Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Tany Ngazana Rakotra Lanezy

Fitsidihana Tany Ngazana Rakotra Lanezy

Taratasy avy any Norvezy

Fitsidihana Tany Ngazana Rakotra Lanezy

VAO maraina be tamin’izay, ary ririnina ny andro. Nitsikilo teo am-baravarankely izahay mivady mba hijery ny toetrandro. Faly erỳ izahay fa manga ny lanitra. Handeha hitory any Finnmarksvidda izahay mandritra ny telo andro. Tendrombohitra lehibe marin-tampona, any amin’ny faritra avaratr’i Norvezy.

Mangatsiaka be ny ririnina atỳ Norvezy, ka somary nampatahotra kely anay ny handeha tany amin’io toerana io. Soa ihany anefa fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah telo mipetraka any izahay. Fantatr’izy ireo tsara izay mety hitranga ka nomeny torohevitra tsara izahay.

Tsy dia misy lalana atỳ, ka môtô fentina amin’ny lanezy no mety tsara hitsidihana ny olona any amin’ny faritra lavitra be. Namboarinay àry ny entanay, toy ny akanjo sy sakafo ary lasantsy fanampiny, ka nataonay teo ambonin’ireo môtô sy kalesy. Tena midadasika ilay tendrombohitra halehanay sady fotsy be daholo izay taza-maso rehetra. Nanjelanjelatra toy ny diamondra ny lanezy rehefa notarafin’ny masoandro, ka tena kanto erỳ.

Misy serfa, sakadia, bitrodia, fosa, ary orsa any Finnmarksvidda. Ireo olona mipetraka any anefa no tena tianay ho hita. Te hihaona tamin’ireo foko sami izahay. Miandry serfa na miasa any amin’ny trano fandraisan’olona any an-tendrombohitra no fiveloman-dry zareo.

Nahita tanora maromaro mpiara-mianatra nikorisa tamin’ny ranomandry izahay teo ivelan’ny trano voalohany fandraisan’olona. Nijanona ry zareo ka nanontany hoe naninona tany izahay. Mazava ho azy fa faly izahay afaka nanazava an’izany. Nirary soa anay ny iray tamin’izy ireo rehefa lasa izahay. Nitaingina môtô indray izahay ka namakivaky farihy nivaingana sy tany ngazana rakotra lanezy. Nieritreritra izahay hoe asa raha hifanena amina andiana serfa.

Tonga teo amin’ny trano kely iray izahay ary nisy lehilahy iray niarahaba anay. Anisan’ireo mponina vitsivitsy any izy. Tsara fanahy izy satria rehefa hitany hoe simba ilay kalesinay dia namboariny. Tsy dia rototra ny olona atỳ rehefa manao zavatra. Naka nilamina erỳ izy nanao an’ilay izy, ka lasa tsy rototra koa izahay. Nisaotra azy izahay rehefa vita ilay izy. Noresahinay taminy avy eo izay lazain’ny Baiboly momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Nihaino tsara izy. Nomenay an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? sy Ny Tilikambo Fiambenana ary Mifohaza! izy talohan’ny handehananay. Nitsiky izy sady nilaza hoe: “Misaotra anareo nitsidika ahy.”

Nitsidika olon-kafa vitsivitsy izahay, dia hariva ny andro. Nankany amin’ny tranokely hatorianay àry izahay. Nahatazana fosa tampoka izahay. Nidorehitra erỳ ilay volony menamena raha oharina amin’ilay lanezy fotsy. Nijanona kely izy, ary nijerijery anay dia lasa. Nilatsaka avy eo ny lanezy ka sarotra ny nitady ny lalan-kaleha. Faly erỳ anefa izahay fa tazanay ihany tamin’ny farany ilay trano hatorianay. Nandrehitra afo tao am-patana izahay ka nihanafana tsikelikely ny tao an-trano. Reraka be izahay satria tontolo andro nitontontontona teny ambony môtô. Tena faly anefa izahay.

Maraina sahady ny andro. Naverinay teo ambony môtô indray ny entanay. Nandeha teny amin’ny lohasaha izahay, nanaraka renirano ka tonga teo amin’ny tendrombohitra iray hafa misy trano fandraisan’olona. Nahita tovolahy iray izahay ka niresaka taminy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Tena tsara fanahy izy satria natorony anay ny lalana mora iverenana tany amin’ilay lalanay teo.

Iray andro sisa dia hody izahay. Tonga tany amin’ny Valan-javaboarin’i Stabbursdalen izahay. Tsara tarehy erỳ izay jerena. Nisy tendrombohitra maromaro rakotra lanezy tazana avy lavitra. Namirapiratra erỳ izy ireo rehefa notarafin’ny masoandro. Nahatazana andiana serfa nihinan-kanina izahay. Ny kitrony no nampiasainy mba hisokirana an’ireo volonkazo tao ambany lanezy. Nisy Sami iray tazanay lavidavitra teo. Nipetraka teo ambony môtô fentina amin’ny lanezy izy, niandry an’ireo serfany. Manana alika izy ka izy io no niambina tsara an’ilay andiana serfa sy nanangona azy ireo. Nijanona kely ilay alika, ary nitodika tany aminay izy sady nanimbolo. Vetivety ihany anefa dia niverina nanao ny asany indray izy. Nitory tamin’ilay lehilahy izahay. Sariaka izy sady nihaino tsara anay.

Nahavita 300 kilaometatra izahay tamin’iny dianay iny. Nahatsiaro an’ireo olona nihaona taminay izahay rehefa nody. Tena faly izahay satria afaka nandray anjara kely tamin’ny fitoriana tany amin’io tany ngazana midadasika rakotra lanezy io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

©Norway Post