Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maika Hitsara ny Olona vao Hitanao ve Ianao?

Maika Hitsara ny Olona vao Hitanao ve Ianao?

Maika Hitsara ny Olona vao Hitanao ve Ianao?

NAKA aina tsara tao amin’ny efitra fandraisany vahiny ny dokotera iray, indray mandeha, sady nijery tele. Nisy minisitra irlandey nadinadinina tao. Nojereny tsara ny tarehin’ilay minisitra ka hitany hoe nisy zavatra hafahafa. Nieritreritra izy hoe kansera ilay izy, ka nasainy nijery dokotera haingana ilay minisitra.

Tena mahay ilay dokotera satria marina ny teniny hoe kansera ilay izy. Vao nojereny fotsiny ilay olona, dia efa fantany ny aretiny. Misy koa mieritreritra fa vao mijery olona iray izy dia efa fantany ny toetrany, ohatra hoe azo itokisana ve izy sa tsia.

Efa hatramin’ny ela ny olona no nitady porofo hoe azo atao ny mamantatra ny toetran’olona amin’ny alalan’ny bikany na ny endriny. Milaza ny Rakipahalalana Britannica fa “misy mpahay siansa mihevitra hoe vao jerena fotsiny ny tarehin’ny olona iray na ny bikany, dia efa fantatra ny toetrany.” Nisy manam-pahaizana niezaka nanome fanazavana momba izany tamin’ny taonjato faha-19, anisan’izany i Francis Galton sy Cesare Lombroso avy any Italia. Tsy nisy niraharaha intsony anefa ny hevitr’izy ireo.

Mbola maro no mihevitra ankehitriny fa tena hahalalana ny toetran’ny olona iray ny fijerena fotsiny ny paoziny. Marina ve anefa izany?

Mety ve ny mitsara olona amin’ny paoziny fotsiny?

Tantarain’ny Baiboly, ohatra, fa nisy mpanompon’Andriamanitra maika hitsara olona fahiny. Nanan-janaka valo lahy i Jese ary tian’i Jehovah hatao mpanjaka ny iray tamin’izy ireo. Nirahiny hankany amin’i Jese àry i Samoela mpaminany. Vao nahita an’i Eliaba i Samoela, dia hoy izy: “ ‘Io eo anatrehan’i Jehovah io mihitsy ilay voahosony.’ Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.’ ” Rehefa nahita ny zanak’i Jese enina hafa i Samoela dia mbola hoatr’izay ihany no nitranga. Iza àry ilay nofidin’i Jehovah? Ilay tsy noeritreretin’izy ireo mihitsy, dia i Davida. Mbola tovolahy kely mantsy io zanak’i Jese faralahy io tamin’izay, ka tsy nieritreritra ny hiantso azy akory ry zareo.—1 Samoela 16:6-12.

Mbola toy izany koa no mitranga ankehitriny. Nisy fanandramana nataon’ny manam-pahaizana iray tany Alemaina, taona vitsivitsy lasa izay. Nampiantso olona 12 izy. Nisy tamin’ireo lehiben’ny polisy, mpampanoa lalàna, mpitam-bolan’ny oniversite, mpisolovava, ary olona ambony ao amin’ny fitsarana. Mpanao heloka bevava kosa ny telo. Nisy mpianatra lalàna 500 avy eo nasain’ilay manam-pahaizana hamantatra hoe inona ny asan’izy 12 ireo, iza amin’izy ireo no tokony higadra ary inona no heloka vitany. Nasainy nofantarin’izy ireo tamin’ny alalan’ny paoziny sy ny fialam-boly tiany izany.

Ny telo ampahefatr’ireo mpianatra no nahavita namantatra an’ireo olona telo mpanao heloka bevava. Antsasany mahery koa anefa no nilaza fa olon-dratsy ny sivy hafa. Mbola tsy voarohirohy tamin’ny zava-dratsy mihitsy anefa ireo olona ireo. Ny ampahafiton’ireo mpianatra no nihevitra fa mpivarotra rongony ilay mpampanoa lalàna. Niteny kosa ny ampahatelony hoe mpangalatra ilay lehiben’ny polisy. Hita amin’izany fa mety ho diso hevitra mihitsy isika raha ny paozin’ny olona fotsiny no hitsarantsika azy.

Mety ho diso hevitra ianao

Mora mitsara an’izay olona vao mifankahita amintsika isika. Angamba efa nisy zavatra hitantsika taloha, na efa misy hevitra tsy mety miala ao an-tsaintsika ao, ka avy amin’izay no itsarantsika an’ilay olona. Indraindray koa isika mitsara olona arakaraka ny fiaviany, ny fari-piainany, na ny fivavahany.

Faly erỳ isika raha marina ilay zavatra noeritreretintsika momba an’ilay olona. Vao mainka aza isika lasa matoky tena be hoe afaka mitsaratsara olona hoatr’izany foana. Raha hitantsika anefa fa diso hevitra isika, dia inona no tokony hataontsika? Raha olona tsotra isika, dia tsy hiziriziry amin’ny hevitsika fa hiezaka hamantatra azy bebe kokoa. Raha tsy izany mantsy, dia mety handratra ny fihetseham-pony isika na hanimba ny fiainany mihitsy.

Tsy ilay tsaratsaraina ihany anefa no mety ho voa mafy fa ilay mitsaratsara koa. Maro tamin’ny Jiosy fahiny, ohatra, no nitsara an-tendrony an’i Jesosy hoe tsy ho izy mihitsy ilay Mesia. Hoatran’ny olona tsotra kely mantsy ny fahitan-dry zareo azy, satria zanaka mpandrafitra. Efa niraikitra tao an-tsain’izy ireo izany, ka na dia nahavariana azy aza ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny fampianarany, dia tsy nety nino izy ireo hoe i Jesosy no Mesia. Tsy nitory tamin’izy ireo intsony àry i Jesosy fa naleony nitory tany an-toeran-kafa. Hoy izy: “Ao amin’ny faritra niaviany sy ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”—Matio 13:54-58.

Efa an-taonany maro ireo Jiosy ireo no niandry ny Mesia. Rehefa tonga anefa izy, dia tsy fantany, satria nitsara an-tendrony an’i Jesosy izy ireo. Lasa tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony àry izy ireo. (Matio 23:37-39) Notsaratsarain’ny olona koa ny mpanara-dia an’i Jesosy. Nanambany azy ireo ny olona nahita fianarana sy ny mpitondra fivavahana. Olona tsotsotra mantsy izy ireo sady mpanarato, ka nieritreritra ny olona hoe iza koa no hihaino an’ireo. Voa mafy anefa izay mbola nitsara an-tendrony hoatr’izany, satria tsy lasa mpanara-dia an’ilay Zanak’Andriamanitra.—Jaona 1:10-12.

Niova hevitra ny olona sasany

Nanetry tena ny olona sasany ka nanaiky ihany hoe i Jesosy no Mesia, rehefa nahita ny zavatra nataony. (Jaona 7:45-52) Anisan’izany ny sasany tamin’ny fianakavian’i Jesosy. Tsy nieritreritra izy ireo tamin’ny voalohany hoe mety ho havany ilay Mesia. (Jaona 7:5) Mahafinaritra anefa fa niova hevitra izy ireo ka nino an’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:14; 1 Korintianina 9:5; Galatianina 1:19) Nanao toy izany koa ireo lohandohan’ny Jiosy tany Roma, tatỳ aoriana. Tsy nihaino ny tsaho naelin’ny mpanenjika ny Kristianina izy ireo, fa naleony mihitsy nihaino izay nolazain’ny apostoly Paoly. Lasa mpino ny sasany taminy.—Asan’ny Apostoly 28:22-24.

Betsaka koa ankehitriny no maika hitsaratsara, ka tsy te hino tsotra izao hoe mety ho marina ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mijery ny zava-misy akory ireny olona ireny. Tsy mba mitady porofo koa izy ireo raha mifanohitra na tsia amin’izay lazain’ny Baiboly ny zavatra inoan’ny Vavolombelona sy ataony. Tena nitovy tamin’ilay nataon’ny olona tamin’ny Kristianina taloha izany.

Tsy mahagaga anefa raha misy manaratsy ireo miezaka manahaka an’i Jesosy. Hoy mantsy izy: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.” Nampahery azy ireo koa anefa izy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 10:22.

Mankatò ny didin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany. (Matio 28:19, 20) Izay tsy mihaino azy ireo mihitsy, dia mety tsy hahazo fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Inona àry no hataonao? Hitsaratsara olona araka izay fahitanao azy fotsiny ve ianao, sa handinika ny tena zava-misy amin’ny saina tsy miangatra? Tadidio fa mety ho diso hevitra ianao, ary mety tsy ho araka ny nieritreretanao azy ny tena marina. Mety hahafinaritra anao ny zavatra hitanao raha mandinika ny zava-misy ianao, fa tsy mitsara an-tendrony fotsiny.—Asan’ny Apostoly 17:10-12.

[Sary, pejy 11]

Maro ny Jiosy nitsaratsara an’i Jesosy, ka lasa tsy nanaiky hoe izy no Mesia

[Sary, pejy 12]

Maika hitsara ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao sa mijery ny tena zava-misy?