Fantatrao Ve?
Iza ilay mpanjaka persianina atao hoe Ahasoerosy resahina ao amin’ny bokin’i Estera?
▪ Milaza ny bokin’i Estera fa ilay tovovavy jiosy atao hoe Estera no nofidin’i Ahasoerosy Mpanjaka ho vadiny. Niaro ny fireneny io vadiny io, tatỳ aoriana, rehefa nisy nitady handripaka izy ireo. Fa iza tokoa io Ahasoerosy io? Efa hatramin’ny ela ny manam-pahaizana no tsy nitovy hevitra momba izany. Fantatra ihany anefa hoe i Ksersesy I, zanak’i Dariosy Lehibe (Hystaspe), izy io. Nisy tsangambato hita mantsy tany Persa, ary misy fanazavana amin’ny fiteny telo teo amin’izy ireo. Hita teo ilay anarana hoe Ksersesy tamin’ny teny hebreo, ary nitovitovy tamin’ny fomba fanoratana an’ilay Ksersesy tao amin’ny bokin’i Estera tamin’ny teny hebreo ihany ilay izy.
Mifanaraka amin’izay resahin’ny bokin’i Estera momba an’i Ahasoerosy izay voalaza momba an’io Ksersesy io. Tany Sosana, any Elama, no renivohitry ny fanjakany. Izy koa no nifehy an’i Media, ary tonga hatrany Inde ka hatrany amin’ireo nosin’i Mediterane ny faritra nanjakany. (Estera 1:2, 3; 8:9; 10:1) Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Lewis Paton: “Tsy nisy mpanjaka persianina hoatr’izany mihitsy afa-tsy i Ksersesy irery. Nanoratra tantara momba an’i Ksersesy koa i Hérodote sy ny mpahay tantara grika hafa, ary mifanaraka tsara amin’ny toetran’i Ahasoerosy resahin’ny bokin’i Estera izany.”
Inona no porofo fa nisy nanao biriky tany Ejipta fahiny?
▪ Milaza ny bokin’ny Eksodosy fa nasain’ny Ejipsianina nanao biriky ireo andevony hebreo. Rihitra tanimanga sy mololo no nanaovan’izy ireo an’izany, ary nisy isa tsy maintsy notratrarin’izy ireo isan’andro.—Eksodosy 1:14; 5:10-14.
Ny fanaovana biriky namainina tamin’ny masoandro no tena anton’asan’ny olona tany amin’ny Lohasahan’i Neily fahiny. Mbola misy tsangambato vita tamin’ny biriky amin’izao any Ejipta. Hita eo amin’ny sary hoso-doko iray eo amin’ny rindrin’ny fasan’i Rekhmire, any Thèbes, ny fomba nanamboarana an’ireny biriky ireny. Natao tamin’ny taonjato faha-15 T.K. izy io, izany hoe tany ho any amin’ny fotoana nitrangan’ny tantara voalazan’ny Eksodosy.
Toy izao no ilazalazan’ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) ny zavatra hita eo amin’ilay sary: “Alaina avy ao anaty dobo ny rano. Afangaro amin’ny angady ny fotaka ary avy eo entina any amin’ny toerana mety hanaovana biriky. Afatratr’ilay mpanao biriky ao anaty lasitra hazo ilay fotaka, ary apetrany amin’ny tany. Esoriny avy eo ilay lasitra ka ahazoana biriky vaovao, ary hamaininy amin’ny masoandro izany. Milahadahatra be dia be ireo biriky avy eo, ka rehefa maina vao ampifanaingeniny mba hampiasaina. Mbola hoatr’izany no fanaovana biriky any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.”
Misy taratasy papyrus samy hafa koa, tamin’ny taona 2000 T.K., milaza fa nisy andevo nanao biriky ka mololo sy tanimanga no nampiasaina ary nisy isa tsy maintsy notratrarina isan’andro.
[Sary, pejy 22]
Sarin’i Ksersesy (mitsangana) sy Dariosy Lehibe (mipetraka)
[Sary nahazoan-dalana]
Werner Forman/Art Resource, NY
[Sary, pejy 22]
Sary hoso-doko eo amin’ny rindrin’ny fasan’i Rekhmire
[Sary nahazoan-dalana]
Erich Lessing/Art Resource, NY