Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Nisaina Tsara sy Be Herim-po Izy ary Tsy Tia Tena

Nisaina Tsara sy Be Herim-po Izy ary Tsy Tia Tena

NIDOBODOBOKA be ny fon’i Estera rehefa nanatona tsimoramora teo amin’ny seza fiandrianan’i Ahasoerosy, mpanjaka persianina. Nangina be tampoka tao amin’ilay efitra, ka henon’i Estera hatramin’ny fanenon’ny kirarony sy ny fikasokasoky ny akanjony. Tsy navelany hiriorio mihitsy anefa ny sainy. Marina fa tsara tarehy be ilay lapa sy ny andry ao anatiny. Nisy sary sokitra vita tamin’ny hazo sedera avy any Libanona koa ny valindrihana. Tsy nifantoka tamin’izany anefa izy fa nibanjina an’ilay mpanjaka. Teo am-pelatanan’izy io mantsy ny ainy.

Nijery azy tsara ilay mpanjaka rehefa nanatona izy, ary nanondro azy tamin’ny tehina volamena. Hoatran’ny tsy nisy dikany izany fihetsika izany, nefa niankina tamin’izany ny ain’i Estera. Tsy nety mantsy ny nataony satria tonga tsy nantsoina izy. Nanondro azy tamin’ny tehiny àry ny mpanjaka mba hanaporofoana fa voavela ny helony. Nikasika ny tendron’ilay tehina i Estera avy eo sady faly.—Estera 5:1, 2. *

Azo antoka fa nanan-karena be i Ahasoerosy Mpanjaka. Misy mantsy milaza fa ny vidin’ny akanjon’ny mpanjaka persianina fotsiny tamin’izany, dia efa mitovy sanda amin’ny vola an-jatony tapitrisa dolara. Tena nanam-pahefana be koa izy. Tia an’i Estera anefa izy, ary hitan’i Estera tamin’ny fijeriny izany. Hoy izy: “Misy ilainao angaha, ry Estera vadin’ny mpanjaka ô, ary inona no tadiavinao? Fa na hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena anao!”—Estera 5:3.

Nanam-pinoana sy be herim-po i Estera, matoa sahy nankany amin’ny mpanjaka mba hiaro ny fireneny. Nahomby aloha izy hatreto saingy mbola hisy zava-tsarotra hiandry azy. Tsy maintsy handresy lahatra an’i Ahasoerosy i Estera hoe ilay mpanolo-tsainy izay tena natokisany ange ka ratsy fanahy. Nofitahin’io mpanolo-tsainy io mantsy i Ahasoerosy ka lasa nanameloka ny firenen’i Estera. Ahoana àry no hataon’i Estera, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

Nahay nifidy fotoana iresahana izy

Tsy teo imason’ny olon-drehetra tao an-dapa i Estera no niresaka an’ilay olana. Mety ho nanala baraka ny mpanjaka mantsy izy raha nanao an’izany, na handa i Hamana hoe tsy marina ny teniny. Fantatr’i Estera koa fa zava-dehibe ny mahay mifidy “fotoana itenenana.” Mety ho nampianatra azy an’izany mantsy i Mordekay tamin’izy mbola kely. Noresahiny taminy angamba ilay tenin’i Solomona Mpanjaka, izay efa nosoratana taonjato maromaro talohan’izay, hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, ... misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.”—Mpitoriteny 3:1, 7.

Hoy àry i Estera: “Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana ho tonga any amin’ny fanasana nataoko ho azy anio.” (Estera 5:4) Nanaiky i Ahasoerosy ka nampiantso an’i Hamana. Hita hoe nisaina tsara i Estera satria nahay nifidy ny teny holazainy. Tsy nanala baraka ny vadiny izy, ary nifidy fotoana mety kokoa hiresahana ny olana nahazo azy.

Nomanin’i Estera tsara ilay fanasana mba ho ao amin’ilay itiavan’ny vadiny azy mihitsy ny zava-drehetra. Nasiany divay tao ka faly erỳ i Ahasoerosy. (Salamo 104:15) Nanontany an’i Estera indray àry izy hoe inona no tadiaviny.

Nieritreritra anefa i Estera fa mbola tsy tamin’io ny fotoana tsara hitenenana. Nasainy indray àry i Ahasoerosy sy Hamana ny ampitson’iny. (Estera 5:7, 8) Nahoana i Estera no mbola niandry? Tadidio fa notandindomin-doza ny ain’ny fireneny, satria efa nahazo alalana tamin’ny mpanjaka i Hamana mba hamono azy ireo. Tokony ho azony antoka àry hoe amin’ny fotoana mety tsara izy no miteny an’ilay izy. Noho izy niandry koa no nahafahany nampiseho indray tamin’ny vadiny hoe tena nanaja azy izy.

Tsy fahita firy ny olona manam-paharetana nefa toetra tena sarobidy izy io. Marina fa nitebiteby i Estera sady efa te hilaza izay tao an-tsainy. Nanam-paharetana anefa izy ka niandry ny fotoana mety hitenenana. Afaka manahaka an’i Estera koa isika, ohatra hoe rehefa mahita zavatra tsy mety tokony hahitsy. Tokony hanam-paharetana isika rehefa handresy lahatra an’izay olona manana fahefana hanao izany. Hoy ny Ohabolana 25:15: “Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” Tokony hahay hifidy fotoana hitenenana, toa an’i Estera, àry isika sady halemy fanahy rehefa miteny. Mety tsy hisy vokany amintsika ny fanoheran’ny olona amin’izay, na dia mafy be toy ny taolana aza. Nitahy an’i Estera ve i Jehovah noho izy nisaina tsara sy nanam-paharetana?

Nahazo rariny izy satria nanam-paharetana

Soa ihany i Estera fa nanam-paharetana. Nisy zavatra maromaro nitranga mantsy taorian’izay. Faly erỳ i Hamana sady “ravoravo ny fony” rehefa avy nanatrika an’ilay fanasana voalohany, satria nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka sy ny vadiny. Rehefa nandalo teo am-bavahadin’ny lapa anefa izy, dia nahita an’i Mordekay. Tsy mba nety niankohoka taminy mihitsy i Mordekay, ka “tezitra be” izy. (Estera 5:9) Tsy hoe tsy te hanaja akory i Mordekay, fa nihevitra kosa hoe i Jehovah irery ihany no tokony hiankohofana. Nanenjika azy àry ny eritreriny raha nanao an’izany izy.

Notantarain’i Hamana tamin’ny vadiny sy ny namany izay nataon’i Mordekay. Nampirisihin’izy ireo àry izy mba hampanao tsato-kazo mirefy 22 metatra mahery, ary hangataka alalana amin’ny mpanjaka mba hanantonana an’i Mordekay eo. Tian’i Hamana ilay hevitra ka tonga dia nanomboka nanao izany izy.—Estera 5:12-14.

“Tsy nahita tory” ny mpanjaka ny alin’iny. Nasainy novakina taminy àry ny boky niresaka ny tantaran’ny fanjakany. Anisan’ny voatantara tao fa efa nisy saika hamono izy, saingy nampahafantarin’i Mordekay ilay teti-dratsy ka voasambotra izy ireo ary novonoina. Tadidiny daholo izay nitranga. Tonga saina tampoka anefa izy hoe: ‘Inona re no mba valisoa efa nomena an’i Mordekay e?’ Nanontaniany ny mpanompony, ka nilaza hoe tsy nisy.—Estera 6:1-3.

Sahiran-tsaina ny mpanjaka ka nanontany hoe iza no ho afaka hanampy azy handamina an’izany. Iza hoy ianao? Tsy nisy afa-tsy i Hamana, satria toa tonga aloha be teo an-tokotanin’ilay lapa izy tamin’izay. Maika hangataka alalana hamono an’i Mordekay mantsy izy. Tsy nahavita nangataka akory anefa izy, fa ny an’ny mpanjaka no tonga aloha hoe: “Inona no tokony hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?” Noheverin’i Hamana fa izy no tao an-tsain’i Ahasoerosy. Nilaza àry izy fa hampanaovina ny akanjon’ny mpanjaka ilay lehilahy ary hampitaingenina ny soavaliny. Hasiana tandapa iray koa hitondra azy eran’i Sosana sy hampahafantatra amin’ny olon-drehetra ny voninahitra ananany. Fantatr’i Hamana anefa avy eo hoe hay i Mordekay ilay lehilahy homena voninahitra! Alao sary an-tsaina ange ny endriny rehefa nahalala an’izany e! Tsy vitan’izay fa mbola izy koa no nasain’ny mpanjaka hiantsoantso eo alohany.—Estera 6:4-10.

Nanao tsy fidiny an’izay nasaina nataony i Hamana, ary nody haingana avy eo sady nalahelo be. Nilaza ny vadiny sy ny namany fa raha ny zava-nisy no jerena, dia tsy hahavoa an’i Mordekay mihitsy izy.—Estera 6:12, 13.

Raha tsy nanam-paharetana i Estera, dia tsy ho nitranga mihitsy izany rehetra izany. Nieritreritra i Hamana hoe hahazo voninahitra, nefa izy indray avy eo no voa. I Jehovah koa angamba no nahatonga ny mpanjaka tsy hahita tory. (Ohabolana 21:1) Tsy mahagaga àry raha mampirisika antsika ny Baiboly mba ho “vonona hiandry.” (Mika 7:7) Raha miandry an’Andriamanitra isika, dia ho hitantsika fa tsara lavitra noho izay mety hoeritreretintsika ny vahaolana homeny.

Sahy niteny izy

Tsy maintsy niresaka an’ilay olana amin’izay i Estera tamin’ilay fanasana faharoa, fa tsy sahy nampiandry ny mpanjaka intsony. Ahoana anefa no hilazany an’ilay izy? Soa ihany fa nanontany azy indray ny mpanjaka hoe inona no tadiaviny. (Estera 7:2) Tonga àry ilay fotoana tokony hitenenany.

Nivavaka anakampo angamba aloha i Estera vao niteny hoe: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha sitraky ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko ary ny hitsimbinana ny fireneko no tadiaviko.” (Estera 7:3) Mariho fa nanome toky izy hoe vonona hanaiky izay fantatr’ilay mpanjaka fa mety. Tsy nitovy tamin’i Vasty, ilay vadin’ny mpanjaka taloha, mihitsy i Estera. Nanao fanahy iniana nanala baraka ny vadiny mantsy i Vasty. (Estera 1:10-12) Tsy nanakiana ny mpanjaka koa i Estera hoe adala izy satria natokitoky an’i Hamana. Niangavy azy kosa izy mba hiaro azy sy ny fireneny.

Azo antoka fa gaga ny mpanjaka rehefa naheno an’izany sady nalahelo be. Dia hisy ho sahy hamono ny vadiny tokoa ve? Hoy i Estera: “Namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haripaka sy hovonoina ary haringana. Raha mba namidy ho mpanompolahy sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho, saingy hitondra fahavoazana ho an’ny mpanjaka koa izany loza izany, ka tsy tokony havela hitranga!” (Estera 7:4) Mariho fa nohazavain’i Estera tsara ilay olana. Nilaza koa anefa izy hoe ho nangina ihany raha resaka fanandevozana fotsiny ilay izy. Foko iray manontolo anefa no ho ripaka raha tsy niteny izy, ka na ny mpanjaka azy ho voa mafy koa.

Mety hanana olana lehibe, toa an’i Estera, koa isika, ka tsy maintsy hilaza izany amin’ny havana na amin’ny olona iray manana fahefana. Raha manam-paharetana sy manaja ary tsotra toa an’i Estera isika, dia hahay handresy lahatra azy.—Ohabolana 16:21, 23.

Hoy i Ahasoerosy: “Iza no olona ho sahy hanao izany, ary aiza izany olona izany?” Alao sary an-tsaina ange e! Nanondro an’i Hamana i Estera sady nilaza hoe: “Io Hamana ratsy fanahy io no rafy sy fahavalo!” Nanao ahoana re i Hamana sy ny mpanjaka rehefa nandre an’izany e? Raiki-tahotra i Hamana, fa ilay mpanjaka kosa tonga dia boramena be. Tezitra izy satria ilay mpanolo-tsaina natokisany no namitaka azy, mba hanao sonia an’ilay didy hamonoana ny vady malalany. Nirintona nankany an-jaridainany izy avy eo, ka tany izy no nampitonitony ny fony.—Estera 7:5-7.

Tratra amin’izay i Hamana. Saro-tahotra anefa izy, ka nitalaholaho teo an-tongotr’i Estera. Rehefa niverina ny mpanjaka ka nahita azy teo, dia tezitra be sady niampanga azy hoe nitady hametaveta ny vadiny. Voaheloka ho faty àry i Hamana. Nosamborina izy ary nosaronana ny tarehiny. Nisy tandapa iray avy eo nilaza tamin’ny mpanjaka fa nampanao tsato-kazo i Hamana, mba hanantonana an’i Mordekay. Tonga àry dia nasain’i Ahasoerosy nahantona teo i Hamana!—Estera 7:8-10.

Ahoana raha ianao no iharan’ny tsy rariny toa an’i Estera? Mety ho kivy angamba ianao, ka hihevitra hoe tsy hisy fanantenana intsony satria be loatra ny tsy rariny. Nanao ahoana anefa i Estera? Tsy nanary toky mihitsy izy na lasa tsy natoky olona. Sahy nilaza ny marina izy rehefa tokony hiteny. Natoky izy avy eo hoe i Jehovah no hanao ny ambiny. Tokony hanahaka azy koa isika. Mbola tsy niova mihitsy mantsy i Jehovah. Mbola vitany foana ny mamandrika ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka, ka ny fandrika ataon’izy ireny ihany no hamandrihany azy, toy izay nataony tamin’i Hamana.—Salamo 7:11-16.

Tsy mba tia tena izy

Efa fantatr’i Ahasoerosy fa i Mordekay no niaro azy tsy hisy hamono. Fantany koa anefa tamin’ny farany fa hay izy no ray nitaiza an’i Estera. I Mordekay àry no nataony praiminisitra solon’i Hamana. Nomeny an’i Estera kosa ny tranon’i Hamana sy ny harenany rehetra, ary i Mordekay indray no nasain’i Estera hiandraikitra an’izany.—Estera 8:1, 2.

Nitsotsotra amin’izay ve izao i Estera sy Mordekay satria afa-doza? Tia tena izy ireo raha nanao izany, satria efa niely be ilay didy navoakan’i Hamana mba hamonoana ny Jiosy rehetra. Nampanao karazana fanandroana nantsoina hoe Pora na Antsapaka mihitsy aza izy, mba hamaritana ny fotoana mety tsara hanaovana izany. (Estera 9:24-26) Mbola azo sakanana ve anefa izany? Afaka volana maromaro vao ho tonga io fotoana io, kanefa nihananatona haingana be izy io.

Nanao vivery ny ainy i Estera, ka nankany amin’ny mpanjaka indray na dia tsy nantsoiny aza. Niangavy ny vadiny izy tamin’ity indray mitoraka ity, mba hanafoana an’ilay didy handripahana ny fireneny. Tsy azo foanana intsony anefa izay didy navoaka tamin’ny anaran’ny mpanjaka persianina. (Daniela 6:12, 15) Nomen’ny mpanjaka fahefana hanao lalàna vaovao àry i Estera sy Mordekay, ka namoaka didy faharoa izy ireo. Nanome alalana ny Jiosy hiaro tena izy io. Nandeha haingana nilaza an’izany tamin’ny Jiosy rehetra ireo iraka nitaingin-tsoavaly. Alao sary an-tsaina ange ireo Jiosy eran’ilay faritra e! Velom-bolo indray izy ireo. (Estera 8:3-16) Nirongo fiadiana ry zareo ary niomana hiady. Soa ihany fa nisy an’ilay didy vaovao, fa raha tsy izany dia tsy afaka nanao an’izany izy ireo. Hanampy azy ireo ve anefa i “Jehovah Tompon’ny tafika”?—1 Samoela 17:45.

Tonga amin’izay ilay fotoana, ary efa vonona ny vahoakan’Andriamanitra. Nisy manam-pahefana persianina maro mihitsy aza niandany tamin’izy ireo. Lasa nalaza be mantsy fa i Mordekay Jiosy indray izao no praiminisitra vaovao. Nampian’i Jehovah ny vahoakany ka nandresy, ary nataony resy tanteraka ny fahavalon’izy ireo mba tsy hahafahan’izy ireny hamaly faty. *Estera 9:1-6.

Raha mbola eo anefa ireo zanak’i Hamana folo lahy, dia tsy hamelan’izy ireo mihitsy i Mordekay rehefa hiandraikitra ny tranon’i Hamana. Novonoina koa àry izy ireo. (Estera 9:7-10) Tanteraka ilay nolazain’Andriamanitra mialoha hoe ho ringana tanteraka ny Amalekita ratsy fanahy, izay fahavalon’ny vahoakany. (Deoteronomia 25:17-19) Ireo zanakalahin’i Hamana ireo angamba no taranaka farany indrindra tamin’io foko io.

Tsy maintsy niantsoroka andraikitra lehibe i Estera, na dia mbola tanora aza. Izy, ohatra, no tsy maintsy namoaka didy nahafahana niady tamin’ny fahavalony sy namono azy ireny. Azo antoka fa tsy mora izany, nefa tsy tian’i Jehovah ho ripaka ny firenen’Israely ka tsy maintsy narovany. Avy amin’izy ireo mantsy no hiavian’ilay Mesia nampanantenaina, dia ilay hany fanantenan’ny olombelona rehetra. (Genesisy 22:18) Tsy mandray anjara amin’ny ady intsony ankehitriny ny Kristianina. Nandrara ny mpanara-dia azy tsy hanao izany mantsy ilay Mesia, dia i Jesosy, tamin’izy teto an-tany.—Matio 26:52.

Misy ady ara-panahy ataon’ny Kristianina anefa. Tian’i Satana tsy hino an’i Jehovah Andriamanitra intsony mantsy isika, ka amin’izao andro izao mihitsy izy no vao mainka miezaka manao izany. (2 Korintianina 10:3, 4) Sambatra anefa isika manana modely azo tahafina, toa an’i Estera. Enga anie àry isika haneho finoana toa azy ka ho be herim-po, hisaina tsara sy hanam-paharetana rehefa mandresy lahatra, ary tsy ho tia tena fa ho vonona hiaro ny vahoakan’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2011. Tantaraina ao fa kamboty i Estera ka natsangan’i Mordekay, zanaky ny rahalahin-drainy, izay efa zokiny lavitra be. Voafidy ho vadin’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persa, i Estera tatỳ aoriana. Nanao teti-dratsy avy eo i Hamana, mpanolo-tsain’ny mpanjaka, mba handripahana ny firenen’i Mordekay, dia ny Jiosy. Nandresy lahatra an’i Estera àry i Mordekay mba hankany amin’ny mpanjaka hiarovana ny fireneny.

^ feh. 32 Nomen’ny mpanjaka andro iray fanampiny ny Jiosy mba handreseny ny fahavalony. (Estera 9:12-14) Manao fety isan-taona, isaky ny volana Adara, ny Jiosy hatramin’izao, mba hankalazana an’io fandresena io. Manomboka amin’ny faramparan’ny Febroary ka hatramin’ny voalohandohan’ny Martsa io volana jiosy io. Antsoina hoe Porima io fety fanaon-dry zareo io, ary ilay Antsapaka na Pora nataon’i Hamana tamin’izy te handripaka ny Israelita no niavian’io anarana io.

[Efajoro, pejy 28]

Fanontaniana Momba An’i Estera

Nahoana no navelan’i Mordekay hanambady mpanompo sampy i Estera?

Misy manam-pahaizana milaza fa mpanararaotra i Mordekay, satria te hahazo voninahitra izy dia nasainy nanambady mpanjaka i Estera. Tsy misy porofo manamarina an’izany anefa. Mpanompon’Andriamanitra izy ary tsy mba nivadika taminy mihitsy, koa ahoana moa no hanekeny an’izany fanambadiana izany? (Deoteronomia 7:3) Milaza ny lovantsofina jiosy fa niezaka nisakana an’ilay izy i Mordekay. Mety hoe tsy nanan-tsafidy anefa i Estera sy Mordekay, satria samy vahiny tao amin’ilay tany. Mpanjaka lozabe koa no nitondra tao ary natao toy ny andriamanitra mihitsy izy io. Niharihary anefa tatỳ aoriana fa i Jehovah no nahatonga an’i Estera ho lasa vadin’izy io mba hiarovana ny vahoakany.—Estera 4:14.

Nahoana no tsy misy anaran’Andriamanitra hoe Jehovah mihitsy ao amin’ny bokin’i Estera?

Toa i Mordekay no nanoratra ny bokin’i Estera. Notehirizina niaraka tamin’ny taratasim-panjakana persianina angamba ilay boky tamin’ny voalohany, izay vao nentina tany Jerosalema. Raha nisy anaran’i Jehovah àry tao, dia mety ho nosimban’ireo mpivavaka tamin’ny andriamanitra persianina ilay boky. Na nisy anaran’i Jehovah anefa tao na tsia, dia hita hoe misy resaka momba an’i Jehovah ao. Mahaliana koa fa tao amin’ny Estera 1:20 tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, dia nahitana ny anarany ihany, saingy tsy tonga dia niharihary. Nisy teny efatra fanahy iniana natao nifanesy tao ka ny litera voalohany na farany tamin’ireo no nanome an’ilay anaran’Andriamanitra.

Marina ve ny tantara ao amin’ny bokin’i Estera?

Misy mpitsikera milaza fa tsy marina ny tantara ao. Voamariky ny manam-pahaizana sasany anefa fa hain’ilay mpanoratra amin’ny an-tsipiriany ny mombamomba ny fianakavian’ny mpanjaka persianina sy ny tranony ary ny fombafomban’izy ireo. Marina aloha fa tsy miresaka an’i Estera mihitsy ireo boky tsy ara-pivavahana sisa tavela. Tsy izy irery anefa no olona ambony tao amin’ny fanjakana tsy voaresaka ao amin’ireo taratasim-panjakana. Misy boky tsy ara-pivavahana koa milaza fa nisy lehilahy natao hoe Mardoka na Mordekay, niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka tao Sosana tamin’ny fotoana voaresaka ao amin’ny bokin’i Estera.

[Efajoro, pejy 29]

Faminaniana Iray Tanteraka

Nahazo fanahy masina i Jakoba, 1 200 taona mahery talohan’ny niadian’i Estera sy Mordekay ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Naminany momba ny zanany lahy i Jakoba hoe: “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina. Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.” (Genesisy 49:27) Ilay hoe “maraina” eo, dia manondro ny fotoana voalohandohany nisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely. I Saoly sy ny miaramila mpiady no taranak’i Benjamina niaro ny vahoakan’i Jehovah tamin’izany. Tamin’ny “hariva” kosa, izany hoe rehefa tsy nisy mpanjaka intsony teo amin’ny Israely, dia i Estera sy Mordekay, izay samy taranak’i Benjamina, no niady tamin’ny fahavalon’i Jehovah sy nandresy azy ireo. Nahatanteraka an’io faminaniana io àry izy ireo tamin’izay. Toy ny hoe nizara babo koa ry zareo satria lasany ny fananan’i Hamana.

[Sary, pejy 25]

Nasehon’i Estera fa tena faly izy hoe namindra fo taminy ny mpanjaka

[Sary, pejy 26, 27]

Tsy natahotra i Estera fa sahy nampibaribary ny toetra ratsin’i Hamana

[Sary, pejy 28, 29]

Namoaka didy ho an’ny Jiosy eran’ny Fanjakana Persianina i Estera sy Mordekay