Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Karazan-damba Fahiny?

Inona ny Karazan-damba Fahiny?

Inona ny Karazan-damba Fahiny?

MIRESAKA momba ny zavatra nanamboarana ny akanjo fahiny ny Baiboly, ary lazainy koa ny lokony sy ny didiny.

Marina fa tsy boky momba ny lamaody na didin’akanjo fahiny ny Baiboly. Rehefa misy an’ireny tsipiriany ireny anefa ny tantara ao, dia azon’ny olona sary an-tsaina.

Voalaza ao, ohatra, fa rehefa tonga saina i Adama sy Eva hoe nitanjaka, dia nanjaitra sikina tamin’ny ravin’aviavy. Nosoloan’Andriamanitra “akanjo lava vita tamin’ny hoditra” sady mateza kokoa anefa ilay izy.—Genesisy 3:7, 21.

Mitantara amin’ny an-tsipiriany ny akanjon’ny mpisoronabe tany Israely koa ny Eksodosy toko 28 sy 39. Nanao akanjo anatiny vita tamin’ny lamba rongony izy ireo, akanjo fotsy lava, fehikibo notenomina, akanjo tsy misy tanany, efoda sy saron-tratra misy peta-kofehy, ary satroka lamba misy takela-bolamena. Vita tamin’ny zavatra sarobidy daholo ireo akanjo ireo. Vao mamaky ny fomba nanamboarana azy fotsiny isika, dia efa azontsika sary an-tsaina ny hatsarany.—Eksodosy 39:1-5, 22-29.

Milaza koa ny 2 Mpanjaka 1:8 fa nanao “akanjo volom-biby” i Elia mpaminany, ary nisy “fehikibo hoditra” teo amin’ny andilany. Tena niavaka ny paoziny ka izany no namantaran’ny olona azy, na dia efa taona maro tatỳ aoriana aza. Nitovitovy tamin’ny azy, ohatra, ny paozin’i Jaona Mpanao Batisa, ka izany angamba no nahatonga ny olona sasany hihevitra hoe mbola i Elia ihany i Jaona.—Matio 3:4; Jaona 1:21.

Ny karazan-damba sy ny lokony Imbetsaka ny Baiboly no miresaka ny karazan-damba nisy fahiny sy ny lokony ary ny zavatra nanamboarana loko. Lazainy koa fa nanao kofehy sy nanenona ary nanjaitra ny olona. * Ny lamba vita amin’ny volom-biby sy zavamaniry atao hoe rongony no tena resahiny. Mba hangalana volony aza angamba no nahatonga an’i Abela hiompy ondry. (Genesisy 4:2) Ny Genesisy 41:42 no miresaka voalohany momba ny lamba rongony. Hita ao fa nampitafian’i Farao lamba rongony tena tsara i Josefa. Tamin’ny taonjato faha-18 T.K. izany no nitranga. Ahoana kosa ny amin’ny lamba vita amin’ny landihazo? Efa ela ny olona tany Israely sy ny manodidina azy no nanao azy ireny, saingy tsy miresaka an’izany fotsiny ny Baiboly.

Ahoana no nanamboarana lamba avy amin’ny volon’ondry sy rongony? Naolanolana aloha ny fibra azo avy aminy, mba hatao kofehy manify na matevina, arakarak’izay itiavana azy. Nolokoana ilay kofehy avy eo, na tonga dia notenomina ka rehefa vita vao nolokoana. Nodidiana amin’izay ilay lamba mba hatao akanjo. Matetika no nasiana peta-kofehy ilay izy, mba ho tsara sy lafo kokoa.—Mpitsara 5:30.

Ny manga sy volomparasy ary mena midorehitra no lokon-damba tena resahin’ny Baiboly. Tsy maintsy nasiana “kofehy manga”, ohatra, teo ambonin’ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjon’ny Israelita. Nahoana? Mba ho tadidin’izy ireo foana hoe vahoakan’Andriamanitra izy ireo. (Nomery 15:38-40) Nisy manga (tekheʹleth amin’ny teny hebreo) sy volomparasy (’ar·ga·manʹ) foana koa ny akanjo nampiavaka ny mpisoronabe sy ny fitaovana tao amin’ny tranolay masina sy tempoly.

Ny lamba tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly Tao amin’ny tranolay ny Israelita no nanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah tamin’izy ireo tany an-tany efitra, fa tao amin’ny tempoly tany Jerosalema kosa tatỳ aoriana. Ara-dalàna àry raha miresaka amin’ny an-tsipiriany ny fanamboarana ny tranolay sy ny tempoly ny Baiboly. Lazaina ao, ohatra, ny karazan-damba nampiasaina sy ny lokony, ny fanenomana ny rakotry ny tranolay sy ny ridao, ny fandokoana azy, ny fanjairana azy, ary ny peta-kofehy natao taminy.

Nanamboatra an’ilay tranolay i Bezalila sy Oholiaba ary ny lehilahy sy vehivavy hafa. Nomen’i Jehovah fanahy masina sy toromarika izy ireo, ka tena nety tsara hanompoana azy ilay tranolay rehefa vita. (Eksodosy 35:30-35) Resahina tsara ao amin’ny Eksodosy toko faha-26 daholo ny fitaovana rehetra sy ny fomba nanamboarana azy io. Lazainy ao, ohatra, fa tena lafo vidy sy maro loko ny lamban’ilay tranolay. Ireto avy mantsy no nanaovana azy: ‘Kofehy rongony miolana tsara, kofehy manga, volonondry nolokoana volomparasy somary mena, ary kofehy mena midorehitra.’ Nentina avy tany Ejipta, tamin’ny Israelita nafahana tany, angamba ny ankamaroan’ireo. Noresahina koa ilay ridao matevina manasaraka “ny Masina sy ny Masina Indrindra.” Nisy sarin’anjely kerobima natao peta-kofehy teo amin’izy io. (Eksodosy 26:1, 31-33) Ahoana kosa no nanaovana ny lamba tao amin’ilay tempoly? Nomena toromarika tamin’ny an-tsipiriany koa ireo nanamboatra azy, ary natao nitovitovy tamin’ny an’ny tranolay masina izany.—2 Tantara 2:1, 7.

Be pitsipitsiny tokoa ny zavatra tantarain’ny Baiboly. Hita amin’ireny fa tena nazoto ny Jiosy fahiny, ary hainy tsara ny nampiasa an’izay zavatra nisy teo am-pelatanany. Diso hevitra àry ianao raha mieritreritra fa olona variana tamin’ny asa fivelomany fotsiny ny olona fahiny, ka tsy nivaky loha tamin’ny paoziny. Tena tia nihaingo ry zareo ary nanana akanjo samihafa amin’ny lokony isan-karazany. Nanana akanjo azo entina amin’ny fotoana samy hafa sy mifanaraka amin’ny toetrandro koa ry zareo. Niankina tamin’ny volany koa anefa izany.

Tsara erỳ ny fiainan’ny Israelita tamin’izany, sady sambatra sy afa-po ry zareo. Nomena “tany tondra-dronono sy tantely” izy ireo. (Eksodosy 3:8; Deoteronomia 26:9, 15) Notahin’i Jehovah koa ny Israelita rehefa nanompo azy. Milaza, ohatra, ny 1 Mpanjaka 4:25 hoe: “Nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ireo fanazavana fanampiny ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 26, 27]

Ny Lamba Rongony sy Volonondry

Mba hakana ronono sy volonondry no tena niompian’ny olona ondry fahiny. Volonondry kely fotsiny mantsy dia ampy hanaovana akanjon’ny fianakaviana iray. Azo namidy tamin’ny mpanamboatra lamba kosa ny ambiny raha maromaro ny ondry nompiana. Nisy orinasa fanamboaran-damba ny tanàna sasany. Efa fanaon’ny olona koa ny manety ondry.—Genesisy 31:19; 38:13; 1 Samoela 25:4, 11.

Fampiasa fahiny koa ny lamba rongony. Fibra azo avy amin’ny rongony no nanaovana azy io. (Eksodosy 9:31) Rehefa ho matoy iny ilay rongony no jinjaina. Ahahy ny tahony dia avy eo alona rano mba halefaka. Hamainina indray ilay izy, ary velezina mba hakana fibra. Aolanolana avy eo ilay fibra mba ho lasa kofehy. Ny lamba rongony no tena tian’ny mpanjaka sy tandapa fahiny.

[Sary]

Rongony maina vao halona

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Fanaovana Kofehy

Mora tapaka sy fohy kely ny singana fibra ka tsy mety ampiasaina. Fibra maromaro àry no niara-naolanolana mba hanaovana kofehy arakaraka ny hateviny na ny halavany. Mitantara, ohatra, ny Ohabolana 31:10, 19 fa nisy vehivavy nanao kofehy fahiny. “Atsotrany ny tanany handray ny fangoronan-kofehy, ary ny tanany koa no hihazonany ny ampela.”

Hazo lavalava ilay “fangoronan-kofehy.” Hazokely kosa ilay “ampela” fa misy zavatra mifaraingo eo amin’ny tendrony iray ary misy diska mavesatra mampihodinkodina azy eo amin’ny tendrony ilany. Izao no fanaovan’ny olona kofehy fahiny: Tazoniny amin’ny tanany iray ilay fangoronan-kofehy, ka ahorongorony eo ireo fibra saingy ataony goragora. Misintona fibra maromaro amin’ny tanany ilany izy avy eo. Aolanolany ireo fibra ireo ka lasa kofehy somary goragora. Ataony eo amin’ilay mifaraingo amin’ilay ampela avy eo ilay izy. Akirazorazony ilay ampela sady ahodiny, ka miodina manaraka an’iny ilay kofehy ary lasa matevina sy henjana tsara. Mihorona amin’ny tahon’ilay ampela ireo kofehy efa vita. Toy izay foana no atao mandra-pahalany an’ireo fibra rehetra eo amin’ilay fangoronan-kofehy. Mahazo kofehy lava be izy amin’ny farany.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

Fomba Fandokoana

Nosasana tsara ny kofehy na ny lamba voatenona, izay vao nolokoana. Nila natsoboka imbetsaka tao anaty loko ilay izy raha tiana ho antitra kokoa ny lokony. Lafo anefa ny loko tamin’izany, ka mba tsy ho verivery fotsiny, dia nofiazana tsara ilay lamba na kofehy. Ahahy ilay izy avy eo.

Mbola tsy nisy loko vita amin’ny zavatra simika tamin’izany, ka avy tamin’ny biby sy zavamaniry no nanamboarana loko. Mahagaga fa nahavita loko mateza sy isan-karazany ny olona. Ravina amandie sy hoditr’ampongabendanitra efa voatoto, ohatra, no nanaovana mavo. Hodi-kazon’ampongabendanitra kosa no nanaovana mainty. Bibikely eny amin’ny hazo oaka na ny fakan’ny garansy no nahazoana mena. Avy amin’ny voninkazo atao hoe aika kosa ny manga. Loko maromaro avy amin’ny sifodranomasina isan-karazany no natambatra ka nahazoana volomparasy antitra na manga na mena be.

Loko faran’izay kely anefa no azo avy amin’ny sifodranomasina iray. Milaza àry ny mpikaroka fa 10 000 eo ho eo vao ahazoana loko volomparasy antitra mahavita akanjo lava iray. Tena lafo be ny lamba volonondry miloko volomparasy tamin’ny andron’i Nabonida, mpanjakan’i Babylona. Efa nahatratra avo 40 heny tamin’ny vidin’ny lamba volonondry hafa mihitsy aza ny vidiny. Ny olona tany Tyro no nalaza ho mpamokatra an’io loko io fahiny, ka lasa nantsoina hoe volomparasy avy any Tyro izy io.

[Sary]

Sifodranomasina

Lavaka fasiana loko volomparasy hita tany Israely, taonjato faharoa na fahatelo t.k.

[Sary nahazoan-dalana]

The Tel Dor Project

[Efajoro/Sary, pejy 29]

Fomba Fanenomana

Nisy fitaovana fampiasan’ny olona fahiny mba hanenomana kofehy ho lasa lamba. Apetraka eo amin’ilay izy aloha ny kofehy ary atao mifampidipiditra avy eo. Ny sasany atao mitsangana fa ny sasany atao mitsivalana, toy ireny mandrary ireny.

Nisy karazany roa ny fitaovana fanenomana. Ny sasany matory amin’ny tany, fa ny sasany mitsangana. Raha ilay mitsangana no ampiasaina, dia matetika no asiana zavatra mavesabesatra eo amin’ireo kofehy mitsangana mba hanenjanana azy. Mila atao eny ambanimbany anefa ilay izy. Mbola nahita maromaro tamin’ireny zavatra ireny ny mpikaroka, tany amin’ny toerana maro tany Israely.

Anisan’ny raharaha fanaon’ny olona tao an-tranony matetika ny manenona. Tany amin’ny faritra sasany kosa, dia ny mpiray tanàna rehetra mihitsy no niara-nanao azy io. Milaza, ohatra, ny 1 Tantara 4:21 (Prot.) fa nisy “fokon’ny mpanao rongony fotsy madinika” fahiny.

[Sary, pejy 26, 27]

“Kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy.”—Eksodosy 26:1