Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ny Hevitrao?

Ahoana ny Hevitrao?

Ahoana ny Hevitrao?

I Jesosy ve izao ... Zaza menavava, sa lehilahy efa ho faty, sa Mpanjaka?

Asehon’ny Baiboly fa Mpanjaka mahery izao i Jesosy. Inona anefa no soa horaisinao avy amin’izany?

Olona maro amin’izao no mino fa maty ho azy ireo i Jesosy. Efa ho 2 000 taona lasa anefa izay izy no maty. Izy koa olona iray, ka ahoana no hahafahany hanavotra olona maro be?

Manasa anao amim-pitiavana izahay ho tonga hihaino ny valiny omen’ny Baiboly an’ireo fanontaniana ireo. Hohazavaina izy ireo rehefa hankalaza ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny alakamisy 5 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, no mitsingerina ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, amin’ity taona ity.

Anontanio an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo ny fotoana sy ny toerana hanaovana azy io.

Hisy lahateny ara-baiboly hoe “Mihevitra ve Ianao fa Mbola ho Ela ny Farany?”, ny herinandro aorian’ilay fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Manao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mitory amin’ny olona tia ny fahamarinana sy te hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesosy izy ireo. Anisan’izany ezaka ataony izany io lahateny io. Asaina àry ianao mba ho tonga hanatrika azy io.