy midinika ny Baiboly alohan’ny handehanana hiasa. Manampy ahy manao raharaha koa izy ka lasa manam-potoana iarahana aminy aho.” Inona no vokatr’izany? Hoy i Dera, vadin’i Soa: “Hitako hoe lasa mora kokoa aminay ny miatrika olana rehefa miara-midinika ny Baiboly tsy tapaka izahay sy Soa. Lasa tsy dia mitebiteby be loatra koa izahay.”

Mila mifampiresaka koa ny mpivady. Tsy ampy anefa izany fa ilaina koa ny manokana fotoana kely isan’andro mba hiarahana mivavaka. Inona no mahatsara an’izany? Hoy i Jao, izay 16 taona nanambadiana: “Nisy olana lehibe teo aminay mivady teo alohaloha kely teo. Nanokana fotoana anefa izahay isak’alina mba hiarahana mivavaka, ary noresahinay tamin’Andriamanitra ny fanahianay. Nanampy anay handamina an’ilay olana izany ka lasa sambatra indray ny tokantranonay.”

ANDRAMO IZAO: Manokàna fotoana kely isaky ny mifarana ny andro tsirairay, mba hiresahana an’izay zavatra tsara nitranga teo amin’ny tokantranonareo ka azonareo isaorana an’Andriamanitra. Resaho koa ny olana atrehinareo, indrindra fa ireo olana ilanareo fanampiana amin’Andriamanitra. Aza hararaotina hitanisana ny tsy mety ataon’ny vadinao anefa izany. Rehefa miara-mivavaka ianareo, dia izay olana iombonanareo ihany resahina. Miezaha hanao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka ny ampitson’iny.

OLANA 2: Tsy mitovy ny fahaizanay.

Hoy i Tsiry: “Tsy mba izaho mihitsy izany hoe hamaky boky izany.” Hoy kosa i Aina vadiny: “Tena tia mamaky boky aho, ary tiako avy eo ny miresaka an’izay zavatra vao avy novakiko. Mieritreritra aho indraindray hoe somary matahotra ahy i Tsiry rehefa miresadresaka hevitra ara-baiboly izahay.”

Inona no azonareo atao? Tohano foana ny vadinao fa aza mifaninana aminy na mitsara azy. Derao izy amin’ny toetra tsarany sy izay zavatra hainy, ary ampirisiho izy mba hanohy an’izany. Hoy i Tsiry: “Tena nafana fo be ny vadiko rehefa niresaka hevitra ara-baiboly, ka somary nandreraka ahy izany indraindray. Kamo be aho taloha hiresaka foto-kevitra toy izany taminy. Tena nanohana ahy anefa izy. Miresadresaka hevitra ara-baiboly tsy tapaka izahay izao, ary tena tiako izany. Hitako fa tsisy tokony hatahorana akory. Nanampy anay izany mba ho tony sy hifankatia kokoa.”

Mpivady maro no nahita fa lasa sambatra kokoa izy ireo rehefa nanokana fotoana tsy tapaka isan-kerinandro mba hiarahana mamaky sy mianatra Baiboly. Rehefa miresaka torohevitra ara-baiboly anefa, dia izay fomba hampiharanao an’izany resahina fa tsy izay hampiharan’ny vadinao azy. (Galatianina 6:4) Aza resahina mandritra ilay fianarana ny olana mety hampiady anareo. Nahoana?

Aoka hatao hoe miara-misakafo ianareo mianakavy. Hisy hazoto homana ve raha amin’izay ianao no mitsabo fery mamoro-nana? Nampitahain’i Jesosy tamin’ny fihinanana sakafo ny fianarana momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanaovana an’izany. (Matio 4:4; Jaona 4:34) Raha zavatra mandratra fo foana no resahinao isaky ny mianatra Baiboly, dia mety tsy hazoto hianatra intsony ny vadinao. Marina fa mila alamina ny olana, kanefa amin’ny fotoana natokana ho amin’izany ianareo vao tokony hiresaka an’izany.—Ohabolana 10:19; 15:23.

ANDRAMO IZAO: Manorata toetra roa na telo tena tianao amin’ny vadinao. Rehefa miara-midinika hevitra ara-baiboly mifandray amin’ireo toetra ireo ianareo amin’ny manaraka, dia lazao azy fa tena tianao ny fomba anehoany azy ireo.

Hody ventiny ny rano nantsakaina

Ho sambatra ny tokantranonareo raha mifanampy ianareo mba samy hanaja ny fitsipik’Andriamanitra. Manome toky mihitsy aza ny Teniny hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

Tsapan’i Feno sy Lalao, voalaza terỳ am-piandohana, fa marina izany. Efa 45 taona nanambadiana izy ireo izao, ary tsapany fa nody ventiny ny rano nantsakainy. Hoy i Feno: “Ny vadiko foana no nomeko tsiny hoe tsy dia niresaka. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia tsapako fa izaho koa mba nila niezaka.” Hoy i Lalao: “Samy tia an’i Jehovah izahay ka izany no tena nanampy anay hiatrika fotoan-tsarotra. Miara-mianatra Baiboly sy miara-mivavaka foana izahay hatramin’izay. Niezaka kokoa i Feno mba hanana toetra tsara, ka vao mainka izy lasa tiako be.”

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

  • Oviana izahay mivady no niara-nivavaka farany?

  • Inona no azoko atao mba hahatonga ny vadiko hazoto kokoa hiara-hiresadresaka hevitra ara-baiboly amiko?