Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misy Fotoana Itiavana ary Misy Fotoana Ankahalana”

“Misy Fotoana Itiavana ary Misy Fotoana Ankahalana”

“Misy Fotoana Itiavana ary Misy Fotoana Ankahalana”

“ANDRIAMANITRA dia fitiavana.” Any amin’ny tany sasany, dia ahanton’ny olona eo amin’ny rindrina ao an-tranony ireo teny ireo. Tena mahalaza tsara ny maha izy an’Andriamanitra tokoa ireo teny kanto ireo, dia ny fitiavana izany.

Maro anefa no tsy mahalala akory hoe avy ao amin’ny Baiboly ireo teny ireo. Ny apostoly Jaona no nanoratra an’ireo. Hoy izy: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Hoy koa i Jaona momba ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Lasa mihevitra àry ny olona sasany fa tsy mampaninona an’Andriamanitra mihitsy izay zavatra ataontsika na inona izany na inona. Hita amin’ny zavatra ataony fa mihevitra izy ireo hoe tsy hanao hampamoaka azy ireo mihitsy Andriamanitra. Marina ve anefa izany? Tia ny olona rehetra ve Andriamanitra, na tsara fanahy izy na ratsy fanahy? Efa mba nankahala ve izy?

Be fitiavana nefa mety hankahala koa

Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra ... misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana.” (Mpitoriteny 3:1, 8) Marina fa be fitiavana sy tsara fanahy Andriamanitra. Raha io toro lalana io anefa no jerena, dia mba mankahala koa izy indraindray.

Inona no dikan’ilay hoe ‘mankahala’ ao amin’ny Baiboly? Hoy ny boky iray: “Manana heviny be dia be ilay teny hoe ‘mankahala’ ao amin’ny Soratra Masina. Mety hidika hoe tsy tia maizina na mitsangan-ko fahavalo izy io, ary mety hahatonga an’ilay olona hanisy ratsy an’ilay olona ankahalainy izany.” Io fankahalana io no fahitantsika matetika, ary hitantsika maneran-tany mihitsy ny vokatr’izy io. Hoy koa anefa ilay boky: “Midika koa hoe tsy tia mainty ilay hoe ‘mankahala’, saingy tsy mieritreritra ny hanisy ratsy an’ilay olona ankahalainy.”

Io heviny faharoa io no hodinihintsika. Fankahalana lalim-paka izy io, ary fahatsapana rikoriko, saingy tsy haratsin-toetra na fitiavana hanisy ratsy olona. Mety hankahala hoatr’izany ve Andriamanitra? Diniho ny voalazan’ny Ohabolana 6:16-19: “Misy zavatra enina halan’i Jehovah, eny, fito ny zavatra maharikoriko azy: Ny maso miandranandrana, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.”

Hitantsika eo fa misy fanao sasany halan’Andriamanitra. Tsy ilay olona manao ratsy anefa no halany. Jereny ny antony nahatonga an’ilay olona hanao an’ilay izy. Ohatra hoe noho ny fahalemeny ve, sa ny olona mifanerasera aminy, sa ny fomba nitaizana azy, sa noho izy tsy nahalala? (Genesisy 8:21; Romanina 5:12) Nohazavain’ilay mpanoratra ny Ohabolana tamin’ny alalan’izao ohatra izao izany: “Izay tian’i Jehovah no anariny, tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” (Ohabolana 3:12) Mety ho halan’ny ray aman-dreny ny ditran-janany. Mbola tia azy ihany anefa izy ireo, ka miezaka mafy manitsy azy mba hialany amin’ny ditrany. Be fitiavana koa i Jehovah ka manao toy izany, raha mbola azo avotana ilay nanota.

Rahoviana no ara-drariny ny fankahalana?

Ahoana anefa raha efa mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray, nefa tsy mety manao an’izany? Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona toy izany. Mampahatezitra azy ny olona minia manao zavatra halany. Hoy, ohatra, ny Baiboly: “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.” (Salamo 11:5) Tsy hahazo famelan-keloka ny olona hoatr’izany, araka ny nohazavain’i Paoly tamin’ireo Hebreo hoe: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.” (Hebreo 10:26, 27) Nahoana Andriamanitra no manao an’izany, nefa izy Andriamanitra fitiavana?

Mety ho lasa raiki-tampisaka amin’ny olona iray ny faharatsiana, raha minia manao fahotana lehibe foana izy. Mety ho lasa ratsy fitondran-tena izy ka mety tsy ho azo ahitsy na ovana intsony. Oharin’ny Baiboly amin’ny leopara izay tsy mahavita manova ireo pentina aminy ny olona toy izany. (Jeremia 13:23) Manao an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ota mandrakizay”, izay tsy hahazoana famelan-keloka intsony, izy ka tsy afaka mibebaka intsony.—Marka 3:29.

Toy izany i Adama sy Eva ary Jodasy Iskariota. Lavorary no namoronan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva, ary mivantana be sy azon’izy roa tsara ilay didy nomeny azy ireo. Ninia nanota àry izy ireo ka tsy afa-tsiny. Tsy nangataka azy ireo hibebaka Andriamanitra avy eo. (Genesisy 3:16-24) Ary i Jodasy? Marina fa tsy lavorary izy, kanefa nifandray be tamin’ilay Zanak’Andriamanitra. Mbola lasa mpamadika ihany anefa izy. Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay zanaky ny fandringanana” mihitsy aza izy. (Jaona 17:12) Milaza koa ny Baiboly fa minia manota foana ny Devoly ary kalazalahy amin’izany izy, ka fandringanana sisa no miandry azy. (1 Jaona 3:8; Apokalypsy 12:12) Halan’Andriamanitra ny zavatra nataon’izy rehetra ireo.

Soa ihany anefa fa tsy ny olona rehetra nanota no tsy azo avotana intsony. Tena manam-paharetana i Jehovah ka tsy faly hanasazy an’izay nanota noho ny tsy fahalalany. (Ezekiela 33:11) Asainy mibebaka kosa izy ireo mba hahazoany famelan-keloka. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny. Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy. Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.”—Isaia 55:7.

Fantaro ny fotoana itiavana sy ny fotoana ankahalana

Manahaka an’Andriamanitra ny tena Kristianina, ka mamantatra hoe rahoviana ny “fotoana itiavana” ary rahoviana ny “fotoana ankahalana.” Mety tsy hahay hanavaka an’izany ny olona iray raha entanin’ny fihetseham-po fotsiny. Manampy antsika hahay handanjalanja anefa ny tenin’i Joda mpianatra hoe: “Amindrao fo hatrany koa ny hafa, ka ataovy amin-tahotra izany, ary ankahalao na dia ny akanjo anatiny voapentimpentin’ny nofo aza.” (Joda 22, 23) Ny zavatra ratsy àry no tokony hankahalaintsika, fa tsy ilay olona manao an’ilay izy.

Nodidiana ho tia ny fahavalony koa ny Kristianina ka hanao soa aminy. Hoy i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana amin’ny mpiara-monina aminy, na dia tsy mihaino aza ny sasany. (Matio 24:14) Manahaka ny fomba fihevitry ny Baiboly izy ireo, ka mino fa mety ho tian’i Jehovah sy hamindrany fo daholo ny olon-drehetra. Miezaka manampy olona izy ireo. Rehefa tsy misy miraharaha anefa izy ireo na misy manenjika, dia mampihatra foana an’izao torohevitr’i Paoly izao: “Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo, eny, aoka hirary soa fa tsy hanozona. ... Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” (Romanina 12:14, 17) Tadidin’izy ireo foana fa i Jehovah no hamaritra hoe iza no mendrika ny hotiaviny sy hankahalainy. Izy no Mpitsara farany an’izay mendrika ny ho faty sy ho velona.—Hebreo 10:30.

Marina tokoa fa “Andriamanitra dia fitiavana.” Tokony hankasitraka an’izany fitiavany izany isika ka hiezaka hamantatra sy hanao ny sitrapony. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo hampianatra anao an’izany sitrapony izany avy ao amin’ny Baibolinao, sy hanoro anao ny fomba hampiharana an’izany eo amin’ny fiainana. Tsy ho halan’Andriamanitra ianao amin’izay, fa ho tiany kosa.

[Teny notsongaina, pejy 23]

“Misy zavatra enina halan’i Jehovah, eny, fito ny zavatra maharikoriko azy: Ny maso miandranandrana, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.”—OHABOLANA 6:16-19

[Teny notsongaina, pejy 24]

“Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.”—HEBREO 10:26, 27

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny. Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy. ... Tena mamela heloka tanteraka izy.”—ISAIA 55:7

[Sary, pejy 24]

Tia ny zanany ny ray aman-dreny raha manitsy azy ireo mba hanampiana azy

[Sary, pejy 25]

Maro ny voafonja nandray soa tamin’ny fitiavana sy famindram-po nasehon’Andriamanitra